Tsy azon'ny fiara andehanana ity vohitra kely mahafinaritra any Arzantina ity

(Lahatsoratra tamin'ny volana Jona 2017)

Toerana ao La Cumbrecita. Sary tao amin'ny Flickr avy amin'i José e Marina (CC BY-NC 2.0).

Azonao an-tsaina ve hoe toy ny ahoana ny monina ao amin'ny tanàna izay mpandeha an-tongotra avokoa tsy misy fiara mihitsy ny olona rehetra? Misy ny toerana toy izany ary antsoina hoe  La Cumbrecita (Ilay Tampony Kely). 120 kilometatra monja miala ny tanànan'i Córdoba any Arzantina ity tanàna kely ity, ao Sierras Grandes any amin'ny faritanin'i Córdoba, ary manodidina ny 1.000 ny mponina ao aminy.

Vatosoan'ny fizahan-tany maitso La Cumbrecita manana hatsarana izay mampatsiahy ny tanàna alemà tany amin'ny taonjato faha-15. Efa zato taona lasa izay no nananganana azy, hoy ny tranonkalan'ny governemanta amin'ny fizahan-tany:

En el año 1932, viaja a Argentina desde Alemania el Dr. Helmut Cabjolsky acompañado por su familia. En la búsqueda de un lugar para vacacionar, compra en 1934 en las sierras de Córdoba un campo de aproximadamente 500 ha, el cual contenía como punto de referencia geográfico al denominado Cerro Cumbrecita.

La primera edificación [era para servir] de casa de veraneo para la familia Cabjolsky, pero muy pronto se transformó en albergue para alojar a los amigos de la familia. Años más tarde, dado el creciente interés turístico que despertaba el territorio, la casa comenzó a funcionar como una pequeña hostería.

Tamin'ny taona 1932, lasa nankany Arzantina avy any Alemaina niaraka tamin'ny fianakaviany ny Dr. Helmut Cabjolsky. Nitady toerana hanaovana fialan-tsasatra izy ireo, ka nividy tany mirefy 500 hektara izy tany an-tendrombohitra Córdoba tamin'ny taona 1934 izay nanana mari-toerana ara-jeografika: ilay antsoina hoe havoana Cumbrecita.

[Natao hampiasaina] ho trano raha fahavaratra ho an'ny Cabjolskys ny trano voalohany, saingy fotoana fohy taorian'izay dia lasa trano fandraisana ireo naman'ny fianakaviana izany. Taona maro taty aoriana, nanomboka lasa trano fandraisam-bahiny kely ilay trano noho ny fitomboan'ny fahalianan'ny mpizahatany tao amin'ilay toerana.

Tamin'ny voalohany, tsy natao ho toeram-pizahantany izay tahaka ny endriny ankehitriny ny tanàna:

La divulgación del encanto del lugar […] no fue intencional sino más bien circunstancial y de boca en boca, ya que nunca se había pensado en la posibilidad de que La Cumbrecita, Córdoba, podría transformarse en polo de atracción turística.

En la actualidad, el turismo en La Cumbrecita, Córdoba, es uno de los mayores atractivos de la región, llenando sus calles de visitantes nacionales e internacionales durante cada temporada estival.

Raha niely am-bava ny hatsaran'ny toerana […] tsy nokinasa ny mety ahatonga ny La Cumbrecita, Córdoba, ho toerana fandehanan'ny mpizahatany, fa kosa kisendrasendra.

Ankehitriny, La Cumbrecita, Córdoba, no iray amin'ireo toeram-pizahatany mahasarika indrindra ao amin'ny faritra. Isaky ny vanim-potoana mafana, feno mpitsidika nasionaly sy iraisam-pirenena hatrany ny arabeny.

“Tongasoa eto La Cumbrecita, tanàna fandehanana an-tongotra”. Fidirana ao amin'ny La Cumbrecita. Sary tao amin'ny Flickr avy amin'ny mpisera Juan Pedro Diez (CC BY 2.0).

Anisan'ny fitsipika ao amin'ny La Cumbrecita ny fikatonan'ny arabe ho an'ny fiara manomboka amin'ny 10 maraina ka hatramin'ny 6 hariva. Tsy maintsy ajanona eo am-pidirana ny tanàna ny fiara rehetra ary mandeha an-tongotra ny mpizahatany.

Araka ny lahatsoratra navoaka tao amin'ny BBC Mundo, dia nanamarika i Ingrid Cabjolsky, zafikelin'ny mpanorina fa tsy azony hoe “nahoana no mbola avela hiditra amin'ireo foibe manan-tantara any amin'ireo renivohitra Eoropeana ny fiara”:

Tú entras al centro de cualquier ciudad y está colapsada, tanto por la cantidad de autos como por la contaminación visual, ambiental y sonora.

Feno hipoka avokoa any afovoan-tanàna any amin'ny tanandehibe any rehefa mandeha any ianao noho ny habetsaky ny fiara sy ny fandotoana hita maso, ny tontolo iainana ary ny tabataba.

Misy anefa ny fanamby na dia toa mampanonofy aza ao amin'ity toerana ity:

Venir a vivir a La Cumbrecita no es fácil, porque al ser parte de una reserva natural los códigos de zonificación y edificación son muy estrictos: en busca de mantener la calma y el paisaje natural, por ejemplo, los lotes deben ser de mínimo 2.000 metros cuadrados.

Living in La Cumbrecita isn't easy. Being part of a nature reserve, zoning and building codes are very rigid: for instance, in order to keep the quietness and natural landscape, all lots must have at least 2,000 square meters (21,500 square feet).

Tsy mora ny mipetraka any La Cumbrecita. Sarotra ny famaritana faritra sy ny fanorenana noho ny maha-ampahany amin'ny tahirin-javaboary azy: ohatra, tokony 2.000 metatra toradroa farafahakeliny ny famaritana faritra rehetra mba hitandrovana ny fahanginana sy ny tontolon'ny natiora.

Ny tranonkalan'ny La Cumbrecita mihitsy aza no nanome fampitandremana momba izay tokony ho tandremana mba hananana fitsidihana mahafinaritra:

En La Cumbrecita NO EXISTE Banco, NO HAY Cajero Automático, y NO DISPONEMOS de una estación de servicio para proveer combustible, por lo que recomendamos PREVER dichas necesidades.

La Cumbrecita es un pueblo peatonal, todos los circuitos internos están previstos para ser realizados a pie; es importante prever de CALZADO APROPIADO para recorrerlos. […] es necesario disponer de ABRIGO, LENTES DE SOL Y PROTECTOR SOLAR.

TSY MISY banky eto La Cumbrecita, TSY misy DAB, ary TSY manana tobin-tsolika hangalana solika izahay, noho izany dia mandrisika anao izahay mba hiomana mialoha amin'izany filàna izany.

Tanànan'ny mpandeha an-tongotra ny La Cumbrecita,  natao handehanana an-tongotra ny lalankely anatiny rehetra. Zava-dehibe ny fanaovana KIRARO METY TSARA raha handeha miala ny toerana iray ho any amin'ny iray hafa. […] Ilaina ny manana AKANJO METY TSARA, SOLOMASO ARO MASOANDRO ary ny FIAROVANA AMIN'NY MASOANDRO.

Tao amin'ny Twitter, nandefa sary avy tao an-tanàna ny olona. Mampiseho amintsika ny fomba nandraisan'ny La Cumbrecita azy i Matías Di Santi:

Taorian'ny dia, dia toy izao no fomba fandraisan'ny La Cumbrecita, any amin'ny tany Cordobese, anay.

Nizara ny fotoanan'ny fahazazany tao amin'ilay tanàna i Majo:

Fotoana fahatsiarovana: izaho tamin'ny 10 taona tao La Cumbrecita.

Nofariparitan'i Sou ny zavatra niainany somary nifanohitra tamin'ny filaminana izay hita ao an-tanàna matetika:

Tamin'ny 1 Mey [Fetin'ny Asa any amin'ny firenena maro] dia nankany La Cumbrecita (Córdoba) aho, ary nilaza tamiko izy ireo fa efa mila maka aina amin'ireo mpizahatany rehetra izay raisin'izy ireo.

Mandritra izany fotoana izany dia nizara ny faniriany lehibe kokoa i Aldana Martínez:

Hataoko izay hifindrana any La Cumbrecita.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.