- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fifandraisana eo amin'i Tiorkia sy Rosia: “Sarotra be”

Sokajy: Rosia, Syria, Tiorkia, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifindràmonina, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Mpitsoa-ponenana, Politika, Tantara, Toekarena sy Fandraharahàna

Pikantsary avy amin'ny lahatsarin'ny Reuters [1]. [1]

Ny 29 Septambra 2021, nihaona ireo mpitarika an'i Tiorkia sy Rosia tao Sochi,  tanàna iray ao amin'ny faritra Ranomasina Mainty Rosiàna [2] mba hiresaka momba ireo fifandirana ao Siria sy Libia, ny fisian'izy ireo ao Kaokazy Atsimo, ny angovo ary ny fifanarahana iray momba ny balafomanga.

Natao tanaty efitrano mihidy, naharitra ora telo teo ho eo ilay fihaonana. Samy nandà tsy nisy nanao fanambaràna niraisana ho an'ny mpanao gazety, na ny filoha Erdoğan na ny filoha Putin.

Na izany aza, niely be tety anaty tambajotra ilay fihaonana iray nandritra ny fotoana fohy teo amin'ireo mpitarika roa tonta — fifampiresahana iray [3] momba ireo hery fiarovana (antibodies).

Putin: Tratry ny Covid-19 daholo ireo olona manodidina ahy, fa avo be ny ahy ny hery fiarovana.

Erdogan: Zanatohatra fahafiry no misy anao?

Putin: 15-16, tsy tsaroako.

Erdogan: Ambany loatra izany, ny ahy mihoatra ny arivo ??pic.twitter.com/wKvNpqHp2j [4]

Saingy raha nirehareha momba ny fanànany hery fiarovana avo be ny filoha Erdoğan, mety ho io ihany no hany toerana ananany tombony. Ho an'i Kerim Has, mpandalina tsy miankina no sady mpampianatra ao amin'ny Anjerimanontolo ao Maosko, ilay fihaonana tamin'io herinandro io no iray izay isan'ny “tena nampahalemy tànana indrindra an'i Erdoğan”

Tato anatin'ny 19 taona, nandeha nankao Rosia niaraka tamin'ny “tànana tena faran'izay malemy” i Erdogan; tsy misy mpanohana intsony izy any aminy; miharatsy ny ara-toekarena; ankoatra ny amin'ny Firenena Mitambatra (UK) dia politika ivelany saiky manohitra ny rehetra no apetrak'ilay firenena; misy lalan-tsokina vaovao ao Idlib ary fihenjanana hafa any amin'ny faritra; fampitsaharana ireo fifanarahana momba ny entona voajanahary.

Tsy misy hafa amin'izay, tao anatin'ny matoandahatsorany ho an'ny The Washington Post, ilay mpanao gazety Asli Aydintasbas nanoratra hoe [8] :

Ny Alarobia teo tao Sochi, rehefa nihaona tamin'i Putin i Erdogan, azo eritreretina fa nisy fangatahana goavana nataony, nefa izy tsy nanana firy ho atolotra akory.

Naharitra ora telo teo ilay fihaonan'i Erdogan sy Putin, ary sarotra ny hahafantatra izay ho azon'i Tiorkia avy amin'izany. Fa ny mazava dia tsy mandaitra intsony ilay hetsika mpampifandanja mahazatra an'i Erdogan, ary amin'ny toeran'ny tompon'ny hery no misy an'i Putin, afaka ny hanao tsindry ara-toekarena amin'i Tiorkia sy ao Siria.

Teboka fototra hosainina

Ilay fihaonana no fotoana voalohany nifanatrehan-tava ho an'ireo mpitarika roa ireo tato anatin'ny herintaona mahery [9], noho ireo fameperana napetraky ny fisian'ny valanaretina.

Taorian'ilay fihaonana, tsy niaraka saingy samy niresaka momba ny vokatr'izany tamin'ny media tao an-toerana ny roa tonta. Ny filoha Erdoğan nidera [10] ireo fifanarahana ara-tafika iarahana amin'i Rosia, amin'ny fanamafisana ireo drafitra hividianana andiany faharoa amin'ireo balafomanga S-400s. Ny voalohany tamin'ny fifanarahana tahaka izany dia niafara tamin'ny fahazoan'i Tiorkia sazy ara-toekarena sy tsy fahafaha-mivezivezy avy amin'i Etazonia, ary ny fanafoanan'i Etazonia ny varotra fiaramanidina F-35 andiany vaovao tamin'ny 2019, hoy ny tatitry ny [11] New York Times.

Ho azy indray, ny filoha Putin dia nidera ny fifanarahana angovo nifanaovan'ny firenena roa tonta sy ireo “marimaritra iraisana” vitan'ny firenena roa tonta ny nanao azy [1] rehefa nifandimby ny taona.

Kanefa, ankoatra ny fifanarahana fiarahamiasan'ny andaniny sy ankilany, dia teboka tena manandanja indrindra tamin'ny lahadinik'ireo mpitarika roa ny momba ny toedraharaha ao Siria, indrindra ny ao Idlib, toerana ahitàna soritra fanafihana vaovao ataon'ny tafika siriàna amin'ireo mpihoko tohanan'i Tiorkia. [9]

Rosia no tena mpiara-dia amin'ny governemanta siriàna, mpanohana ny tafika siriàna, raha i Tiorkia kosa indray no manohana ireo vondrona mpihoko voarohirohy [12] amin'ny fanonganana ny filoha Bashar al-Assad. Idlib no famaharana farany ho an'ireo hery mpihoko tohanan'i Tiorkia. Ao ihany koa no toeram-ponenan'ireo Siriana mihoatra ny 3,4 tapitrisa, araka ny  [13]vinavina sasany.

Tafakatra ambony be [13] ny fifanenjanana ao Idlib, na teo aza ny fifanarahana fampitsaharana poabasy vita tamin'ny Martsa tamin'ny taona lasa, nifanaovan'i Rosia sy Tiorkia. Misy 10.000 eo ireo andia-miaramila tiorka [13] no naparitaka any amin'ilay faritany mba hanakanana ny mety ho fanafihan'ny tafika siriàna, ary nialoha ilay fihaonana teo amin'ireo filoha roalahy dia nandefa hery fanampiny [14] ny firenena. Ny fifanarahana farany tamin'ny taona lasa, anefa, “dia nandalo sedra nivaivay tato anatin'ireo herinandro farany noho ireo daroka baomba avy eny an'habakabaka sy an-tanety nanjo ireo toerana ambany fifehezan'ny mpihoko,” hoy ny tatitry ny [15] Middle East Eye. Araka ny lazain'ilay sehatra fampitam-baovao, dia nahavita fifanarahana iray ireo filoha roa tonta mba hitazonana ny toedraharaha ao Idlib tsy hivoatra, raha nitanisa vaovao azony [15] avy tamina tiorka manampahefana ambony.

Ny fanafihana iray vaovao atao ao Idlib dia midika andiana Siriàna vaovao hiampita ny sisintany mankao Tiorkia, toerana izay efa misy Siriana mpialokaloka miisa efatra tapitrisa eo ho eo. Talohan'ny nihaonany tamin'ny filoha rosiàna tamin'ny 29 Septambra, nasian'ny filoha Erdoğan tsindrim-peo ny lanjan'ny fiantohana ny fandriampahalemana ao Siria, tsy hoe fotsiny ho an'ny zavamisy mivantana ankehitriny, fa koa drafitra ho an'ny fotoana maharitra, mba hampitsaharana tanteraka ny ady.

Ho an'i [16] Mark N. Katz, manampahaizana iray ao amin'ny Filankevitr'i Atlantika,  raha toa tsy nahavaha ireo tsy fifanarahan-kevitra goavana teo amin'ireo roa goavana ao amin'ny faritra ilay fihaonana tao Sochi, “dia tsy hahasakana azy ireo tsy hiharatsy kokoa.” Saingy tsy miombon-kevitra amin'izany ireo manampahaizana manokana ao an-toerana. Tao anaty antsafa iray [17] ho an'ny DW, ilay masoivoho tiorka efa nisotro ronono,Ünal Çeviköz , dia nisarika ny saina ho amin'ny tsy fisian'ilay fanambaràna niraisana taorian'ny fihaonan'i Putin sy Erdoğan.

Zotra mifanipaka amin'ireo fifanarahana diplaomatika no izoran'ity fihaonana ity. Ny tsy nahavitàna nanao fanambaràna niraisana taorian'ny fihaonana nifanatrehan-tava dia midika fa, na mijanona ho tsiambaratelom-panjakana ny raharaha, na marika fa afenin'ny governemanta amin'ny vahoaka ny adivarotra rehetra nataony. Ity farany no hitan'ny maso-ntsika.

Aydın Sezgin, masoivoho iray hafa tany aloha, dia mitovy fahatsapàna amin'i Çeviköz, tamin'ny fanampiana tao anaty antsafa iray [17] ho an'ny DW fa io no sambany nandàvan'ny filoha tsy hanao fanambaràna iraisana taorian'ny fihaonan-dry zareo. “Fahazarana ho an'i Putin — ny mitondra ireo mpanampy azy akaiky sy ireo minisitra hanatrika fihaonana. Mila omana lanja io. Na misy singa tsy maintsy afenina, na mbola hitohy ireo adivarotra,”  hoy izy nanampy.

Manoloana ny fanakianana tsy mitsaha-mitombo noho ny fitontonganan'ny sandam-bola, ny fidangan'ny vidim-piainana [18] ary firongatry ny herisetra manjo ny vondrompiarahamonin'ireo mpialokaloka [19] manerana ny firenena, mety sy hahagaga mihitsy raha toa ny filoha Erdoğan misafidy ny tsy hanao fanambaràna mahabe fanantenana momba ilay fihaonany tamin'i filoha Putin tao Sochi.