- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fifandirana ara-bola momba ny trano fonenana, fifampitifirana nahafatesana olona dimy tao Kazakhstan

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Kazakhstan, Lalàna, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna, Zon'olombelona

Pôlisy nalefy ny faritra nitrangan'ny fifampitifirana tao Almaty. Pikantsary avy amin'ny lahatsary  YouTube [1] an'ny Radio Azattyk

Ny tolakandron'ny 20 Septambra, nandritra ny tranganà herisetra tsy fahita firy ao Almaty, tanàna iray be mponina indrindra ao Kazakhstan, nitifitra pôlisy sy vadintany ny lehilahy iray. Vokany, olona dimy no maty.

Tsy toy ilay herisetra an-jambany izay nahatonga ny mpianatra iray 18 taona  nitifitra sy namono olona marobe tao amin'ny anjerimanontolo nisy azy tao Perm [2], tao afovoan'i Rosia, tamin'io andro io ihany, fa ilay rangahy tao Kazakhstan kosa mety tonga tamin'ny fihetsika tafahoatra tahaka izao noho ny rafitra sosialy sy toekarena izay tsy mitsahatra miha-tsy ara-drariny hatrany hatrany.

Tifitra nanoherana fandroahana

Igor Duzhnov, 54 taona, dia tao amin'ny distrikan'i  Akbulak ao andrefan'i Almaty no nipetraka.

Tamin'ny 2011, mba hanitarany ny fandraharana nataon'i Duzhnov sy ny vadiny dia nindrana vola tamin'ny Bank CenterCredit, banky salantsalany mpampindram-bola ao an-toerana izy mivady. Tamin'ny Desambra 2014, namoaka didy ny fitsaràna iray fa ny tsy nahavitana nanefa ara-potoana ny vola nindraminy dia mety hiteraka fanasaziana ho an'i Duzhnov sy ny ankohonany.

Ny tranon-dry zareo sy toeram-pivarotana iray hafa no napetrak'izy ireo ho antoka tamin'ilay findramana vola. Tamin'ny 2018, natombok'ilay banky ny famarotana amin'izay mahashy ambony indrindra ireo fananana ireo, tamin'ny fitazonana ny iray, ary fandafosana kosa ny tokotany be iray azo anorenana ho an'ny mpividy iray tao an-toerana. Nilaza ny banky fa ilay lavanty natao tamin'ny 2014 dia nifanaraka tsara tamin'ny lalàna [3], ary ny tsy fisian'ireo tolobidy ambony ho enti-manomboka dia nitarika tamin'ny fampidinan'ilay rafitra ny vidiny notakiana. Araka izany, dia namidy tamin'ny vidiny ambany ilay antoka natao tamin'ny findramambola.

Nanohy nipetraka tao amin'ilay trano ihany i Duzhnov sy ny ankohonany, izay noheverin-dry zareo fa azy, ary nandà tsy hanaraka ilay fampandrenesana sy ny didin'ny tribonaly mangataka azy ireo handao ny toerana.

Rehefa tonga teo am-baravaran'i Duzhniov ny vadintany—narahana pôlisy roa, ny tompony ara-dalàna sy ireo nàmany, noraisin'i Duzhnov ny basy fitondra mihaza ary nanomboka nitifitra izy. Maty daholo ireo olona dimy, ary taty aorian'izay dia nosamborin'ny pôlisy i Duzhnov.

Mety hiatrika 20 taona an-trano mazina na mandra-pahafatiny izao i Duzhnov. Ny vadiny, Anaid Demirchyan, nilaza [4] fa toa niaina rarintsaina i Duzhnov, “Tsy ela akory izay izy no niteny fa lasa adalan'ny hadisoam-panantenana. tsy hainy izay mety ho ataony manaraka. [Nanimba be azy] ireny fitoriana ireny.”

Setriny mifamahofaho

Naneho hevitra momba io fihetsika mahery setra io ny olona tao Kazakhstan, indrindra fa nanameloka ilay famonoana, nefa koa nanamarina ny fandàvan'i Duzhnov tsy hitolo-batana manoloana ny heverina ho fomba fikarakaràna mitanila / tsy ara-drariny.

Raha naneho hevitra tamin'ny lahatsary YouTube [5] iray taorian'ilay fifampitifirana, nilaza ny alahelony nanoloana ny fihetsik'ilay banky sy ireo manampahefana ireo mpampiasa aterineto.

Вот так надо защищаться от фашистов-полицаев. (Rada Duma)

Tahaka izao no fomba ataonao hiarovanao tena amin'ireo pôlisy fasista. (Rada Duma)

Народ доводят вот и реакция. Судебная система виновата. Людей судьи за людей не считают. Вот и результат. Сейчас начнут все дела по этому дому исправлять чтобы не было косяков. Твари. Мужика жалко. (Edward the Brave)

[Ireo manampahefana] no nanosika ny vahoaka hanao fihetsika tahaka izao. Ny rafi-pitsaràna no meloka. Tsy olombelona no iheveran'ireo mpitsara ny olona. Dia io no vokany. Ankehitriny, hanomboka handamina ny raharaha rehetra momba io trano io ry zareo mba tsy hisian'ny olana. Bibidia. Miala tsiny ho an'ilay ranamana. (Edward the Brave)

Коррупция опутала госорганы, судей, правоохранительные органы .. куда вы загнали народ. (Nauryzkhan B.)

Tafiditra hatrany anaty rantsan'ny governemanta, ny mpitsara, sy ireo masoivoho mpampihatra lalàna ny kolikoly … ianareo no mandrisika ny olona [hitifitra]. (Nauryzkhan B.)

Лучше бы эти судоисполнители конфискофали все наворованное коррупцией и переправленые за границу деньги и счета’ чем отбирали последнее жилье и доводили до отчаяния семью. (Aisulu D.)

Tsaratsara kokoa raha izay zavatra rehetra nangalarina tamin'ny alàlan'ny kolikoly sy ny vola [nodiovina] no giazan'ireny vadintany ireny, fa tsy ny haka izay hany trano sisa tavela sy hanao izay hahaketraka fianakaviana iray. (Aisulu D.)

Naverin'i Andrei Linnik, mpikambana iray avy amin'ny Majilis, antenimiera ao amin'ny firenena, nalefa indray ny sosokevitra hampidirana ireo fepetra momba ny fatiantoka tanteraky ny olontsotra [6] ary hanamafisana ireo fepetra apetraka hahazoan'ny banky mangihy ireo fanànana natao antoka.

Ny taha avobe [napetraky] ny National Bank no miteraka ny trosa faobe mavesatra zakain'ny vahoaka, ankoatra ny zavatra hafa. [Anisan'ireo antony hafa] ny fitanilàn'ireo didy avoakan'ny fitsaràna amin'ny karazana fifandirana tahaka izao ary ny mety fisian'ny tsikombakomban'ny vadintany sy ireo mpiasan'ny banky. Ilaina ny fiantohana ireo zo fototra sy miankina aman'aina an'ireo olompirenena tratry ny fatiantoka tanteraka.

Ny fepetra tahaka izany dia hampihena ny fahafahan'ny banky mivarotra eny an-tsena ireo antoka, alohan'ny fahitàna fifanarahana ifanaovan'ny andaniny sy ny ankilany.

Tena voadona mafy tamin'ireo krizy ara-bola erantany tamin'ny 2007 ny banky tao Kazakhstan. Marobe no tsy afa-bela; ny hafa lasan’ [7]ilay goavana mpampindrambola ao amin'ny firenena.  Mbola tsapa ao amin'ilay firenena ireo onjan'ny krizy, satria ankohonana marobe no tsy nahavita nandoa ny trosany—indrindra fa ireo nandray tamin'ny dolara amerikàna—vao mainka nanamafy ny faharefoan'ny fahasalamàna ara-bolan'ireo banky.