- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tanora telo ao Melbourne, aingampanahy ho an'ny maro noho ilay tranonkala fanjohian-dry zareo ny angondrakitra momba ny COVID-19

Sokajy: Oseania, Aostralia, Fahasalamàna, Mediam-bahoaka, Siansa, Tanora, Teknolojia, Vaovao Tsara, COVID-19
[1]

Fangon'ny COVID Base AU – Sary nampiasaina miaraka amin'ny fanomezandàlan'ny @COVIDBaseAU

Ho an'ireo izay mila tantara-na COVID-19 mba metimety, ity iray ity avy amin'ny Oz no mety mahavaly izany.

Nipongatra ireo olona telo tao ambadiky ny CovidBaseAU, iray amin'ireo tranonkala Australiàna sy kaonty Twitter mahomby indrindra fametrahana angondrakitra momba ny valanaretina. Nohazavain'ny Guardian Australia ny niandohan'ny tantara [2]:

Tsikaritra fa tanora telo no mitantana ilay tranonkala tena azo itokiana indrindra hanjohiana ny COVID-19 ao Aostralia.

Ilay tarika, izay nitantana ny CovidbaseAU [3], dia lasa ampahany manontolo ao anatin'ny antontanisan-dry zareo rahateo taorian'ny nandraisany ny fatram-baksininy Moderna voalohany tao Melbourne.

Isanandro ny CovidBaseAU dia manolotra tahirinkevitra momba ilay valanaretina ao Aostralia, isan'izany ny isa avy ao an-toerana, ny fitiliana, ny fampidirana hôpitaly, ny fahafatesana sy ny fanaovana vaksiny. Ananany ny tarehimarika nasiônaly sy ofisialy.

Samy 15 taona i Jack sy Darcy ary 14 taona i Wesley. Ny bitsik'izy ireo nopaingoriny ho fankalazàna ny nahazoany ny fatram-baksiny voalohany no nanainga ny lalao:

BOOM! 12-15s afaka nahazo ny?

Androany izahay telo mpitantana ny @covidbaseau [4], Jack, Wesley ary Darcy, no nahazo ny fatram-baksininay voalohany, Moderna.?

Ity no noheveriko fa fotoana iray tsara hizaràna ny tena maha-izahay anay.?

Ravoravo fa tafiditra ihany anatin'ireo angondrakitray izahay! pic.twitter.com/SeIQFXPjGW [5]

— CovidBaseAU ???? (@covidbaseau) 23 Septambra 2021 [6]

Nihoatra ny 1.400 ireo olona namaly ilay bitsika tao anatin'ireo ora vitsy voalohany. Io fifanakalozana io no nampisongadina azy telo manam-pahasahiana ireto:

Raha ny marina dia miasa amina toerana fisakafoanana iray aho (Jack) (tsy amin'izao fotoana izao noho ny fihibohana). Darcy miasa amin'ny fanaovana lasitra mampiasa ny hafanàna. Latsaky ny 15 taona i Wesley, ka dia tsy mora araka izany. Nefa misaotra e!

— CovidBaseAU ???? (@covidbaseau) 23 Septambra 2021 [7]

Nisy ny fankasitrahana avy ao am-po, toy ity bitsika avy amin'i Bill Bowtell, profesora miasa ho an'ny fahasalamam-bahoaka ity:

Fiarahabana tena mitafotafo ary fisaorana be dia be noho ny fandraisanareo anjara amin'ny fandrefesana ny Covid. Miainga avy amin'ny fahazoana haingana ireo tarehimarika tsara sy marina / tsy mitanila no ahafahana mandrafitra politika tsara. Tena nitondra fiovàna marina tokoa ianareo.

— Bill Bowtell AO (@billbowtell) 24 Septambra 2021 [8]

Tao amin'ny ABC TV News (Australian Broadcasting Corporation), nampiresahan'i Casey Briggs, mpiara-miasa amin'ny ‘numbers gremlin‘, izy telo ireo. Nandritra ilay valanaretina, efa mpikirakira tsy tapaka ny resaka angondrakitra alefa amin'ny fahitalavitra ABC i Brig . Ny fanolorany tarehimarika dia nahazoany mpanjohy [9] mahatoky ao amin'ny media sôsialy.

Nivazivazy ny ABC raha nilaza hoe “nanala saron-tava” izy telo ireto, izay tena nataony ara-bakiteny tokoa araka ny hita ao anatin'ny lahatsary:

Nohazavain-dry zareo fa ireo lesona nomena nianarana tany an-trano nandritra ny fihibohana tao Melbourne no nanampy azy ireo tamin'ity tetikasa ity.

Ilay ‘mpiondana angondrakitra’, Ben Krauth, dia nidera ny pitsopitsony tamin'ny asan-dry zareo ireto:

Ho an'ireo tsy mahafantatra loatra ny fahaizana manoratra kaody mampitolagaga ananan'ireo telo ao ambadiky ny @covidbaseau [4].

Jereo ity bitsika tsy mampino androany ity, avy amin'ny BOT iray nosoratan'izy ireo!

Ity no iray amin'ireo bitsika lasa lavitra indrindra hitako momba ny Covid tany rehetra tany. Tena mahazendana. https://t.co/sA3aRpibl8 [10]

— Ben Krauth (@KrauthBen) 23 Septambra 2021 [11]

Nisy maro ireo hanihany:

Hiteny amiko ve ianareo hoe ianareo ankizy telo ireo no manome tarehimarika mazava kokoa noho ny rehetra ao amin'ny ministeran'ny fahasalamana? Oadrayyyy…

— SJ Williams (that fella downunder…) (@sjwill99) 23 Septambra 2021 [12]

Manana kaonty Patreon [13] iray ry zareo raha toa ka tianao ny ho lasa mpiahy.

Tototry ny valinteny avy amin'ireo mpirary soa erantany sy ireo mpiray tanindrazana aminy avo ao Melbourne ry Jack, Darcy ary Wesley:

Izao alina izao  ny zanakolahy 8 taona no nahita anareo  tamin'ilay tetikasa ary dia nitolagaga izy amin'ny zavatra ataonareo! Tohizo ny ezaka sy ny fanomezana aingampanahy. Misy ny fanantenana ??

Fiarahabana mitafotafo avy aty Pays-Bas ?? Tena nitondra tsiky marina tokoa teo amin'ny tavako ianareo 3. Tohizo ny asa tsara ho ataonareo ao amin'ny tranonkalanareo, tena tsy mampino!

Nisy ireo fandrakofana tanaty fampahalalambaovao tamin'ny fiteny [16] marobe sy avy any lavitra any, toa an'i Ireland [17].

Na izany aza, homentsika azy ireo ny teny farany:

Manao ahoana daholo. Te-handefa ity bitsika ity fotsiny izahay. Naharay hafatra marobe izahay avy amin'ireo olona mpiasan'ny media nifandray taminay. Tena ialàna tsiny fa tsy vita ny hamaly ny rehetra. Miaraka miasa amin'olona izahay, saingy tena tsy mampino ny isan'ireo hafatra voarainay.
— CovidBaseAU ???? (@covidbaseau) 24 Septambra 2021 [18]