- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tsy matahotra mpanohitra saozanina ny governemanta farary ao Japan

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Mediam-bahoaka, Politika
Suga resignation mashup

Soratra amin'ny afisy: “mibaboka i Suga!!!” Suga Yoshide, izay, amin'ny maha-sekreteran'ny kabinetra azy, nanambara [1] ny vanim-potoana Reiwa vaovao tamin'ny 1 Avril 2019, no nilaza fa hiala amin'ny maha-praiminisitra azy tamin'ny 2 Septambra 2021. Sary namboarin’ [2]i Nevin Thompson.

Taorian'ny fotoa-mafana nanjakan'ny Lalao Olaimpikan'i Tokyo “tsy mahazatra [3]” izay natrehan'ny mpijery virtoaly nandritra ny fotoana nampirongatra ny valan'aretina, tamin'ny aogositra farany teo—ary efa mihaodihaody koa ny fifidianam-pirenena—hitan'ny praiminisitra japoney Suga Yoshihide sy ny antoko mitondra miaraka aminy avy ao amin'ny Antoko Demaokratika Liberaly (LDP) fa miha-malazo ny lazany. Eo ihany koa ny andian'ireo tanjona tratrarin'ny antoko mpanohitra mampidika fa kely ihany ny herijika mety isian'ny fiovana ao amin'ny governemanta.

Nirodana [4] ny fankatoavana taorian'ny Olaimpika—tamin'ny 8 aogositra, 29 isanjato monja amin'ny japoney mpifidy no nankatoa ny governemanta, mitaha amin'ny 52 isanjato tsy mankatoa. Tsy ampy herintaona akory dia nilavo lefona tanteraka i Suga amin'ny maha-praiminisitra azy. Tamin'ny 2 Septambra, rehefa nandalo herinandro maromaro nisalasalana, nanambara i Suga fa tsy handray anjara amin'ny latsabato fitarihana ny LDP [5] nokinasa hotanterahana amin'ny faran'ity volana ity [6], manome lalana ho an'izay praiminisitra vaovao hitarika ny antoko amin'ny fifidianana, izay efa napetraka hotanterahana amin'ny faran'ny volana oktobra.

Lasa praiminisitra i Suga tamin'ny 16 septambra 2020. Mpandimby—sy ambany elatry ny—Praiminisitra Abe Shinzo, tsy tian'ny mpifidy i Suga noho ny antony maro [7], ary izy rehetra ireo dia mifandraika amin'ny nataon'ny governemantany hiatrehana [8] ny valan'aretina. Hita [9] ho tsy matotra sy manao fandehan-tsokatra ny fanaovam-bakisiny tao Japan. Tsapa tokoa ny tahotra hampirongatra ny tranga COVID-19 nandritra sy taorian'ny lalao Olaimpika, satria niantsambotra [10] nanerana an'i Japan ny fifindran'aretina sy ny fampidirana hopitaly, nefa tsy hita mihitsy izay drafitra apetraky ny governemanta manoloana ny toe-draharaha.

Fa na dia ny fandraofan'ny ekipa Japan [11] medaly be indrindra hatramin'izay [12] tamin'ny lalao Olaimpika aza tsy afa-manova [13] ny hevitry ny mpifidy. Fa na dia tsy mahafapo tahaka izany aza ny governemanta ankehitriny, dia tsy tian'ny mpifidy ihany koa ireo ao amin'ny antoko mpanohitra.

Nandritra ny fitsapan-kevitra [14] nataon'ny NHK (vondrom-pampielezam-peo sy sary ao Japan), manodidina ny 33 isanjaton'ny mpifidy no nanohana ny LDP mitondra ami'izao fotoana. Mifangarika amin'izany kosa, 6,4 isanjato monja tamin'ny namaly fitsapan-kevitra no nilaza fa manohana ny Antoko Demaokratika ara-Dalampanorenana (CDP), antoko lehibe indrindra ao aminy fanoherana maningana ao amin'ny Diet Nasionaly [15].

Ny tsi-fitokisam-bahoaka ireo antoko tahaka ny CDP dia mety azo ampifandraisina amin'ny fanamarihana hafahafa sy anti-siansa nataon'ireo olo-malaza ao amin'ny fanoherana. Tamin'ny May 2020, ohatra, nandritra ny adihevitra nifanaovan'ireo fanta-daza ao amin'ny fanoherana momba ny andinihana indray ny lalànan'ny heloka bevava ara-pananahana, nanamarika [16] ny mpikambana ao amin'ny CDP Honda Hiranao fa heveriny “ho hafahafa raha samborina izy noho ny nanaovany firaisana ara-nofo amin'ny zazavavy 14 taona nanaiky tsy an-katerena.” Ny Lalàna famaizana (heloka bevava) [17] Japoney amin'izao fotoana manko mametra ny ambany indrindra ho 13 taona.

Niala tsiny [18] i Honda ary niala [19] tamin'ny antoko, ary nanambara [20] fa tsy handray anjara amin'ny fifidianana hoavy, saingy efa vita ny fanapotehana. Nanao izay hamehezana ny fahapotehana ny Antoko Komonista Japoney (JCP), antoko tiam-bahoaka amin'ny faritra ary efa niteny fa hisokatra amin'ny fiaraha-miasa amin'ny CDP [21] handresena ny antoko mitondra amin'izao fotoana. Nisioka i Koike Akira [22], mpitarika ambony ao amin'ny JCP:

現行刑法で13歳未満とされている性交同意年齢を引き上げるべきことは、国連からも勧告されており、性暴力被害の当事者も声を上げている。少なくとも義務教育終了後の「16歳未満」に引き上げるべき時に、言語道断の発言であり、厳しく非難する。

Efa nandrisika ny Firenena Mikambana mba hampiakarana ny taona farany ambany isian'ny fankatoavana firaisam-batana voalazan'ny lalàna famaizana amin'izao fotoana. Tokony hohenointsika ihany koa ireo lasibatry ny herisetram-pananahana. Amin'ny tranga rehetra, ny taona leferina ho fankatoavana dia tokony hakarina “hihoatra ny faha-16 taona,” aorian'ny fahafenoan'ny fotoana tsy maintsy ianarana. Nanafintohina ny fanamarihan'[i Honda], ary tokony hohelohina mafy.

Nanjakan'ny fiaraha-mientana LDP-Komeito ny tontolo politika ao Japan hatramin'ny nandreseny ny Democratic Party of Japan [23] (DPJ) tamin'ny fifidianana ankapobeny 2012 [24]. Nivakivaky ny DPJ taorian'ny [25] fifidianana, lasa antoko mpanohitra madinika maro any amin'ny fanaovana latsa-bato, ka mahatonga ny LDP-Komeito mbola mitantana ny governemanta.

Mandritra izany fotoana izany, ny Antoko Demaokratika ara-Dalampanorenana (CDP), mpandova ny DPJ ary miandry kendry tohina amin'ny fahalemen'ny LDP, mitolona mafy hifidy ireo gafy. Taorian'ny fanesorana an'i Honda tamin'ilay resaka fankatoavam-piraisana, notohinina tamin'ny fanentanana fandisoam-baovao amin'ny valan'aretina sy ny krizim-pahasalamam-bahoaka ny mpanao lalàna iray hafa ao amin'ny CDP.

Araka ny notaterin'ny Yahoo! Japan News [26], Buzzfeed [27], ary ireo loharanom-baovao hafa tamin'ny volana jolay, nampiasa ny fitaovam-panentanan'ny [28] CDP ofisialy [29] i Kitajo Tomohiko [30], kandidàn'ny CDP amin'ny fifidianana, hizara fandisoam-baovao momba ny vakisiny tao amin'ny Twitter. Nilaza i Kitajo fa “mety hiteraka fahamombàna eo amin'ny vehivavy ny vakisiny mRNA” ary “tsy misy fiantraikany iadiana amin'ny viriosin'ny COVID-19 ny vakisiny Pfizer.”

Taorian'ny fanoherana [26] anjotra nataon'ny dokotera malaza amin'ny tsy fahamarinan'ny filazana,namafa ny siokany i Kitajo ary nialatsiny tamin'ny nanafangaroany ny heviny manokana ho hevitra ijoroan'ny antokony. Na izany aza anefa dia mbola nanohy tamin'ny fanehoany ny fijeriny [31] mampiady hevitra momba ny vakisiny COVID-19 izy, miaraka amin'ireo anti-vaxxers hafa ao amin'ny fanoherana—ahitana an'i Aoyama Masayuki [32], mpikambana teo aloha tao amin'ny CDP fa lasa indray ao amin'ny Japan Restoration Party (JRP), vondrona iray mahaleotena. Aoyama Masayuki [33], izay efa nipetraka ao amin'ny Komity parlemantera misahana ny Fahasalamana, Fanasoavana ary ny Asa [34], matetika misioka fandisoam-baovao anti-vakisiny sady mifandìtra [35] amin'ny dokotera [36].

Noho izay toe-javatra izay raha mbola mitoetra ao amin'ny laharan'ny praiminisitra “revolving-door [37]” [mandalo dia miserana] ao Japan i Suga. Dia heverina mbola hanohy ny lalany tsy misy ahiahy ny governemanta LDP-Komeito, na dia eo aza ny tsy fitiavan'ny mpifidy.