Nankalaza ny fizarana diplaoma ho an'ireo vehivavy miaramila vaovao andiany voalohany indrindra i Arabia Saodita tamin'ny fiandohan'ity volana ity, manokatra adihevitra momba ny fihetsika farany nataon'ny fanjakana hampihenana ny elanelana goavana nisy teo amin'ny lahy sy vavy.
Mitafy fanamiana miaramila malalaka sy lava, miaraka amin'ny loha sy indraindray ny tarehy misarona voaly mifanaraka amin'ny fanamian'izy ireo, nanao matso teo anoloan'ireo manamboninahitra ambony ireo nahazo diplaoma tao amin'ny Ivotoerana Saodiana Fanofanana Vehivavy ho Miaramila tamin'ny 2 septambra, ary nitondra basy sy nihiaka ireo teny filamatry ny miaramila.
Nangataka ny hiditra ao amin'ny tafika izy ireo ho valin'ny Fanasana tamin'ny volana Febroary nalefan'ny Minisiteran'ny Fiarovana Arabo Saodiana — sambany teo amin'ny tantarany — ary navela hisoratra anarana tamin'ny alàlan'ny fidirana miaraka amin'ny lehilahy.
#فيديو_الدفاع
تعلن #وزارة_الدفاع ممثلة بالإدارة العامة للقبول والتجنيد للقوات المسلحة عن فتح بوابة القبول والتجنيد (رجال ونساء) للالتحاق بالخدمة العسكرية على رتبة (رقيب) حتى رتبة (جندي).— وزارة الدفاع ?? (@modgovksa) April 23, 2021
Manambara ny fisokafan'ny fidirana sy fandraisana mpiasa (lehilahy sy vehivavy) hanatevin-daharana ny raharaha miaramila amin'ny laharam-boninahitra (serzà) hatramin'ny laharana (miaramila) ny Minisiteran'ny Fiarovana, isoloan'ny -Fitantanan-draharaha Ankapobeny amin'ny Fampidirana sy ny Fandraisana ny Tafika- tena.
Hitan'ny maro ho dingana lehibe hafa amin'ny lalan'ny fizakan-tena ny vehivavy Saodiana izany.
Nanafoana fameperana lalàna ara-tsosialy marobe sy tsy mazava izay nampahory ny vehivavy hatrizay i Riyadh : efa afaka mitondra fiara, manao fanatanjahan-tena eny amin'ny kianjabem-bahoaka, mivezivezy tsy mila alalana amin'ny lehilahy mpiambina, ary vao haingana kokoa, miaina irery tsy mila alalana avy amin'ny lehilahy mpiambina ny vehivavy Saodiana. Voatonona ho ampahany amin'ny Vina 2030, drafi-panjakana fampandrosoana ifotony notarihan'ny efa zary mpitondra ny fanjakana, ny printsy Mpandova Mohamed bin Salman, ity fanovana mahery vaika amin'ny sata ara-tsosialy sy ara-dalàna ho an'ny vehivavy Saodiana ity, .
Toy ny tsirairay amin'ireo fanapahan-kevitra ireo, nizarazara ny fiarahamonina Saodiana ka misy ireo mpanohana sy ny mpanohitra.
Sarimihetsika iray navoaka tao amin'ny media sosialy nampiseho ireo vehivavy zazavao marobe midera ny haizatra azon'izy ireo.
منسوبات القوات المسلحة يتحدثن عن مشاعرهن بعد الانضمام للسلك العسكري.
-
— أخبار السعودية (@SaudiNews50) September 2, 2021
Ireo vehivavy zazavao ao amin'ny Tafika manambara ny fihetseham-pon'izy ireo taorian'ny fidirana tao amin'ny laharan'ny miaramila.
Tamin'izany, nilaza ny mpianatra vaovao iray hoe:
Saudi women are strong. Saudi women are capable of confrontation. One Saudi woman joining the military service means the joining of future generations; generations of patriotism, love, belonging and loyalty.
Mahery ny vehivavy Saodiana. Afaka mifanandrina ny vehivavy Saodiana. Midika fanatevenana ny taranaka hoavy; taranaka tia tanindrazana, fitiavana, fiarahana ary tsy fivadihana (fahamarinana) ny vehivavy Saodiana iray manatevin-daharana raharaha miaramila.
Iray hafa nidera ireo “mpitondra lehibe”, izay isaorana aorian'Andriamanitra fa, “nahavita nandray dingana lehibe mifanaraka amin'ny kolontsain'ny fiarahamonina sy ny vanim-potoana vaovao ny vehivavy Saodiana”.
Such a great feeling, a feeling like no other, it is a mixture of happiness, pride, glory, fear of responsibility as well. From the moment I put on this military uniform, I no longer represent myself only, but represent a whole country, and responsible for all my actions and behavior, and I am sure I will be up to it.
Fahatsapana lehibe, fahatsapana tsy misy toy izany, fifangaroan'ny hafaliana, rehareha, voninahitra, tahotra andraikitra ihany koa izany. Hatramin'ny fotoana nanaovako ity fanamiana miaramila ity, dia tsy misolo tena ny tenako fotsiny ihany aho fa misolo tena ny firenena iray manontolo, ary tompon'andraikitra amin'ny fihetsiko sy ny fitondrantenako rehetra, ary azoko antoka fa hahavita izany aho.
Ibrahim Al-Munif, mpisera Twitter manana mpanaraka eo amin'ny 68000 eo ho eo, namariparitra ireo manohitra ny vehivavy manatevin-daharana ny miaramila ho “tsy manana fahalalana na tratra aoriana”, ary nanamarika fa milaza ny tantaran'ireo vehivavy niady niaraka tamin'ny lehilahy ny tantara Silamo, sy ny tantaran'ny Saodiana:
Nampiany hoe:
هناك من يتحجج بأن الجيش لا يتناسب مع طبيعة الانثى!
وهذا الأمر مردود عليه..
هل الجيش يناسب جميع الرجال؟
طبعاً لا!
اذاً (الجيش قد يليق بفئة من النساء)، وعلى أي حال، الأمر غير الزامي على النساء كما هو غير الزامي على الرجال، ومن ترى في نفسها قابلية للانضمام، فهذه شروط التسجيل pic.twitter.com/icBwNFVwpt— إبراهيم المنيف (@altamimi14) February 22, 2021
Milaza ny sasany fa tsy mifanaraka amin'ny natioran'ny vehivavy ny miaramila! Azo toherina mora foana izany: mifanaraka amin'ny lehilahy rehetra ve ny tafika? Tsia mazava ho azy!
Ka (mety mifanaraka amin'ny vehivavy sasany ny tafika).Na inona na inona, tsy terena ho an'ny vehivavy ny didy satria tsy terena ho an'ny lehilahy izany, ary na iza na iza mahita ny tenany fa afaka miditra amin'izany, ireo ny fepetra amin'ny fisoratana anarana ..
Betsaka no nandray izany ho toy ny hirika hiderana ny Printsy Mohamed ho mpiaro ny zon'ny vehivavy..
هناك قادة يقرأون التاريخ .. وهناك آخرين يكتبونه!
سيذكرك الوطن برجاله ونسائه .. بشبابه وشيابه .. قائداً حازماً ومجدداً شجاعاً .. نصير المرأة .. ملهم الشباب .. مختصر المسافات .. ومُذلّل العقبات وفقك الله وسدد جهودك.#محمد_بن_سلمان_36_سنه pic.twitter.com/D9wM5mJwNP
— هند العصيمي♡ (@h_angel__) September 1, 2021
Misy ireo mpitondra mamaky tantara .. ary misy ireo hafa manoratra azy!
Ho tsaroan'ny lehilahiny sy vehivaviny .. ny tanorany sy ny zokiolony mandrakizay ny tanindrazana.. mpitondra orinasa sy mpitondra zava-baovao be herim-po .. feminista .. aingam-panahy ho an'ny tanora .. mampihena ny halavirana .. mandresy ireo vato misakana.
Hatramin'ny niakarany teo anivom-pahefana ao amin'ny fanjakana taorian'ny niakaran'ny rainy teo amin'ny seza fiandrianana tamin'ny Janoary 2015, ny Printsy Mohamed no mpamily fototra tao ambadiky ny fanapaha-kevitra izay nanome hery ny vehivavy Saodiana hamerina ny zon'izy ireo sivily sy sosialy. Na izany aza, nanaloka haingana ity andraikitra tsara sy nankasitrahan'ny besinimaro ity ny fanitsakitsahana henjana ny zon'olombelona sy ny heloka bevava, izay nahasaringotra ny Printsy Mpandova, anisan'izany ny famonoana ilay mpanao gazety Jamal Khashoggi, ny fanagadrana fahatany, ary ny fampijaliana ireo mpandraharaha sy fianakavia-panjaka am-polony noho ny fiampangana hosoka sy fanodinkodinam-bola, ary ny fitazonana ireo mpikatroka malaza ho mpiaro ny zon'ny vehivavy, izay efa ela no nitaky ny fanafahana ny vehivavy Saodiana.
Fananganana ara-batana
Amin'ny lafiny iray, maro no nahita fa tsy mety ho an'ny vatan'ny vehivavy ny ady.
Ho valin'ny siokan'i Al-Munif voalaza etsy ambony, nanoratra i Thawab al-Shhatri, mpisera Twitter Saodiana iray hafa hoe:
قد يناسبها بعض الاعمال كأ إداره وطب وتغذيه وتموين ومحاسبه
كلها تناسبهاوموجوده الان في كثير من الوزارات والاجهزه العسكريه كأ المرور وحرس الحدود ومكافحة المخدرات
والاوضاع مستتبه جداًلكن ميدانياً اعتقد صعب عليها من حيث التكوين الجسماني
— ثواب بن دواس بن عايض الشاطري (@mgdafw13) February 23, 2021
Mety sahaza ho an'ny vehivavy iray ny asa sasany, toy ny fitantanana, fitsaboana, sakafo sy taokaonty. Sahaza azy ireo sehatra rehetra ireo ary misy izany ankehitriny eny amin'ny minisitera sy sampana miaramila maro Saodiana, toy ny fifamoivoizana, ny fisafoana Sisin-tany ary ny Sampana Miady amin'ny zava-mahadomelina .
Saingy raha hampiasa vatana eny ifotony, heveriko fa sarotra ho azy ny resaka firafitra ara-batana.
Ny hafa kosa nandà tanteraka ny hevitra miaramila vehivavy. Mpisera Twitter Saodiana iray nilaza hoe:
الجيش غير مناسب لهم.. النساء مصانع الرجال صحيح ولكن الله خلق المرأة بتكاليف وطاقات وكذلك الرجل ومن سنين والمرأة في القطاع العسكري سجون وغيرها والآن زادت.. لكن الجيش غير مناسب بتاتًا البتة لهم ومحسسينا تعداد السعودية مليون ويبون يزيدون في عدد الجيش!
قرارات كهذه احس اعتباطية .— . ? بدير الدهيميّٰ ? الأزدي (@i_Ezr) February 23, 2021
Tsy mendrika ho azy ireo ny tafika .. Marina fa ny vehivavy no mpamorona ny tena lehilahy saingy Andriamanitra no namorona ny vehivavy manana fahaiza-manao manokana, ary tahaka izany koa ny lehilahy. Teo amin'ny sehatry ny miaramila nandritra ny taona maro ny vehivavy, ary mitombo hatrany izy ireo. Saingy tsy mety amin'izy ireo mihitsy ny tafika. Tahaka ny hoe iray tapitrisa fotsiny ny mponina ao Arabia Saodita ka mila mampitombo ny isan'ny tafika izy ireo!
Tsapako fa tsy mitombina ny fanapahan-kevitra toy izany.
Nilaza ny olona iray hafa, izay namoaka ny fampitandremana hoe “hazo-damosin'ny fiarahamonina ny vehivavy,” fa tokony atao laharam-pahamehana amin'ny fitadiavana miaramila ireo lehilahy tsy an'asa ary niantso ny manampahefana mba hanokatra sehatra ara-panabeazana sy ara-pitsaboana ho an'ny vehivavy tsy an'asa ho solon'izany.
Ny hafa kosa nitsipaka ny hevitra noho ny antony ara-pivahanana madiodio, manonona ireo mpitondra fivavahana Islamika izay manaraka ny fandikana henjana ny fivavahana.