- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny hafainganan'ny siokan'i Nicki Minaj mandiso momba ny vaksiny COVID

Sokajy: Karaiba, Etazonia, Trinite sy Tobago, Fahasalamàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Mozika, Siansa, COVID-19
[1]

Mpiangaly Rap Nicki Minaj. Sary [2] avy amin'i Eva Rinaldi tao amin'ny Flickr, CC BY-SA 2.0 [3]

Nahazo [4] ny valin-kafatra [5] manandanja i Nicki Minaj [6], mpiangaly rap teraka tany Trinidad sy Tobago tamin'ny sioka iray tamin'ny 13 septambra, izay nilazany [7] fa niteraka fahalemen'ny filahiana ny vaksinin'ny COVID-19.

Tsy hanao vaksiny ny zanak'olo-mpianadahy amiko any Trinidad satria lasa malemy filahiana ny namany nanao izany. Nanjary nivonto ny vihy. Herinandro vitsy tsy hanambadiana ilay namany, ankehitriny, nanafoana ny fanambadiana ilay tovovavy. Ka mivavaha fotsiny momba izany & ataovy izay hahazoanao antoka fa mety aminao ny fanapahan-kevitra, tsy mampijaly.

Nanaraka ny sioka maro hafa izay niresaka vaksiny COVID-19, anisan'izany ny iray izay nambaran'i [9] Minaj fa tsy handray anjara amin'ny Met Gala [10] izy satria miankina amin'ny fanaovam-baksiny ny fanatrehana ary tsapany fa mbola tsy mbola nanao “fikarohana ampy” momba ny safidy vaksiny izy

Rehefa niresaka momba ity tantara ity ny fampahalalam-baovao mahazatra, dia nilaza i Minaj fa diso ny tatitra momba ny fanehoan-keviny mikasika ny Met, manondro [9] ireo sioka [11]vitsy hafa nalefany, izay nanomezany hevitra fa tokony hanao vaksiny ny olona, miantso izany ho “fenitra” ka mahavita tsara kokoa miady amin'ny viriosy ny olona vita vaksiny.

Na dia nanome tsiny [12] an'i Minaj aza ilay mpanadihady amin'ny fahitalavitra liberaly Joy Reid noho ny fampiasàny ny sehatra Twitter ahitana mpanaraka 22 tapitrisa mahery mba hanelezana fandisoam-baovao, ny sasany kosa niantso [13] ny tsy fetezana [14] ankapobeny ho “topi-maso tsy fahita […] amin'ny fomba famadihan'ny gazety ny marina”, manohana [15] ny tehak'i [16]Minaj fa “nanaparitaka fitantarana diso momba ny vehivavy mainty hoditra [namana] iray” i Reid.  Ny hafa kosa nilaza [17]fa mihatsaravelatsihy ny fiteny masiaka an'i Reid , raha jerena fa izy tenany ihany no namafy ny tsy fitokisana [18] vaksinin'ny COVID-19 tamin'ny taona 2020 satria novolavolaina teo ambany fiahian'ny fitondrana Trump izany.

Amanda Carpenter nisioka tamin'ny fomba manevateva:

Mety hoe tsy tany amin'ny The Met i Nikki Minaj tamin'ny alina saingy izy no *ity akaiky ity* nasaina hanao fampisehoana fametrahana indray an'i Donald Trump ka izay izany

Tezitra mafy [20] avy eo ny media sosialy. Namaly an'i Minaj ilay mpanoratra ao amin'ny New York Times be mpividy indrindra, Kurt Eichenwald:

Miala tsiny, tsy izany no voka-dratsin'ny vaksiny. Antsoina hoe hydrocele izany. Ho an'ny olon-dehibe, ny antony roa voalohany dia ny ratra na STD (chlamydia or gonorrhea). Angamba mety nanao ditra mariazy farany ny naman'ny anadahinao ka tratran'ny STD, & ary manome tsiny ny vaksiny. Mila MD, stat izy

Namaly ny mpankafy taloha iray hoe:

Tsikaritra ho nanao fandisoam-baovao ary nialana. Nitia anao sy ny mozika anao aho, tena mandiso fanantenana sy mampidi-doza izany

Tamin'ny lahatsoratra iray tsy misy fitsarana, Dr. Raven the Science Maven namerina nanoratra rap izay nanazavany ny tena fomba fiasan'ny vaksiny:

Nicki, nataoko ity rap momba ny vaksiny ity tamin'ny mihintsan-dravina farany! Miresaka momba ny hery fiarovan'ny vatana sy ny zavatra sasany mitranga ao amin'ny hery fiarovanao aorian'ny fanaovam-baksiny ❤️ faly miresaka bebe kokoa momba izany aminao. Tsy ahitana fitsaratsarana foana ny sehatro! ❤️? am-pitiavana be

Raha nanohana [25] ny fijerin'i Minaj ny sasany, ny ankamaroan'ny mpampiasa media sosialy kosa tsy vonona handefitra amin'ny fahadisoan'i Minaj:

FAFAO ITY AVY HATRANY ry Nicki gurl alohan'ny HAHAFATESAN'NY olona noho ny tahotr’ ITY SIOKA FAIKANY ITY! ?Tena mahamenatra mampatahotra ity & TSY manana POROFO ianao fa tsy STD ilay izy. Olona an-tapitrisany no Maty eto amintsika,  nahita vaksiny fanefitra isika, ary ankehitriny mamporisika olona maro ho FATY ianao

Fantatrao fa amin'ny maha olo-malaza anao, manan-danja ny teninao. Na inona na inona zava-misy fa TSY manana porofo mampifandray ny olana ara-pitsaboanan'ilay olona  amin'ity vaksiny ity ianao, hisafidy ny tsy hanao vaksiny ny olona izay efa misalasala (noho ny fampahalalana diso).

Nanohitra ny filazana ity kintana ity ho manohitra ny vakisiny (anti-vaxxer) ilay mpanao hatsikana Trevor Noa, raha niaiky [28] fa, ho an'ny ankamaroan'ireo mpanjohy an'i Minaj, “io sioka momba ilay boribory mivonto […] io no hokarohin'izy ireo,” satria nilaza izy fa “tsy azony antoka ary mety ho resy lahatra izy “:

If you take Nicki at her word—or anyone who wants more information for that matter—instead of crucifying them to prove how righteous we are, let's show them the research. […]

The good news is that a lot of research has already been done on these vaccines and that research has shown they are overwhelming safe and effective, and their side effects don't come close to the damage that COVID can do to you.

Raha mandray an'i Nicki amin'ny teniny ianao — na izay olona maniry vaovao bebe kokoa momba io raharaha io — mba tsy hanombohona azy ireo hanaporofoana ny maha-marina antsika, ndeha asehontsika azy ireo ny fikarohana. […]

Ny vaovao tsara dia efa misy ny fikarohana maro momba ireo vaksiny ireo ary nampiseho ny fikarohana fa tena azo antoka sy mandaitra izy ireo, ary tsy manakaiky ny fahasimbana ateraky ny COVID aminao ny voka-dratsin'izy ireo.

Na izany aza, tsy nahazo an'izany ireo mpiserasera sasany:

nikki minaj amin'izao fotoana izao

Nanova ny fisehoany i Nikki Minaj tamin'ny alàlan'ny fanangezàna nono, fe Breziliana izay notsindromina ny tavy tao amin'ny fitombenany ary koa fandidiana maro hafa saingy tsy hatao vaksiny izy satria nilaza izy fa mila manao fikarohana manokana. GTFOH!

Nitaraina i Dr. Stella Safo:

Eto i Nikki Minaj dia manao (fanahy iniana/tsy fanahy iniana ???) mizara vaovao diso momba ny vaksiny ary malahelo be aho ho an'ireo olona ho voadona amin'ity korontana ity. Manoloana ny olona 1000 mahery maty isan'andro noho ny COVID.

Maniry aho, amin'ny foko rehetra, fa hampiasa ny herin'izy ireo amim-pahamendrehana ireo olo-malaza.

Mpisera amin'ny media sosialy maro namaly ny sioka mampiady hevitra tamin'ny fomba tsapan'izy ireo ny tokony handraisana izany— amin'ny hatsikana:

Nikki Malala

Lasa olo-mahery elatra ankavanana i Nikki Minaj. Mbola ho tian'izy ireo ve izy rehefa hanomboka hitoto?

avy amin'i Maureen DOwd

Somary mampihomehy fa baolina natokana ho an'ny fiantrana ARY baolina hanaovana akanjo mirendrarendra ny Met Gala, saingy ny baolina (vihy) notazomin'ny zanak'olo-mpiray tam-po amin'i Nikki Minaj no tena tian'ny Twitter.

Nisy ireo vitsivitsy nahatsiaro ireo mijaly ny fiantraikany ihany koa:

Ahoana no fomba ilazany izany mifanatrika mahitsy?

Hihomehy ny naman'ny zanak'olo-mpiray tam-po amin'i Nikki Minaj aho, saingy tsapako ho toy ny voankazo mora takatra io.

Tadidio fotsiny fa misy foana ny olona manana andro ratsy kokoa noho ianao…

tahaka ny mpanao dokambarotra ho an'i Nikki Minaj.

Mandritra izany, toa sahiran-tsaina [41] ny ankamaroan'ny mpiserasera Trinidadiana:

Izany no zavatra MAMONO ahy amin'izany rehetra izany.

Mieritreritra foana aho fa “firenena tena mahafinaritra isika, saingy tsy miseho amin'ny vaovao manerantany afa-tsy amin'ny antony mahatsikaiky indrindra isika” ary mahasosotra ahy izany

Tao amin'ny Facebook, Nyssa Pierre nanoratra [43] hoe:

There are NO WORDS to describe how I wish Onika [Minaj's birth name] would just leave we good name out she mouth. Every single time Ms Starships mentions us is an embarrassment.

TSY MISY TENY hamaritana ny fomba haniriko an'i Onika [anarana nahaterahan'i Minaj] mba hamela anarana tsara ho antsika lazain'ny vavany. Mahasadaikatra ny indray mandeha ilazan'i Ms Starship antsika.

… raha anisan'ireo nanamarika ny tenan'izy ireo fa voaaro [44] amin'ny tranga kosa i Dave V Surajdeen:

[44]

Fanavaozana satan'ny Facebook nataon'i Dave V Surajdeen, izay mivaky hoe, ‘Voamarika fa voaaro amin'ny baolinan'ny (vihy) naman'ny anadahy tsy mpiray tam-po amin'i Nicki Minaj.’ Sary niparitaka tamin'ny media sosialy.

Kyle Griffin namehy ny adihevitra tamin'ny fehezanteny iray, izay novalian'ilay namana mpisera Twitter Cali hoe:

Eny, andeha ampianaro tsara izy. Hoy izy MANONTANY. Raha tokony hiditra amin'ny resany. Ity no dingana tsara hanaovana azy.

Raha mbola voatsikeran'ny tontolon'ny bilaogy i Minaj, mbola mitohy ny adihevitra amin'ny hoe tokony toherina amin'ny fanabeazana – fa tsy ny fanafoanana – ny fandisoam-baovao avy amin'olo-malaza.