
Mpiangaly Rap Nicki Minaj. Sary avy amin'i Eva Rinaldi tao amin'ny Flickr, CC BY-SA 2.0.
Nahazo ny valin-kafatra manandanja i Nicki Minaj, mpiangaly rap teraka tany Trinidad sy Tobago tamin'ny sioka iray tamin'ny 13 septambra, izay nilazany fa niteraka fahalemen'ny filahiana ny vaksinin'ny COVID-19.
My cousin in Trinidad won’t get the vaccine cuz his friend got it & became impotent. His testicles became swollen. His friend was weeks away from getting married, now the girl called off the wedding. So just pray on it & make sure you’re comfortable with ur decision, not bullied
— Nicki Minaj (@NICKIMINAJ) September 13, 2021
Tsy hanao vaksiny ny zanak'olo-mpianadahy amiko any Trinidad satria lasa malemy filahiana ny namany nanao izany. Nanjary nivonto ny vihy. Herinandro vitsy tsy hanambadiana ilay namany, ankehitriny, nanafoana ny fanambadiana ilay tovovavy. Ka mivavaha fotsiny momba izany & ataovy izay hahazoanao antoka fa mety aminao ny fanapahan-kevitra, tsy mampijaly.
Nanaraka ny sioka maro hafa izay niresaka vaksiny COVID-19, anisan'izany ny iray izay nambaran'i Minaj fa tsy handray anjara amin'ny Met Gala izy satria miankina amin'ny fanaovam-baksiny ny fanatrehana ary tsapany fa mbola tsy mbola nanao “fikarohana ampy” momba ny safidy vaksiny izy
Rehefa niresaka momba ity tantara ity ny fampahalalam-baovao mahazatra, dia nilaza i Minaj fa diso ny tatitra momba ny fanehoan-keviny mikasika ny Met, manondro ireo sioka vitsy hafa nalefany, izay nanomezany hevitra fa tokony hanao vaksiny ny olona, miantso izany ho “fenitra” ka mahavita tsara kokoa miady amin'ny viriosy ny olona vita vaksiny.
Na dia nanome tsiny an'i Minaj aza ilay mpanadihady amin'ny fahitalavitra liberaly Joy Reid noho ny fampiasàny ny sehatra Twitter ahitana mpanaraka 22 tapitrisa mahery mba hanelezana fandisoam-baovao, ny sasany kosa niantso ny tsy fetezana ankapobeny ho “topi-maso tsy fahita […] amin'ny fomba famadihan'ny gazety ny marina”, manohana ny tehak'i Minaj fa “nanaparitaka fitantarana diso momba ny vehivavy mainty hoditra [namana] iray” i Reid. Ny hafa kosa nilaza fa mihatsaravelatsihy ny fiteny masiaka an'i Reid , raha jerena fa izy tenany ihany no namafy ny tsy fitokisana vaksinin'ny COVID-19 tamin'ny taona 2020 satria novolavolaina teo ambany fiahian'ny fitondrana Trump izany.
Amanda Carpenter nisioka tamin'ny fomba manevateva:
Nikki Minaj may not be at The Met tonight but now she is *this close* to being invited to perform at Donald Trump’s reinstatement ceremony so there’s that.
— Amanda Carpenter (@amandacarpenter) September 14, 2021
Mety hoe tsy tany amin'ny The Met i Nikki Minaj tamin'ny alina saingy izy no *ity akaiky ity* nasaina hanao fampisehoana fametrahana indray an'i Donald Trump ka izay izany
Tezitra mafy avy eo ny media sosialy. Namaly an'i Minaj ilay mpanoratra ao amin'ny New York Times be mpividy indrindra, Kurt Eichenwald:
Sorry, this is not a side effect of the vaccine. It is called hydrocele. In adults, the two primary causes are injury or STD (chlamydia or gonorrhea). Probably your cousin's friend was taking one last marriage fling, picked up an STD, & is blaming vaccines. He needs an MD, stat.
— Kurt Eichenwald (@kurteichenwald) September 13, 2021
Miala tsiny, tsy izany no voka-dratsin'ny vaksiny. Antsoina hoe hydrocele izany. Ho an'ny olon-dehibe, ny antony roa voalohany dia ny ratra na STD (chlamydia or gonorrhea). Angamba mety nanao ditra mariazy farany ny naman'ny anadahinao ka tratran'ny STD, & ary manome tsiny ny vaksiny. Mila MD, stat izy
Namaly ny mpankafy taloha iray hoe:
Reported for misinformation and unfollowed. I loved you and your music, this is so very disappointing and dangerous
— Stefanie Iris Weiss ? (@EcoSexuality) September 13, 2021
Tsikaritra ho nanao fandisoam-baovao ary nialana. Nitia anao sy ny mozika anao aho, tena mandiso fanantenana sy mampidi-doza izany
Tamin'ny lahatsoratra iray tsy misy fitsarana, Dr. Raven the Science Maven namerina nanoratra rap izay nanazavany ny tena fomba fiasan'ny vaksiny:
Nicki, I made this rap about the vaccine last fall! It talks about the immune system and some of the things that happen with your immune system after u get a vaccine ❤️ happy to talk more about it with you. My space is always judgement free! ❤️? much luv pic.twitter.com/ElFayiCAwd
— Dr. Raven the Science Maven (@ravenscimaven) September 13, 2021
Nicki, nataoko ity rap momba ny vaksiny ity tamin'ny mihintsan-dravina farany! Miresaka momba ny hery fiarovan'ny vatana sy ny zavatra sasany mitranga ao amin'ny hery fiarovanao aorian'ny fanaovam-baksiny ❤️ faly miresaka bebe kokoa momba izany aminao. Tsy ahitana fitsaratsarana foana ny sehatro! ❤️? am-pitiavana be
Raha nanohana ny fijerin'i Minaj ny sasany, ny ankamaroan'ny mpampiasa media sosialy kosa tsy vonona handefitra amin'ny fahadisoan'i Minaj:
Nicki gurl DELETE THIS RIGHT NOW before people DIE from being affaid of this MADE UP BULLSHIT FAKE TWEET!?This is shameful fear mongering & you have No PROOF it wasn't an STD. We’ve got millions of Dead people, we find a cure vaccine, & now you’re encouraging more people to DIE
— Daniel Newmaη (@DanielNewman) September 14, 2021
FAFAO ITY AVY HATRANY ry Nicki gurl alohan'ny HAHAFATESAN'NY olona noho ny tahotr’ ITY SIOKA FAIKANY ITY! ?Tena mahamenatra mampatahotra ity & TSY manana POROFO ianao fa tsy STD ilay izy. Olona an-tapitrisany no Maty eto amintsika, nahita vaksiny fanefitra isika, ary ankehitriny mamporisika olona maro ho FATY ianao
You understand that because of your celebrity status, your words have weight. Regardless of the fact that you have NO evidence connecting this person’s medical issues to the vaccine, people who are already hesitant (due to misinformation) will choose to not get vaccinated.
— Pale Blue Momma ???️? (@PaleBlueMomma) September 15, 2021
Fantatrao fa amin'ny maha olo-malaza anao, manan-danja ny teninao. Na inona na inona zava-misy fa TSY manana porofo mampifandray ny olana ara-pitsaboanan'ilay olona amin'ity vaksiny ity ianao, hisafidy ny tsy hanao vaksiny ny olona izay efa misalasala (noho ny fampahalalana diso).
Nanohitra ny filazana ity kintana ity ho manohitra ny vakisiny (anti-vaxxer) ilay mpanao hatsikana Trevor Noa, raha niaiky fa, ho an'ny ankamaroan'ireo mpanjohy an'i Minaj, “io sioka momba ilay boribory mivonto […] io no hokarohin'izy ireo,” satria nilaza izy fa “tsy azony antoka ary mety ho resy lahatra izy “:
If you take Nicki at her word—or anyone who wants more information for that matter—instead of crucifying them to prove how righteous we are, let's show them the research. […]
The good news is that a lot of research has already been done on these vaccines and that research has shown they are overwhelming safe and effective, and their side effects don't come close to the damage that COVID can do to you.
Raha mandray an'i Nicki amin'ny teniny ianao — na izay olona maniry vaovao bebe kokoa momba io raharaha io — mba tsy hanombohona azy ireo hanaporofoana ny maha-marina antsika, ndeha asehontsika azy ireo ny fikarohana. […]
Ny vaovao tsara dia efa misy ny fikarohana maro momba ireo vaksiny ireo ary nampiseho ny fikarohana fa tena azo antoka sy mandaitra izy ireo, ary tsy manakaiky ny fahasimbana ateraky ny COVID aminao ny voka-dratsin'izy ireo.
Na izany aza, tsy nahazo an'izany ireo mpiserasera sasany:
nikki minaj right now pic.twitter.com/6KKmHmoVQW
— CRT Repairman (@t0ussaint) September 13, 2021
nikki minaj amin'izao fotoana izao
Nikki Minaj has altered her appearance by getting breast implants, Brazillian butt lift where fat was injected into her ass and multiple other surgeries but she won't get vaccinated against covid-19 becauseshe claims she needs to do her own research. GTFOH! pic.twitter.com/472l8y00da
— SistahAsali?? (@SistahAsali) September 14, 2021
Nanova ny fisehoany i Nikki Minaj tamin'ny alàlan'ny fanangezàna nono, fe Breziliana izay notsindromina ny tavy tao amin'ny fitombenany ary koa fandidiana maro hafa saingy tsy hatao vaksiny izy satria nilaza izy fa mila manao fikarohana manokana. GTFOH!
Nitaraina i Dr. Stella Safo:
Nikki Minaj is on here (purposefully/inadvertently???) sharing misinfo about the vaccine and I’m just so sad for the people who are gonna be harmed from this mess. With 1000+ ppl dying daily from COVID.
I wish, with all my heart, that celebrities used their power responsibly.
— Stella Safo, MD MPH (@AmmahStarr) September 14, 2021
Eto i Nikki Minaj dia manao (fanahy iniana/tsy fanahy iniana ???) mizara vaovao diso momba ny vaksiny ary malahelo be aho ho an'ireo olona ho voadona amin'ity korontana ity. Manoloana ny olona 1000 mahery maty isan'andro noho ny COVID.
Maniry aho, amin'ny foko rehetra, fa hampiasa ny herin'izy ireo amim-pahamendrehana ireo olo-malaza.
Mpisera amin'ny media sosialy maro namaly ny sioka mampiady hevitra tamin'ny fomba tsapan'izy ireo ny tokony handraisana izany— amin'ny hatsikana:
Darling Nikki
Nikki Minaj has become an unlikely right-wing hero. Will they still like her when she starts to grind?
by Maureen DOwd
— New York Times Pitchbot (@DougJBalloon) September 14, 2021
Nikki Malala
Lasa olo-mahery elatra ankavanana i Nikki Minaj. Mbola ho tian'izy ireo ve izy rehefa hanomboka hitoto?
avy amin'i Maureen DOwd
Kinda funny that the Met Gala was both a ball held for charity AND a ball for fancy dress, but the balls held by Nikki Minaj's cousin are the ones Twitter likes best. pic.twitter.com/kbJWUAmeGA
— Josh. Dobbin (@dobbin_joshua) September 14, 2021
Somary mampihomehy fa baolina natokana ho an'ny fiantrana ARY baolina hanaovana akanjo mirendrarendra ny Met Gala, saingy ny baolina (vihy) notazomin'ny zanak'olo-mpiray tam-po amin'i Nikki Minaj no tena tian'ny Twitter.
Nisy ireo vitsivitsy nahatsiaro ireo mijaly ny fiantraikany ihany koa:
How does he say this with a straight face? https://t.co/kdC0bCumKh
— David Pakman (@dpakman) September 15, 2021
Ahoana no fomba ilazany izany mifanatrika mahitsy?
I would make fun of Nikki Minaj's cousin's friend, but I feel like that's low-hanging fruit.
— JS “The Pumpkin Spice Must Flow” Carter Gilson (@JSCarterGilson) September 13, 2021
Hihomehy ny naman'ny zanak'olo-mpiray tam-po amin'i Nikki Minaj aho, saingy tsapako ho toy ny voankazo mora takatra io.
Just remember that there are always people having a worse day than you…
like Nikki Minaj’s publicist.
— Brienne of Snark?️? (@BrienneOfSnark_) September 14, 2021
Tadidio fotsiny fa misy foana ny olona manana andro ratsy kokoa noho ianao…
tahaka ny mpanao dokambarotra ho an'i Nikki Minaj.
Mandritra izany, toa sahiran-tsaina ny ankamaroan'ny mpiserasera Trinidadiana:
That's the thing that is KILLING me about all of this.
I keep thinking “we're actually a pretty nice country, but we only show up in the global news for the most bullshit reasons” and then it hits me
— Robert Martinez (@elrobbb) September 15, 2021
Izany no zavatra MAMONO ahy amin'izany rehetra izany.
Mieritreritra foana aho fa “firenena tena mahafinaritra isika, saingy tsy miseho amin'ny vaovao manerantany afa-tsy amin'ny antony mahatsikaiky indrindra isika” ary mahasosotra ahy izany
Tao amin'ny Facebook, Nyssa Pierre nanoratra hoe:
There are NO WORDS to describe how I wish Onika [Minaj's birth name] would just leave we good name out she mouth. Every single time Ms Starships mentions us is an embarrassment.
TSY MISY TENY hamaritana ny fomba haniriko an'i Onika [anarana nahaterahan'i Minaj] mba hamela anarana tsara ho antsika lazain'ny vavany. Mahasadaikatra ny indray mandeha ilazan'i Ms Starship antsika.
… raha anisan'ireo nanamarika ny tenan'izy ireo fa voaaro amin'ny tranga kosa i Dave V Surajdeen:

Fanavaozana satan'ny Facebook nataon'i Dave V Surajdeen, izay mivaky hoe, ‘Voamarika fa voaaro amin'ny baolinan'ny (vihy) naman'ny anadahy tsy mpiray tam-po amin'i Nicki Minaj.’ Sary niparitaka tamin'ny media sosialy.
Kyle Griffin namehy ny adihevitra tamin'ny fehezanteny iray, izay novalian'ilay namana mpisera Twitter Cali hoe:
Well go educate her nicely. Shes ASKING. Instead of jumping on the lets drag her bandwagon. This is the perfect stage to do it.
— Cali (@CALiSFYNEST) September 13, 2021
Eny, andeha ampianaro tsara izy. Hoy izy MANONTANY. Raha tokony hiditra amin'ny resany. Ity no dingana tsara hanaovana azy.