- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tranokalam-baovao ao Kazakhstan voarahona rehefa namoaka tantaram-panararaotana zaza tsy ampy taona

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Kazakhstan, Fahalalahàna miteny, Fanabeazana, Fanampenam-bava, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

 

Pikantsary avy amin'ny horonantsarin'ny The Village ao amin'ny YouTube [1] mampiseho ny reniben'ilay zazalahy avy ao amin'ny tanànakely atsimon'i Abai, izay nanameloka ny herisetra natao tamin'ny zafikeliny, nilaza fa “tsy zakany intsony izany”.

Natsangana tamin'ny taona 2017 ny The Village [2], mpamoaka vaovao amin'ny Aterineto malaza any Kazakhstan, nikendrena indrindra ireo mpamaky avy any Almaty, tanàna be mponina indrindra ao amin'ny firenena. Vetivety dia nivadika ho feon'ny asa fanaovan-gazety tsy miankina izy io, nisarika ny sain'ireo izay tsy tia mpanao gazety manao fikarohana amin'ny raharaha goavana.

Taorian'ny nanoratan'ilay mpanao gazety Assem Zhapisheva ny tohin'ny tantara [3] mampalahelo momba ny fanolanana zaza efa nalaza tamin'ny taona 2018 – nahavariana fa nahatratra mpamaky miisa 40000 tao anatin'ny 24 ora monja ity lahatsoratra lava ity tao Kazakhstan – dia nanomboka nahazo antso fandrahonana an-tariby izy, voalaza fa avy amin'ny mpiasam-panjakana. Novonoin'i Zhapisheva avy hatrany ny findainy [4] ary niantso ny manam-pahefana izy mba hanao fanadihadiana, raha nanoratra fitarainana ampahibemaso tao amin'ny fantsona Telegram [5] izay azy ireo kosa ny The Village ny 1 Septambra:

Мы вынуждены сообщить, что прямо сейчас на нашу редакцию совершается атака неустановленных лиц, представляющихся различными ведомствами с требованием удалить статью.

Мы требуем прекратить давление на независимых журналистов. Мы не намерены удалять опубликованный материал.

Этим лицам же советуем решать проблемы в стране, а не пытаться заткнуть журналистов.

Mampahafantatra anareo izahay fa misy olona tsy fantatra, izay milaza ny tenany ho tompon'andraikitra amin'ny fanjakana, manafika anay, mitaky ny hanesoranay ilay lahatsoratra amin'ny tranonkalanay.

Takianay ny hampitsaharan'izy ireo ny faneriterena atao amin'ny mpanao gazety tsy miankina. Tsy mikasa ny hanaisotra ny lahatsoratray izahay.

Manoro hevitra izahay mba [hiezahan'izy ireo] hamaha ireo olana eto amin'ny firenena fa tsy hikasa ny hanampim-bava ny mpanao gazety.

Nandefa naoty [6] ny ampitson'iny ny Minisiteran'ny Serasera, nilaza fa nisy solontenany tokoa niantso ny biraon'ny famoahana ao amin'ny The Village, fa saingy “nanome fanampiana fotsiny ihany mikasika ny maha marina ilay vaovao voalaza”, fa tsy nanery ireo mpanao gazety ao aminy.

Ora vitsy taty aoriana, nanamarika tao amin'ny ranty Facebook [7] ny Mediatoran'ny Ankizy ao amin'ny firenena, Aruzhan Sain, fa diso tamin'ny filazana ny lahatsoratr'i Zhapisheva fa mbola mipetraka ao amin'ny tanànakely Abai ilay zaza, kanefa efa nifindra [8] toerana niaraka tamin'ny reniny efa taona maro lasa izay. Tamin'ny taona 2018, nandritra ny enim-bolana no naolan'ireo zazalahy be taona kokoa noho izy tao amin'ny tanànakelin'i Abai, atsimon'ny firenena io zaza io.

Nanaovan'i Erden Zikibay [9], mpanakanto iray avy any an-toerana, fandravahana iray nampifanandrify tamin'ny vakoka taom-bolamenan'ilay poeta Abai [10] tany amin'ny taonjato faha-19 misarim-bolamena, ny zava-misy mampalahelo any ambanivohitra Kazakhstan tamin'ny fitondran'ny filoha tamin'izany fotoana Nursultan Nazarbayev [11], izay nahitana tsy fanasaziana ireo herisetra sy fanolanana.

View this post on Instagram

A post shared by Erden Zäwreulı Zikibay (@zikibay) [12]

Niezaka ny nanafina ny tantara hatramin'ny farany izay azony natao ireo mponina ao an-toerana—ao anatin'izany ny ray aman-drenin'ilay niharam-boina, ary koa ireo talen'ny sekoly sy ny tompon'andraikitra ao amin'ilay tanànakely, mandra-pahatongan'ny reniben'ilay zazalahy nisarika ny sain'ilay mpanao gazety Amangeldy Batyrbekov [13].

Nampiseho ny marina momba ny fanararaotana, nampiharihary ny fiarahamonina iray izay te hanome tsiny ny niharam-boina ary mandefitra amin'ny hetraketraka ny tatitr'i Batyrbekov. Any Kazakhstan, heverina ho tsara kokoa ny manafina zavatra ‘mahamenatra’ toy ny fanolanana noho ny fanamelohana izany sy milaza izany ampahibemaso. Na dia nalaza tamin'ny lohatenim-baovao nasionaly aza ny raharaha dia tsy nisy olona voasazy noho izany heloka izany.

Fa i Batyrbekov indray no nahazo fandrahonana tamin'ny famoahana ilay lahatsoratra ary nomelohina ho nanao fanalam-baraka [14] ny niafarany tamin'ny taona 2019, taorian'ny tatitra izay nanambara trangana kolikoly teo amin'ny sehatry ny fanabeazana. Niova ny saziny voalohany roa taona sy telo volana an-tranomaizina rehefa nampakarina ny raharaha, ary noafahana [15] izy rehefa avy nigadra efa-bolana.

Tsy maningana ny raharaha Batyrbekov. Ny volana Jona, namoaka tatitra ny mpanara-maso ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety Adil Soz [16] momba ny fandrahonana ho faty [17] natao tamin'ny lehibe toniandahatsoratr'i Ak Zhaiyk, Azamat Maitanov sy ny ekipany. Gazety malaza any amin'ny faritra Atyrau ny Ak Zhaiyk ary iray amin'ireo feo mahaleotena vitsivitsy any andrefan'i Kazakhstan.

Mpamoaka vaovao mpanakiana mahaleotena iray hafa, Uralskaya Nedelya [18], no lasibatry ny fanorisorenana nandritra ny taona maro. Imbetsaka ny lehiben'ny toniandahatsoratra ao aminy, Lukpan Akhmediyarov, no nisedra fandrahonana [19] sy ny faneren'ny polisy [20] noho ny tantara navoakan'ilay gazety.

Raha ny filazan'ny mpanara-mason'ny fampitam-baovao ao amin'ny Reporters Sans Frontières, i Kazakhstan dia anisan'ireo firenena ratsy indrindra [21] amin'ny resaka fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety. Volana vitsy lasa izay, ny tetikasa Pegasus, fanadihadiana momba ireo antontan-taratasy tafaporitsaka, no nampiseho ny nanaovana ho lasibatra ireo mpanao gazety marobe [22] tamina rindrambaiko fitsikilovana avy amin'ny sampan-draharahan'ny fiarovana ao amin'ny firenena.

Mbola mitohy ny fisedran'ireo mpanao gazety any Kazakhstan ny tsindry [23] avy amin'ny manampahefana sy ny sangany ao an-toerana [24] na io amin'ny alàlan'ny fanorisorenana, na fandrahonana na herisetra mivantana.