- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fandrodanana ny fanjakazakan-dehilahy: Maneho hevitra amin'ny alàlan'ny TikTok ireo transfeminista sy ny Boliviana sady tsy lahy no vavy 

Sokajy: Amerika Latina, Bolivia, Fanabeazana, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Vehivavy sy Miralenta, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT), Rising Voices

 

Montaje de La Pesada Subversiva

Ny Muy Waso [1] no namoaka voalohany ity lahatsoratra ity, ary nahitsy sy naverin'ny Global Voices navoaka.

Mikarakara ny hetsika anjotra antsoina hoe “Se va a caer,” adika amin'ny fomba tsotra hoe “Hirodana io”, izay miresaka momba ny rafitra anjakazakan-dehilahy ny vondrona transfeminista avy ao an-tanàndehiben'i Santa Cruz any Bolivia, La Pesada Subversiva [2]. Tanjon'izy ireo ny hampiasa ny tambajotra sosialy, indrindra ny TikTok [3], hanomezana fahitana bebe kokoa momba ireo olona niova fananahana sy ny sady tsy lahy no vavy, ary ihany koa ireo olona milaza ho travesti [4]ao Bolivia.

Ny hetsika dia andiana fijoroana ho vavolombelona ataon'ireo transfeminista sy ny mpanohitra ara-pananahana mikasika ny olana maro isankarazany, ao anatin'izany ny fanalan-jaza, ny fivarotan-tena, ny fisiana ara-batana, ny heloka bevavan'ny fankahalana ary ny tolon'ny niova fananahana. Manondro fiarahamonina miasa miaraka amin'ny kaodin'ny fanjakazakan-dehilahy [5] sy ny fanajana ny mahalahy sy ny mahavavy mahazatra [6] ny “Hirodana io”.

Nisy fanafihana [7] miisa 60 natao tamin'ny vondrom-piarahamonina LGBTQI + tany Bolivia tamin'ny taona 2020 ary tombanana ho iray amin'ny fanafihana miisa folo ihany no misy mitatitra [8], noho ny tahotra fanavakavahana. Raha namoaka lalàna [9] momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy i Bolivia tamin'ny taona 2016, dia mbola sarotra [10] ny manaiky ny fanambadian'ny samy lahy na samy vavy. Nahitana ny fanadihadiana natao tamin'ny taona 2016 fa ny 65 isanjaton'ireo [11] namaly no nihevitra fa “tokony hihatra amin'ny olona rehetra ny zon'olombelona, na iza na iza manintona azy ireo na inona na inona fironany ara-pananahana”.

Manantena ny “hanenika” ny habaka an-tserasera ny La Pesada Subversiva amin'ny votoaty fitakiana manohitra ny fanjakan-dehilahy avy amin'ny feon'ireo mpandray anjara fototra. Hatreto, manam-bahiny izy ireo toa ilay mpikatroka indizeny niova fananahana Vanina Lobo [12] sy ilay mpikatroka ny zon'olombelona sady mpivarontena Catalina Parada [13].

Amin'ity horonantsary manaraka ity, manazava i Vanina Lobo momba ny tolona atao amin'ny fankatoavana ny lalànan'ny mari-panondroana any Bolivia sy izay mbola tokony hatao mikasika ny zon'olombelon'ireo vondrom-piarahamonina.

@lapesadasubversiva [14]2da parte del diálogo junto a la querida Vanina Lobo, activista ##Trans [15] de ##Bolivia [16] ##LGBTIQ [17] ##Feminismo [18] ##8M [19] ##Diversidad [20] ##Justicia [21]♬ sonido original – La Pesada Subversiva [22]

Nahoana no TikTok?

“TikTok no sehatra media sosialy tonga lafatra handrisihana ny fampieritreretana, misy tanora maro sy olona isankarazany marobe vonona hiady hevitra sy hifampiresaka momba ny horonantsary izay tsy maharitra iray minitra akory,” hoy i Chris Egüez, mpikatroka mpisintaka ara-pananahana.

Ho an'i Chris, misy ny hirika lehibe handrisihana ny fanovana ny fiarahamonina amin'ny alàlan'ireto sehatra ireto. “Raha mahatakatra ny zava-drehetra amin'izay rehetra tianay holazaina ianao ao anatin'io fotoana io dia afaka miadihevitra sy mahatakatra ny hevitry ny hafa ianao.”

Ny tsy hamelana ny fomba fijery feminista ho tavela amin'ny fampiasana ny sehatra ankihy vaovao no tanjon'ny La Pesada Subversiva. Tian'izy ireo ihany koa ny tsy hanjakan'ny tantaran'ny herisetra fotsiny ao amin'ny tambajotra sosialy.

Amin'ity horonantsary manaraka ity, mamakafaka ny fomba hampaharetan'ny media nentim-paharazana Boliviana ny adihevitra momba ny fanovana fananahana i Chris Egüez rehefa tsy eken'izy ireo ny mari-panondroan'ireo olona niova fananahana ireo.

@lapesadasubversiva [14]Periodismo patriarcal ##Bolivia [16] ##Feminismos [23] ##Orgullo [24] ##SeVaACaer [25] ##Justicia [21] ##Lucha [26] ##LGBTIQ [17] ##Trans [15] comenta @chriseguez♬ sonido original – La Pesada Subversiva [27]

Fitaovana vaovao amin'ny tolona tranainy

“Tsy maintsy mandeha any amin'izay alehan'ny olon-kafa rehetra izahay. Ao amin'ny TikTok ankehitriny ny tanora ary mikasa ny hanamafy ny feonay ao amin'izany toerana izany izahay,” hoy i Alejandra Menacho, feminista sady mpampita hafatra amin'ny haino aman-jery.

Ohatra, amin'ity horonantsary TikTok manaraka ity, misy renibeny iray miresaka momba ny fanekeny sy ny fitiavany ny zafikeliny sy ny zanany vavy, izay ao anatin'ity fahasamihafana ara-pananahana ity.

@lapesadasubversiva [14]Madre y abuela que apoya la diversidad ##pridemonth?️‍? [28] ##LGBTIQ [17] ##Diversidad [20] ##Bolivia [16] ##Feminismos [23] ##Orgullo [24] ##SeVaACaer [25] ##Justicia [21] ##Lucha [26] ##Amor [29]♬ sonido original – La Pesada Subversiva [30]

Ho an'i Menacho, tsy safidy ny hijanona ety ivelany sy tsy ho ao anatin'ny fahazoana tombony amin'ireo teknolojia vaovao. “Manome antsika fitaovana marobe hitazonana hatrany ny habaka amin'ny fomba famoronana ity tambajotra sosialy ity, nefa sady tsy mamela ny tolona sy ny olantsika,” hoy i Menacho nanampy.

Ao anatin'ny valan'aretina, min'ny fotoana betsaka kokoa lany anjotra sy ny fandrosoan'ny adihevitra momba ny fampahafantarana ny fanilihana mari-panondroana dia mikasa ny ho toerana hanehoan-kevitra ho an'ny olona niova fananahana sy ny olona sady tsy lahy no vavy ny andia “Se va a caer”.

Tohanan'ny famatsiam-bola sy ny kaonty Tiktok antsoina hoe @lapesadasubversiva [3] ity hetsika ity.