- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpanao hetsipanoherana ny fanaovana vaksiny, nanao bemidina tao amin'ny haino-vaky-jerim-panjakana, nandrahona mpanao gazety

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Slovenia, Fahalalahàna miteny, Fahasalamàna, Fanoherana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, COVID-19, GV Mpisolovava
[1]

Foiben-toeran'ny RTV Slovenia ao Ljubljana. Sary [2] an'ny mpampiasa Wikipedia, Mateus2019, CC BY 3.0 de [3].

Ny harivan'ny Zoma teo, nanao bemidina tao amin'ny efitrano fiasan'ny haino-vaky-jerim-panjakana (RTV) ao Slôvenia ny andiany iray ahitàna ireo mpanao hetsipanoherana mandà ny fisian'ny COVID-19 sy manohitra ireo fepetra ara-pahasalamana fisorohana valanaretina ary ny fanaovana vaksiny, nitaky fanomezam-pitenenana hanolorany ny fomba fijerin-dry zareo.

Nanodidina ny tamin'ny 8:30 mn alina no nisehoan'izany ny 3 Septambra teo, rehefa niditra tao amin'ny efitrano fampiasa hamokarana ny vaovao ireo mpanao hetsipanoherana manohitra ny fanaovana vaksiny ary nanomboka naniratsira ireo mpanao gazety. Tsy maintsy nirotsaka an-tsehatra nanàla ireo mpitsofotsofo-poana ny pôlisy.

Nizara lahatsary iray ny mpanao gazety, Barbara Vidmajer, mampiseho ilay tranga sy ny firotsahan'ny pôlisy, tao anaty bitsika iray izay lasa niely fatratra.

Fitsofotsofoham-poana nataon'ireo “Antivaxxer” tao amin'ny efitrano filazambaovao isanandro. #AttackOnRTV

Efa herinandro maro ilay vondrona nanao bemidina tao amin'ny efitranon'ny haino-vaky-jerim-panjakana Slôveniàna no nanao hetsipanoherana teo anoloan'ilay tranobe. Talohan'ilay tranga, tsy nisy herisetra ireny hetsipanoherana ireny, saingy noraisin'izy ireo ny hanihany/ famingavingàn'ireo mpanao gazety mandalo eo.

Ilay mpanolotra fandaharana amin'ny TV, Tanja Staric, nilaza [7] tamin'ny N1 fa efa am-bolana maro ry zareo no nampitandrina ny manampahefana hoe lasa tsy zaka intsony ilay toedraharaha, saingy tsy nisy nanao na inona na inona na iray aza hatramin'ny nipoahan'ilay tranga.

Farany, nalàn'ny pôlisy ireo mpanao hetsipanoherana nisy teo amin'ny 20 teo, izay tsy nanao arotava, hoy ny tatitry ny  [8]bne Intellinews.

Nantsoin'ny [9] RTV Slovenia ireo manampahefana mba hiaro azy ireo tsy hiharan'ny herisetra bebe kokoa.

Fa iza moa ireo mpanao hetsipanoherana?

Nilaza ireo mpanafika fa izany Hetsiky ny Vahoaka Tonga Saina ao Slôvenia izany na OPS no anaran-dry zareo. Ny pejy Facebook-ndry zareo Gibanje OPS (Osveščeni Prebivalci Slovenije) [10] dia misoratra ao anatin'ny lisitry ny “orinas ao an-toerana” ary misy mpankafy manodidina ny 24.000 eo ho eo, sy mpanjohy manakaiky ny 30.000. Ao amin'ny faritra misy ny mombamomba ilay pejy, manoritra ny tenany ho “fikambanana sivika tsy miankina, vonona ary matanjaka” miketrika “fandaharanasa ho fampiraisam-pirenena” mifototra amin'ny “fanafahana, fanadiovana ary ny fahateraham-baovaon'i Slôvenia!”

Ladislav Troha [11]

Ladislav Troha [12] tamin'ny  2020. Sary [13] an'ny mpampiasa Wikipedia, Hladnikm, CC BY-SA 4.0 [14].

Ladislav Troha no filohan'ny OPS, faritana ho toy ny “mpitarika ny fiankohofan'ireo mpandà ny coronavirus” ao anatin'ny mombamomba azy [15] navoakan'ny 24ur.com andro iray taorian'ilay tranga. Voatanisa ao ny isan'ireo andrana nataony hisarihana ny sain'ny vahoaka, ka isan'izany ny nandritra ny efa ho volana roa tamin'ny 2014 nanaovany fitokonana tsy hisakafo teo anoloan'ny biraon'ny governemanta.

Tamin'ny 2001, nilaza i  Troha fa nisy olona tsy fantatra naka azy an-keriny nandritra ny efatra volana. Tsy afaka nanamafy ny voalazany ny fanadihadiana nataon'ny pîolisy slôvenina natao taty aorian'io, ary niafara tamin'ny fiampangàna azy ho nametraka tatitra sandoka tany amin'ny pôlisy. Taty aoriana, navotsotry ny fitsaràna izy noho y tsy fahampian'ny porofo.

Tany aloha, efa nitàna toerana manamboninahitra tao amin'ny tafika slôvenina i  Troha, nahazo ny laharana major.  Talohan'ilay lazaina fa fanjavonany tamin'ny 2001, afaka tamin'ny fanenjehana azy izy taorian'ny nanelezany imasom-bahoaka ireo filazàna diso hoe noho ny fangatahan'ny minisitry ny fiarovana tamin'izany fotoana izany, Janez Janša [16], tamin'ny  1993, dia nisy manamboninahitra hafa nametraka zava-mipoaka mba hamonoana mpanao pôlitika.

Taty aoriana i Janša—izay mitàna ny toeran'ny praiminisitra ao Slôvenia ankehitriny— dia nitory an'i Troha ho nanala baràka [17] ary nandresy teny amin'ny fitsaràna, nitentina iray tapitrisa tolars [18] na manodidina ny 5.000 dolara.

Tamin'ny 2008, nirotsaka ho ao amin'ny parlemanta i Troha, ary tamin'ny fifidianana ho filoha tamin'ny 2012, saingy tsy lany.

Ny tena zavamisy momba ny  COVID-19 ao Slôvenia

Ny angondrakitra misokatra natolotry ny tetikasa tsy miankina COVID-19 Trakker Slovenia [19] dia mampiseho fa 4.456 ireo olompirenena Slôveniàna no matin'ny COVID-19 hatramin'ny 6 Septambra 20221.

Angoniny, hadihadiany ary avoakan'ilay fitsongoana dia ireo angondrakitra momba ny fiparitahan'ny viriosy SARS-CoV-2 mba hahafahana manome ho an'ny vahoaka ny topimaso tsara indrindra mahakasika ny halehiben'ny olana sy ny tombana mifanaraka amin'ny tokony ho izy momba ny loza mitatao.

[20]

Ny angondrakitra amin'izao fotoana izao momba ny COVID-19 ao Slôvenia, mampiseho fa ireo marary tsy nanao vaksiny no tena manome ny isa be indrindra amin'ireo tranga voamarina. Tarehimarika [21] avy amin'ny COVID-19 Trakker Slovenia, nahazoana alàlana.

Amin'ny mponina miisa 2 tapitrisa, 270.000 eo ho eo ny tranga voamarina ao amin'ny firenena. Manodidina ny 43 isanjato amin'ireo olompirenena slôveniàna no efa vita vaksiny, izay nampidina ny isan'ny taham-pahafatesana tato anatin'ny volana vitsy farany.

[22]

Vladimir Kesma Nešković, sary natolony am-pitiavana, nahazoana alàlana ny fampiasàna azy.

Tao anaty fanambaràna iray ho an'ny Global Voices, naneho ny ahiahiny i Vladimir Kesma Nešković, mpamokatra rindrambaiko no sady mpikatroka, mpikambana iray ao amin'ny ekipa COVID-19 Trakker Slovenia:

Amin'izao fotoana izao i Slôvenia dia ao anatin'ny tapany ambany amin'ny lisitry ny taha fanaovam-baksinin'ireo firenena mpikambana ao anatin'ny Fiombonambe Eorôpeàna [23] ho an'ireo vondron'olona tena marefo. Hatreto ny taham-pahafatesana dia ambany, saingy nitombo ny isan'ireo tranga vaovao tato anatin'ny andro vitsy farany. Ampoizina ny mety hitarihan'izany mankany amin'ny fahatotoran'ny hôpitaly, izay avy eo mety hiafara avy hatrany amin'ny fiakaran'ny isan'ny maty noho ny tsy fahampian'ny fikarakaràna ara-pahasalamàna ho an'ireo rehetra mila izany.