- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manamboninahitry ny polisy roa nasandratr'i Hong Kong hitarika ny governemanta

Sokajy: Azia Atsinanana, Hong Kong (Shina), Shina, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona
[1]

Ankavanana miankavia: John Lee, Carrie Lam ary Chris Tang. Sary avy amin'ny Stand News.

Ny sekretera misahana ny fiarovana ao Hong Kong, John Lee, tomponandraikitra voalohany amin'ny fampiharana ny lalàna momba ny fiarovam-pirenena [2](NSL) hatramin'ny nandaniana azy io tamin'ny 30 Jona 2020, no nasondrotra [3] ho amin'ny toeran'ny Sekretera Jeneraly tamin'ny 25 Jona 2021 – andro iray taorian'ny nanakatonana ny Apple Daily News.

Napetraka handimby ny toeran'ny sekretera misahana ny fiarovana i Chris Tang , izay malaza amin'ny fihetsiny tsy milefitra manoloana an'ireo mpanao hetsipanoherana tamin'ny 2019, nanohitra ilay fanolorana olo-meloka mankany Shina, ary ny famongorana ireo mpanohitra ara-politika. Ny NSL, noteren'i Beijing hampiharina tamin'ny 2020, dia mamaritra amin'ny ambangovangony [4] ireo heloka bevava fanozongozonana fanjakàna, ny asa fampihorohoroana ary ny firaisana tsikombakomba amin'ny vahiny, izay nahafahan'ny antoko eo amin'ny fitondràna nanenjika mora foana ireo mpanohitra sy mpandàla ny demaokrasia.

Sambany izao [5] hatramin'ny 1997 nampitambarana an'i Hong Kong indray tamin'i Shina no nisy manamboninahitra fahiny tao amin'ny pôlisy notendrena ho amin'ny toeran'ny sekretera jeneraly, ny mpiasam-panjakana faharoa ambony indrindra ao Hong Kong izay mamolavola sy mampihatra ny pôlitikan'ny governemanta, manome torohevitra ho an'ny Lehiben'ny mpanatanteraka ary mitantana ny fifandraisan'ny governemanta amin'ny Filankevitra mpanao Lalàna. 

Efa fanao hatrizay ny hoe ny toeran'ny sekretera jeneraly dia atolotra ho an'izay mpiasam-panjakana miandraikitra fitantanana [6] ka voky traikefa tamina karazana toerana maro tanatina birao sy departemanta tao anaty governemanta. Fa mifanohitra amin'izay, i John Lee [7] dia niasa 35 taona tao amin'ny pôlisy mandra-pahatongan'ny 2012 nanendren'ny lehiben'ny mpanatanteraka taloha, Leung Chun-ying, azy hitazona ny biraon'ny sekretera misahana ny fiarovana.

Ka satria na i John Lee , na i Chris Tang dia samy heverina ho tsy milefitra amin'ny famongorana ireo mpanohitra, dia niomanan'ny sehatra mpomba ny demaokrasia ny ho fitohizan'ny pôlitika famoretana misy amin'izao fotoana izao. Catrina Ko, mpikatroka iray mpiaro zon'olombelona, naneho hevitra tao amin'ny Twitter:

Ary ho lasa fitondràna pôlisy mibaribary sy mahomby kokoa  i HK, noho izay efa hita ankehitriny. Ireo izay mamoritra amin-kerisetra sy amin'ny fomba miaramila ny fiarahamonina sivily mientanentana hatrany am-piandohany ao Hong Kong sy ireo tanoranay na antitra mpanao hetsipanoherana dia hifehy *araka ny lalàna*  sy hanery ny vahoaka. https://t.co/rCa8elpIf2 [8]

Rehefa nanontaniana momba ny fahitàny ireo fanehoankevitra milaza ny fivadihan'i Hong Kong ho fitondràna pôlisy, nanambara i Alice Mak, ilay mpanao lalàna mpiaradia amin'i Beijing, hoe tsy misy maharatsy ny maha-fitondràna pôlisy:

Milaza i Alice Mak , mpanao lalàna avy amin'ny federasiônan'ireo sendika fa: “Raha toa io ka fanjakàna pôlisy, maninona moa? Mihevitra aho fa tsy misy mihitsy ny olana amina maha-fanjakàna pôlisy.” Lazainy fa tsy rariny ny hitsaràna an'i John Lee sy Chris Tang noho ny fiainan-dry zareo tany aloha tany. https://t.co/yitVZOEfYL [10] pic.twitter.com/5aTfTPmNyK [11]

Taty aoriana dia nalàn'i Mak ireo fanehoankeviny ary i Stanley Ng, solontenan'i Hong Kong avy amin'ny Kaongresy Nasiônalim-Bahoaka, nanatsiny ilay mpanao gazety [13] nanainga ilay resaka, ho nitarika ny fijerin'ny vahoaka ho any amin'ny hadisoana. 

Ny fomba fiteny hoe  “fanjakana pôlisy” dia mamaritra fanjakana [14] iray izay itazonan'ny hery avy amin'ny pôlisy anjara toerana mavesa-danja any anatin'ireo andry samihafa ao anatin'ny governemanta [15] ary manafoana ireo fahalalahan'ny sivily. 

Lazain'ny tombana iray an'ny Human Rights Watch momba ny toerana misy ny zon'olombelona ao Hong Kong, taona iray taorian'ny nandaniana ilay Lalàna momba ny Fiarovam-Pirenena fa marobe ireo fahalalahana sivily no nopotehan'i [16] Shina:

Mamono tsy tapaka ny zo sivily sy ara-pôlitika nositrahan'ny vahoaka hatry ny ela i Beijing, isan'izany ny fahalalahana maneho hevitra, ny fikambanana, ny fivoriana am-pilaminana, ny fahafahana mahazo vaovao ary ny fahalalahana akademika. Tsy ananan'ireo olompirenena intsony ny zo handray anjara amina fifidianana tsy mitanila sy malalaka ary ny hirotsaka hofidiana. Nakaton'ireo manampahefana ireo media tsy miankina, notapahany ny famatsiambola an'ireo hetsika mpandàla ny demaokrasia ary sakanany tsy hisitraka ny zony hahazo fitsaràna tsy mitanila ireo olona voampanga ho nahavita heloka pôlitika. Mitatra be ny tsimatimanota amin'ny fanararaotam-pahefan'ny pôlisy.

Mary Hui, mpanao gazetin'ny Quartz, milaza fa miantehitra amin'ny herin'ny pôlisy i Beijing mba hampiharana ny vahohony— araka izany dia mamadika ilay tanàna ho toy ny Fanjakàna pôlisy. Ny fanehoana an-tsariny voalohany dia mampiseho ny fitomboan'ny fandaniana ho amin'ny fiarovam-pirenena tato anatin'ny taona roa farany: 

Mandritra izany fotoana izany, nanokanan'ny governemanta tetibola 8 lavitrisa dolara HK(1 lavitrisa dolara amerikàna) ny fiarovam-pirenena, nefa lazainy fa “tsiambaratelon'ady” ny resaka antsipirihan'ireo fandaniana. Ny lehiben'ny pôlisy no lehibe vaovao misahana ny fandriampahalemana. Mirehareha ny mpanao lalàna iray fa hoe lasa Fanjakàna pôlisy i HK ankehitriny. Resaka pôlisy daholo ny zavatra rehetra. Ambonin'ny zavatra rehetra ny fiarovam-pirenena.

Amin'ireo olona 61 voaheloka araka ny lalàna momba ny fiarovam-pirenena hatramin'ny 25 Jona 2021, iray ihany no tranga mahakasika herisetra, ny hafa rehetra dia mifandraika amin'ny resaka fanehoankevitra na fifidianana avokoa:

Sady azo volavolaina tsy misy fetra no manjavozavo daholo ny famaritana ny heloka vitan'ireo olona enjehana. Ny ‘Fanakorontanam-panjakana’ dia izay zavatra rehetra manohitra ny governemanta. Ny fanakianana governemanta dia afaka atao hoe ‘fikomiana.’  Ny lahatsoratra anaty gazety momba ireo sazy avy any ivelany dia afaka atao hoe ‘firaisana tsikombakomba amin'ny any ivelany.’ pic.twitter.com/HoHsoKTPv4 [19]

Hatreto, 47 ireo mpikatroka mpandàla demaokrasia no nohelohina ho manakorontana noho ny fandraisany anjara tamin'ireo fifidianana sava-ranonando tamin'ny Fifidianana Filankevitra Mpanao Lalàna tamin'ny 2020 [21]. Miovaova be ny resaka atao momba ireo vesatra, ohatra, misy ny tranga mahazo an'i  Tang Ying Kit [22] izay voaheloka tamin'ny 1 Jolay 2020, noho ny namoahany ilay tenifaneva “Afaho i Hong Kong, revôlisiônan'ny fotoana” ary vao haingana ny an'i Jimmy Lai izay nampangaina ho mifandray tendro amin'ny vahiny noho ny namoahany fanehoankevitra manohana ireo sazy avy any ivelany atao an'i Hong Kong. 

Nandray sidina ho any Beijing i  Carrie Lam, lehiben'ny mpanatanteraka, hankalaza ny faha-100 taonan'ny Antoko Kaominista Shinoa sy ny faha-24 taonan'ny namerenana an'i Hong Kong ho amin'i Shina ny 1 Jolay 2021, ka mametraka an'i John Lee ho amin'ny toerana vonjimaikan'ny Lehiben'ny Mpanatanteraka.

Benedict Rogers avy amin'ny Hong Kong Watch miorina ao Londona, dia mihorohoro amin'ny hoe mety ho lasa ny manampahefana ambony indrindra ao anatin'ny governemanta i John Lee — satria talohan'ny naha-lasa Lehiben'ny Mpanatanteraka an'i Carrie Lam, efa sekretera jeneraly ihany koa ramatoa iny:

John Lee “Lehibe vonjimaikan'ny mpanatanteraka”. Eritreritra mampivarahontsana. Fitondràna pôlisy manontolo i #HongKong [23] ankehitriny. https://t.co/y8gIhWjHkI [24]