- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nahazo sazy 18 taona an-tranomaizina ilay mpisera Facebook noho ny famazivaziana ny praiminisitra ao Kambodza

Sokajy: Azia Atsinanana, Kambodza, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona, GV Mpisolovava
[1]

Nanoratra tao amin'ny Facebook i Ny Nak fa hanambara “fanjakana latsaka an-katerena” ao amin'ny trano fiompiany akoho izy. Loharano: facebook

Voasazy [2] higadra 18 volana am-ponja ilay olom-pirenena Kambodziana Ny Nak noho ny lahatsorany Facebook manakiana ny praiminisitra Hun Sen.

Nilaza i Nak tamin'ny 7 Desambra 2020 fa nikasa hanambara “fanjakana latsaka an-katerena” ao amin'ny tranon'akohony izy – hita fa toa maka tahaka ny kabary [3] nataon'i Hun Sen tamin'io andro io ihany. Nosamborin'ny polisy izy tamin'ny 12 desambra ary voampanga ho nanao “fanevatevana” sy “famporisihana”. Nolavina ny famotsorana azy vonjimaika tamin'ny Janoary ary voasazy izy tamin'ny 19 Aogositra.

Mpandraharaha ara-pambolena i Nak izay matetika mandefa fanehoan-kevitra manakiana momba ny politikam-panjakana ao amin'ny pejiny malaza Facebook.

Raha natao hahatsikaiky ny lahatsoratry [4] Ny Nak, niteraka resabe mampiady hevitra izany. Ity misy ampahany [5] amin'ny zavatra nolazainy:

I have already prepared or drafted a letter and documents to request that my chickens be placed in a state of emergency due to the fact that the bird flu virus is spreading on the farm. I do not want to think about this because it is seriously damaging the economy of the chickens. I hope that all the chickens will be able to wear masks and sleep in cages. Do not go out unless necessary.

Efa nanomana sy nandrafitra taratasy sy antontan-taratasy aho mba hangataka fa hapetraka ao anaty fanjakana latsaka an-katerena ireo akohoko noho ny fiparitahan'ny viriosy barika amin'ny vorona eny amin'ny toeram-piompiana. Tsy te hieritreritra izany aho satria manimba tokoa ny toekaren'ireo akoho izany. Manantena aho fa afaka manao saron-tava sy matory ao anaty efitrefitra ny akoho rehetra. Aza mivoaka raha tsy efa tena ilaina.

Nanizingizina ireo manampahefana izay nahita ny lahatsoratra fa nanitsakitsaka lalàna izany satria ‘nanaratsy an'i’ Hun Sen, izay nanao kabary momba ny fiantraikan'ny fametrahana ny firenena an-katerena noho ny fitomboan'ny tranga COVID-19 tamin'izany fotoana izany.

Nilaza [6]ny minisitry ny fambolena Veng Sakhon fa mety niteraka tahotra ny lahatsoratra satria nanonona ny gripam-borona:

By mentioning the bird flu, it could affect our people’s incomes as they may be paranoid to a point of stopping the rearing [of chickens] amid our efforts of a gradual economic recovery.

Amin'ny fanononana ny gripam-borona, mety hisy fiantraikany amin'ny fidiram-bolan'ny vahoaka izany satria mety hikorapaka izy ireo ka hampiato ny fiompiana [akoho] ao anatin'ny ezaka ataotsika amin'ny fanarenana tsikelikely ny toekarena

Tsy niombon-kevitra  [7]tamin'ireo mpanao gazety sasany izay mihevitra fa manesoeso fotsiny ilay lahatsoratra Facebook ny mpitondratenin'ny minisiteran'ny fitsarana Chin Malin:

This is your outsider judgement. Authorities and the prosecutors have grounds to specify that this is a crime and this is not an expression of a viewpoint. It is based on the ill-intention of the perpetrator in the past and recent actions that led to the charge.

Fitsaranareo ivelany izany. Manana ny antony hamaritana izany ho heloka ny tompon'andraikitra sy ny mpampanoa lalàna fa tsy fanehoana fomba fijery. Mifototra amin'ny fikasan-dratsy nataony taloha sy ireo fihetsika vao haingana izay nahatonga ny fiampangana izany.

Taorian'ny fisamborana an'i Ny Nak, nilaza [8] ilay mpandalina ara-politika Lao Mong Hay fa naneho taratra ny faharatsian'ny demokrasia ao amin'ny firenena izany:

In a liberal and multi-party democracy that guarantees human rights and respects the law, Ny Nak’s act would not be regarded as a criminal offence. The Cambodian Criminal Code also does not consider this comedy to be a criminal offence.

Ao anatin'ny demaokrasia liberaly sy maro antoko izay miantoka ny zon'olombelona sy manaja ny lalàna, tsy raisina ho toy ny heloka bevava ny fihetsik'i Ny Nak . Tsy mihevitra ity hatsikana ity ho heloka bevava ihany koa ny Fehezan-dalàna momba ny Heloka Bevava Kambodziana.

Nampitandrina [9] i Chak Sopheap, tale mpanatanteraka ao amin'ny Foibe Kambodziana momba ny zon'olombelona Kambodziana fa hisy fiantraikany ratsy eo amin'ny fiarahamonina ity fisamborana ity.

This has a detrimental impact on Cambodian society, as it deters individuals from public participation and fosters a culture of fear and self-censorship. Ultimately self-censorship in Cambodia results in the public being excluded from vital dialogues about the governance of the country, and extinguishes an important safeguard for government accountability.

Misy fiatraikany ratsy eo amin'ny fiarahamonina Kambodziana izany, satria manakana ny olona tsy handray anjara ampahibemaso ary mampiroborobo ny kolontsain'ny tahotra sy ny fanivanan-tena. Miteraka ny fanilihana ny besinimaro tsy handray anjara amin'ny resadresaka lehibe momba ny fitantanana ny firenena ny fanivanan-tena amin'ny farany any Kambodza, ary mamono ny fiarovana manan-danja amin'ny tamberin'andraikitry ny governemanta.

[Ny fisamborana olona] “dia tsy manome afa-tsy ny fampitomboana tahotra  hizara vaovao eo amin'ny vahoaka na handray anjara amin'ny fanehoana ny fomba fijerin'izy ireo” hoy i @sopheapfocus [10]

Toy izany koa, Am Sam Ath, tale lefitra ao amin'ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona Licadho, naneho [13] ny ahiahiny noho ny fanamelohana an'i Ny Nak:

This verdict yesterday is a message that makes those who have constructive ideas or criticisms in relation to social issues be fearful and hesitant and will limit their freedom of expression…For a democratic country, if it is missing the sharing of ideas in a constructive way, it will not be able to progress quickly.

Hafatra iray mahatonga ireo izay manan-kevitra na fanakianana manorina mifandraika amin'ny olana ara-tsosialy mba hatahotra sy hisalasala ka hametra ny fahafahan'izy ireo maneho hevitra ity didim-pitsarana omaly ity… Ho an'ny firenena demokratika, raha tsy misy ny fizarana hevitra amin'ny fomba mandaitra, tsy ho afaka handroso haingana izy.

Ohatra iray ny raharaha Ny Nak izay nantsoin'ny vondrona media sy ny zon'olombelona ho fanamafisana [14] ny fanakanana ny mpanohitra ao amin'ny firenena sy fampiasana ny lalàna hamehana mba hampanginana ireo mpitsikera.