Lalao Olaimpika: COVID-19 vao mainka nanalalina ny hantsana eo amin'i Amerika Latina sy ireo firenena manankarena

 

Fampitambarana nataon'ny CONNECTAS

 Víctor Diusabá Rojas no nanoratra ity lahatsoratra ity ho an'ny CONNECTAS, ary dika nokiraina no averin'i Global Voices avoaka.

Vitsy kokoa fa atleta 230 no nalefan'i Amerika Latina ho any Tokyo raha oharina amin'ilay Lalao Olaimpikan'ny Lohataona natao teo aloha tao Rio. Na eo aza izany, marobe ireo mpifaninana avy any Amerika Latina no nahazo medaly nandritra ireo andro vitsy nanombohan'ireo Lalao tamin'ity taona ity, isan'ireny ilay Ekoatôriàna mpihazakazaka am-bisikilety Richard Carapaz, ilay Kôlômbiàna mpibata fonjamby Luis Javier Mosquera, ireo Meksikàna Luis Álvarez Murillo sy Alejandra Valencia, miampy ireo Breziliàna Rayssa Leal, ilay vao 13 taona monja fantatra amin'ny hoe ‘Fadinha’ na ‘The Little Fairy,’ Kelvin Hoefler ary Daniel Cargnin.

Fahombiazana lehibe io, satria tsy raharaha mora ny fahazoana medaly olaimpika. Nandritra ireo Lalao Olaimpika 2016 tao Rio de Janeiro, (86 monja)  latsaky ny antsasak'ireo firenena 205 nifaninana, no nahazo medaly.

Ilay Ekoatôriàna mpihazakazaka am-bisikilety, Richard Carapaz, nahazo medaly volamena tsy nampoiziny tamin'ny hazakazaka an-dalambe tao Tokyo. Taorian'ny fandresena, nitaraina izy hoe tsy nahazo tohana avy amin'ny firenena niaviany. Sary: Wikimedia Commons.

Nitondra hafaliana sy fijery miabo tany amin'ny firenena niavian'ireo atleta ireny medaly voalohany ireny. Nibahana ny lohateny vaventy teny anaty gazety ny zavabitan'izy ireo, raha ireo media tany amin'ny faritra kosa nahita antony ihany, nony farany, mba hiravoravoana taorian'ireo volana maro tsy nisy afa-tsy vaovao manjombona momba ilay valanaretina COVID-19.

Ny tsirairay tamin'ireo mpandresy dia samy nanonofy ny hitondra voninahitra mody any an-tanindrazany avy. Kanefa, teo am-pijoroana teo ambony lampihazo, izy ireo irery no mahafantatra ny ezaka goavana nilainy natao mba handrombahana ny fandresena Olaimpika. Manana tantara tokana an-tany ireo medaly tsirairay azo, ary voasokitra tamin'ny ranomason'ireo izay tsy mba nandresy. Tena marina manokana io tamin'ity taona ity, nanaovan'ireo mpifaninana ny fanazarantena, nifaninanan-dry zareo, ary nandraisany anjara tamina Lalao Olaimpika iray hafahafa teo amin'ny tantara, izay voamariky ny tsy fahafahan'ireo mpijery manatrika noho ny fahatahorana tsy mitsahatra hoe sao hifindra ny aretina.

Maninona no misy fanamby hafa atrehan'ireo atleta avy ao Amerika LAtina raha oharina amin'ireo namany avy amin'ny faritra maro manerana ny tany?

Ny valiny voalohany dia hita ao anatin'ireo vokadratsy nandravaravan'ilay valanaretina. Tamin'ny Mey 2021 lasa teo, hoy i Carissa F. Etienne, Talen'ny Pan American Health Organisation (PAHO), nihoatra ny iray tapitrisa ireo fahafatesana nateraky ny COVID-19 tao Amerika Latina. Iray volana taty aoriana, ny Jona, olona 37 tapitrisa no voa, tarehimarika manome ny efa ho fitambaran'ny isan'ireo vahoaka ao Pero sy El Slavador. Amin'ny lafy toekarena, hoy ny Economic Commission for Latin America and the Caribbean (ECLAC) – Kaomisiôna ara-toekarena ho an'i Amerika Latina sy Karaiba, teo anelanelan'ny 2019 sy 2020, tafakatra ho 79,3 isanjato amin'ny harinkarena faobe ny trosan’ilay faritra, raha 68.9 isanjato izany taloha. Ary tsy resahana ao anatin'io ny trosa izay hivangongo manditra ity taompiasana mbola tsy mifarana ity. Ho an'ny ECLAC, amin'ireo faritra andalam-pandrosoana rehetra dia i Amerika Latina no be trosa indrindra, eo ambonin'i Azia, Afrika ambanin'i Sahara, ny ao Afovoany-Atsinanana, Azia Afovoany, Eorôpa, mifanaraka amin'ireo laharana ireo. Raha fehezina, namely mafy tokoa an'i Amerika Latina ny COVID-19, tsy toy ny tany amin'ireo faritra hafa teto an-tany.

Tsapa tamin'ny fanatanjahantena ihany koa io fiantraika io. Raha ny marina, voatery namoy ny nofinofiny handeha hifaninana any Tokyo io atleta tratry ny valanaretina, na dia nahazo toerana iray ho amin'izany aza ry zareo. Isan'izany ireo Meksikàna mpilalao baseball, Héctor Velázquez sy Sammy Solís, ilay Shiliàna mpiangaly taekwondo, Fernanda Aguirre ary ilay Kôlômbiàna mpihazakazaka am-bisikilety, Daniel Felipe Martínez.

Araka ny voalazan'ny Olympedia.org, latsaky ny 230 ireo atleta avy any Amerika Latina tonga ao Tokyo raha oharina amin'ny tao Rio de Janeiro. Marobe ireo firenena nanena be tsy toy nahazatra azy ny isan'ireo solontena nalefany, toa an'i Brezila (nanesorana 145), Kôlômbia (73) ary Kiobà (48). Sary: Kaomity Olaimpika Kôlômbiàna

Indrisy anefa, tsy misy tarehimarika mazava momba ny fampihenana tetibola natao vokatr'ilay valanaretina. Tamin'ny 2018, fony mbola tsy nisy na iza na iza nandre momba ny COVID-19, ireo 20 matanjaka indrindra ara-toekerena ao Amerina Latina dia nanome 1,9 lavitrisa dolara ho an'ny sehatry ny fanatanjahantena, hoy ny Forbes. Toa anatin'io ireo sehatra toy ny fanatratrarana zavabita tsara indrindra, ny fotodrafitrasa, ireo fandaharanasa fampiasam-batana, ny fampahafantarana, ny fandoavana karaman'ny mpiasa ary ny vatsim-pianarana. Avy amin'i Brezila ny ampahany betsaka indrindra (44,4 isanjato), arahan'i Meksika, Shily, Kôlômbià, ary Ekoatora.

Tsy misy hafa amin'izay, ireo firenena sasany toa an'i Meksika dia nandefa solontena maro, ary taona efatra talohan'izay i Kôlômbia dia nampiakatra ho avo telo heny ny vola fanome ny fanatanjahantena mba hanomanana ireo atletany hiatrika ireo Lalao Olaimpika ireo. Kanefa, tsy azo lavina fa nampangirifiry an'i Amerika Latina ny nampiatoana ireo fifaninanana tao an-toerana sy ny tany amin'ny faritra, izay tena niompanan'ny betsaka tamin'ny tetikady fanazarantenan-dry zareo.

Nandritra ny valanaretina, lasa zavatra nahazatra ny mahita eny anaty media sy tambajotra sôsialy ireo sarina atleta sy ireo maniry ny ho tompondaka mametraka habaka ho fanazaran-tena any an-tranony. Fantatr'izy ireo, sy ireo mpanazatra, fa mety tsy ho ampy hahazoana medaly volamena ireny ezaka ireny. Vao haingana ireo atleta kiobàna no niresaka momba ny fomba nataon-dry zareo namadihana ny tafon-tranony ho toerana fanaovana fanatanjahantena.

Niaina toejavatra tahaka izany avokoa ireo mpanao fanatanjahantena erantany, na lahy na vavy. Farafaharatsiny aloha dia mba nanamaivana ny teodraharaha ny fisian'ireo fotodrafitrasa goavana fanaovana fanatanjahantena sy ny fameperana ny fivezivezena mankany amin'ireo firenena manankarena. Raha ny marina, nandeha nankany Eorôpa ireo atleta avy ao Amerika Latina, efa fotoana ela talohan'ny Lalao Olaimpika, mba hampiasa ireny toerana ireny, na dia tsy nanana vintana be aza ry zareo. Ohatra, ny ekipa lehilahy breziliàna dia nisedra olana iray: ny ekipa mpifanandrina taminy tsy nanaiky hanao fihaonana amina ekipa avy amin'ny iray amin'ireo firenena ahitàna be indrindra tratry ny aretina, fahafatesana ary voalaza fa foibe iaingan'ireo sosona vaovao.

Marina ny hoe tena tsapa be mihitsy ankehitriny ny fitarihan'ireo “Tontolo Voalohany” manerana an'i Amerika Latina. Na izany aza, nilaozan'ny vintana hatrany ireo firenena avy amin'ny tany mahantra indrindra teo amin'ny tantaran'ireo Lalao Olaimpika, endri-javatra iray nohararaotin'ireo firenena matanjaka hatrany hahazoana tombony.  Farany, ireo atleta ao Amerika Latina dia niatrika fanamby mitovy amin'ny an'i Luis Subercaseaux, ilay hany Shiliàna nisoratra hifaninana tamin'ny hazakazaka am-bisikilety sy ny atletisma nandritra ireo lalao voalohany tanatin'ny vaninandro maoderina tao Athènes tamin'ny 1896. Kanefa, tsy misy mahafantatra raha tena nandray anjara tokoa izy satria tsy mba nivoaka teny anatin'ireo rejisitra ofisialy. Sy toy ilay Kiobàna mpilalao sabatra, Ramón Fonst, izay nahazo medaly volamena sy volafotsy tany Parisy tamin'ny 1900. Notohizan'ireo firenena avy ao Amerika Latina ny fifaninanana mba hahazo voninahitra olaimpika ao Tokyo. Na izany aza, na teo ireo fifoforana mafy sy ny fahavononany, dia ny latabatry ny medaly ihany no manapakevitra momba ny amin-dry zareo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.