Ampamoahan'ny fitsarana rosiana trosa matevimbe ny orinasa media sosialy lehibe noho ny fanitsakitsahana ny fitsipiky ny famangitana

Image by Thomas Ulrich from Pixabay.

Sary avy amin'i Thomas Ulrich tao amin'ny Pixabay. License Pixabay.

Nodonin'ny fitsarana ao amin'ny distrikan'i Moskoa ny goavan'ny media sosialy amin'ny onitra vaovao matevina dia matevina noho ny tsy fanatanterahana an-tsakany sy an-davany ny fitsipiky ny famangitana (localization) lahatahiry ao Rosia. Ny fanasaziana farany indrindra dia manampy hatramin'ny 36 tapitrisa robla, na mihoatra ny $485.000.

Ampandoavina onitra 15 tapitrisa robla ($202.000) ny Facebook, raha ampandoavina onitra 17 tapitrisa robla ($229.000) kosa ny Twitter. Nahazo fampandoavana onitra hafa 4 tapitrisa robla ($54.000) ny WhatsApp, fampihatra fandefasan-kafatra izay Facebook no tompony, araka ny fanambaràna avy amin'ny mpandrindra aterineto rosiana Roskomnadzor.

Takian'ny lalànan'ny famangitana lahatahiry, nolaniana tamin'ny taona 2015, ny orinasan'aterineto rehetra mikirakira lahatahirin'ny mpisera rosiana hitahiry izany lahatahiry izany amin'ny boatin-drakitra (servers) hita maso miorina ao anatin'i Rosia. Kinendrin'izao lalàna izao ny fanomezana vahana kokoa ny fifehezan'ny fanjakana rosiana ny votoaty sy fifandraisana anjotra. Manokatra ny lalana ihany koa izany amin'ny fahazoana miditra tsy ara-pitsarana ny mombamomba (torohay momba) ny mpisera, izay sarotra tanterahana kokoa raha alefa na voatahiry amin'ireo servisy ivelan'ny firenana. Raha takian'ny ankamaroan'ny orinasa media sosialy ny didim-pitsarana ho fanohanana ny tinakin'ny governemanta hahazoana ny lahatahirin'ny mpisera, dia tena mora dia mora tokoa ho an'ny manampahefam-panjakana ny fahazoana lahatahiry mipirina ao an-toerana, na izany amin'ny alalan'ny teknolojian'ny fanaraha-maso na amin'ny fidirana mivantana amin'ny boatin-drakitry ny orinasa ao anatin'ny rafi-pitsarana feheziny.

Misy ireo orinasan'ny teknolojia sasantsasany, toy ny Booking.com, Apple sy ny Samsung, no nanatanteraka izay nolazain'ny lalàna: araka ny nolazain'ny Roskomnadzor, manodidina ny 600 ireo orinasan-teknolojia vahiny manana birao ao Rosia no efa namangitra ny lahatahiry manokan'ny Rosiana mpisera hifaka ao Rosia. Saingy tsy niraharaha izay notakian'i Kremlin ny orinasa media sosialy Tandrefana, ary tsy mazava ny mety ho asetrin-dry zareo amin'ity onitra vaovao ity.

Efa hatry ny ela ny mpandrindra aterineto rosiana Roskomnadzor no nandrahona hampanonitra sy eny fa hatramin'ny hibahana mihitsy aza noho ny tsy fanatanterahana, saingy hatramin'izao dia orinasa vitsy ihany no miatrika fanasaziana hita maso. Tamin'ny taona 2016, LinkedIn, tambajotra sosialy arakasa izay Microsoft no tompony, no voabahana tao Rosia noho ny tsy fanekeny hanaraka ny fitsipiky ny famangitana lahatahiry.

Tamin'ny Febroary 2020 ny Facebook sy Twitter no efa samy namoahana didy fampandoavana onitra 4 tapitrisa robla ($54.000) tsirairay avy, izay tsy naloan-dry zareo, ary efa nampakaran'ny Twitter ny raharaha. Nanamarika ny mpaneho hevitra tamin'izany fotoana izany fa rehefa tsy manana (fijoroana) ara-dalàna any Rosia ny orinasa, dia ho sarotra ny hanery an-dry zareo handoa ny onitra. Nasaina handoa onitra (3 tapitrisa robla na $41.000) ny Google tamin'ny jolay 2021.

Tsy manivaka amin'ny hafa tsy akory ny fitsipiky ny famangitana lahatahiry rosiana: manana ny endrika lalàna fitehirizan-dahatahiry azy manokana ihany koa ny firenena tahaka an'i Alemaina, Canada, Vietnam ary Indonezia.

Tamin'ny marsa 2019, nanao filazana i Mark Zuckerberg fa tsy hitahiry torohaim-pisera “saropady” any amin'ireo firenena “tsy manaja” ny zon'olombelona ny sehatra ny Facebook sy ireo servisiny hafa, Instagram sy WhatsApp, na dia tsy nolazainy aza hoe iza ireo firenena ao anaty lisitra amin'izany.

Tamin'ny herintaona i Rosia nametraka tsindry vaovao amin'ireo orinasa media sosialy.

Tamin'ny lohataona (avaratra) 2021, nenjehin'ny manampahefana rosiana ireo tambajotra an-tserasera noho ny tsy fanesorana ireo votoaty mifandraika amin'ny fihetsiketsehana nandritra ny famorian'ny mpanohitra vahoaka nanerana ny firenena. Natombok'izy ireo ihany koa ny fanakendana ny hafainganam-pandehan'ny Twitter ho fanasaziana ity sehatra ity tamin'ny tsy fanekena hamafa votoaty lazain'ny mpanao sivana rosiana ho tsy ara-dalàna.

Tamin'ny jolay 2021 ny Filoha Vladimir Putin nanasonia lalàna iray vaovao manery ny orinasa media sosialy vahiny mahazo jery mihoatra ny 500.000 isan'andro hanokatra sampam-birao ao Rosia sy hisoratra anarana ho ara-dalàna ao an-toerana. Mety hiatrika famerana dokambarotra na fanakanana izay sehatra tsy manatanteraka izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.