Fampahalalam-baovao tsy miankina nampidirina lisitry ny “kasinga vahiny” fanampiny ao Rosia

TV channel Dozhd displays the required "foreign agent" wording during their live broadcast on August 20, 2021. Screenshot from YouTube.

Fantsom-pahitalavitra Dozhd mampiseho ny teny hoe “kasinga vahiny” tsy maintsy apetraka nandritra ny fandaharana mivantana azy ireo ny 20 aogositra 2021. Pikantsary avy amin'ny YouTube.

Notondroin'ny tompon'andraikitra Rosiana ho “kasinga vahiny” ny tambajotram-pahitalavitra Rosiana malaza Dozhd (TVRain) sy ny haino aman-jery mpanao fanadihadiana Vazhnye Istorii (iStories). Manatevin-daharana ny lisitr'ireo efi-panoratam-baovao tsy miankina, ireo fikambanana tsy mitady tombombarotra ary ireo olon-tsotra efa diso maro be ao Rosia izy ireo,  izay nampidirina tao anatin'ny rejistra lava ahitana an'ireo izay heverin'ny fanjakana ho “tafiditra hetsika politika” ho tombontsoan'ireo “vondrona vahiny” sy ” mahazo fanampiana avy any ivelany ”.

Nanamarika i Diana Magnay, mpitondratenin'ny Sky News any Moskoa fa nilatsaka ny fanambarana taorian'ny fihaonan'ny filoha Vladimir Putin tamin'ny mpitarika Alemana Angela Merkel tany an-drenivohitr'i Rosia.

Fotoana fohy taorian'ny nahavitan'i Putin ny valan-dresaka farany tamin'ny mpanao gazety niaraka tamin'i Merkel (fitsidihana faha-60 nataony tany Rosia), nambara fa masoivoho vahiny ireo fampahalalam-baovao roa hafa tsy miankina any Rosia  – #Dozhd (Rain) TV sy #iStories. Hidio ny lambam-baravarana ary  vonoy ny jiro, MANDRIA AM-PIADANANA ny fahalalahan-gazety eto

Nilatsaka roa andro monja taorian'ny nanambaran'ny Minisiteran'ny Fitsarana Rosiana ny vondrona tsy miankina mpanaramaso ny fifidianana Golos ho “kasinga vahiny” ny fanondroana an'ny Dozhd sy  iStories. Talohan'izay dia nomena ireo tranokalam-baovao ireto izany marika izany: VTimes, Meduza ary RFE / RL novatsian'i Etazonia ny mari-pamantarana, ny tetikasa asa fanaovan-gazety fanadihadiana The Insider, ary mpanao gazety maromaro.

Mitaky amin'ireo fikambanana na olon-tsotra voatondro ho kasinga vahiny ny lalàna rosiana mba hisoratra anarana amin'ny fanjakana na hiatrika sazy, ao anatin'izany ny onitra sy ny sazy an-tranomaizina. Takiana ihany koa izy ireo hanao tatitra ara-potoana momba ny ataon'izy ireo ary hilaza ny satany maha kasinga vahiny amin'izay fitaovana na votoaty zarain'izy ireo, ao anatin'izany ny ranty amin'ny media sosialy.

Arahabao ny  mpandona vaovao milalao alohan'ny fizarana vaovao rehetra ao amin'ny Dozhd TV. (Io ny fampitandremana ara-dalàna mahazatra izay henonao amin'ny kasinga vahiny ratsy fanahy

Ho an'ireo haino aman-jery manokana, ny fiantsoana anao ho kasinga vahiny dia midika fahasarotana amin'ny fahazoana tsonga nalaina avy amin'ny loharanom-baovao sy ny fihenan'ny fidiram-bola amin'ny dokambarotra. Na dia nisafidy ny hanakatona ny asany aza ny fikambanana sasany na hifindra andafin-tsisintany, ny hafa kosa miankina amin'ny fanomezana avy amin'ny vahoaka [fitia tsy mba hetra]. Saingy miha-hipoka io habaka io.

Raha toa ka nantsoina hoe “kasinga vahiny” i iStories noho ny fisoratana anarana any Latvia, dia voasoratra any Rosia i Dozhd – ary miankina amin'ny vola miditra amin'ny dokambarotra. Araka ny nomarihin'i Jake Cordell, mpitondratenin'ny The Moscow Times, tao amin'ny Twitter, tamin'ny tapany voalohan'ny taona 2021, 40 isanjaton'ny fidiram-bolan'i Dozhd dia avy amin'ny YouTube.

Nahazo 190 tapitrisa roubles (2.5m $) i Dozdh tamin'ny fidiram-bolan'ny dokambarotra sy ny anjara (avy amin'ny famandrihana fantsona) tamin'ny herintaona. Izany dia 55% amin'ny fidiram-bolan'izy ireo manontolo. Raha miala amin'ny seha-baovao voatondro ho “kasinga vahiny” ireo mpanao dokambarotra, dia hisy vokany lehibe amin'ny asany izany

Nandritra ny antsafa iray nifanaovana tamina haino aman-jery tsy miankina Meduza, nilaza i Natalya Sindeeva, mpanorina an'i Dozhd, fa tsy mbola nanana “zavatra holazaina izy afa-tsy andiana zava-mahamenatra” mikasika ilay fanendrena ho kasinga vahiny, fa ny fantsona kosa “eo am-pieritreretana lalina” amin'ny dingana manaraka. .

Roman Anin, talen'ny famoahana ao amin'ny iStories, izay nanaovan'ny mpitandro ny filaminana bemidina ny tranony tamin'ity lohataona ity hanaovana famotopotorana kolikoly avo lenta, dia nilaza fa efa niomana ho amin'ny fanondroana azy ny efitrano fampahalalam-baovao ary azony tsara ny loza mety hitranga. Raha niresaka tamin'i Meduza i Anin dia nitaraina noho ny tsy fahafahan'ny haino aman-jery tsy miankina hisoratra anarana any Rosia, hahazoana tombony ary ho tafavoaka velona.

The Russian authorities have left journalists with no choice. Our registration abroad and our work with such financing is out of necessity. In other circumstances, we’d gladly register in Russia.

Namela ny mpanao gazety tsy hanana safidy ny manampahefana rosiana. Tsy ilaina ny fisoratana anarana any ivelany sy ny asanay amin'ny famatsiam-bola toy izany. Amin'ny toe-javatra hafa, faly izahay misoratra anarana any Rosia.

Nilaza ny ekipan'i iStories’ tao amin'ny fanambaràna iray tao amin'ny tranonkalany fa misokatra ry zareo amin'ny mpihaino (mpanaraka) azy ireo amin'ny fisoratana anarana any ivelany ary nanao izany “mba hahafahana ho malalaka”:

А что касается самого списка иноагентов, то в нем уже столько приличных людей и изданий, что не находиться в нём просто неприлично.

Ary amin'ny lisitry ny kasinga vahiny, amin'izao fotoana izao ahitana olona maotina maro dia maro sy ranty toa izany koa ao izay manjary mahamenatra fotsiny izao ny tsy maha-ao anaty lisitra anao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.