- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Inona no diso amin'ny fampitahana ara-politika an'i Taiwan amin'i Afghanistan?

Sokajy: Amerika Avaratra, Azia Afovoany sy Kaokazy, Azia Atsinanana, Afganistana, Etazonia, Shina, Taiwan (ROC), Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Politika

Tamba-tsary namboarin'i Oiwan Lam.

Taorian'ny fialan'ny tafik'i Etazonia tao Afghanistan sy ny fahazoan'ny Taliban tampoka an'i Kabul, nihazakazaka an-jotra [1] ny Shinoa mpaneho hevitra hanoritsoritra ny fampitahana eo amin'i Taiwan sy i Kabul ao amin'ny media sosialy. Maro ireo nanontany raha mpiara-dia azo ianteherana i Etazonia amin'ny mety ho ezaka ara-miaramila ataon'i Shina ‘hampitambatra’ an'i Taiwan aminy. Saingy nanasongadina [2] anjotra ny sasany fa mahadiso lalankevitra ny fampitahana.

Fanjakana nizaka tena i Taiwan rehefa nandositra ny kaontinanta ny antoko nitondra tao amin'i Repoblikan'i Shina (ROC), ny Kuomintang, izay fantatra ihany koa ho Antoko Nasionaly Shina, noho ny fahareseny nandritra ny ady an-trano shinoa tamin'ny taona 1949. Na dia mizaka tena aza i Taiwan, efa hatry ny ela ny Repoblika Entim-Bahoakan'i Shina (PRC), eo ambany fitarihan'ny Antoko Komonista Shinoa (CCP na AKS), no nanandratra ny ‘Politikan'i Shina Tokana [3]‘ izay mametraka fa faritra tsy azo vakivakiana ao amin'i Shina tokana i Taiwan sy i Shina Tanibe. Tao anatin'ny taona vitsivitsy izao i Shina no mitazona fa tsy hampanjaka ny bemidina ara-miaramila [4] hamptambatra azy amin'i Taiwan. 

Mba hijoroana manoloana ny tsindry ara-politika ataon'i Beijing, niezaka nanakatra firenenkafa ny filohan'i Taiwan, Tsai Ing-wen, hananganana fiaraha-mizotra ara-diplaomatika, ka i Etazonia no mpiara-dia [5] aminy lehibe indrindra. Manjavozavo be ihany sady anaty paikady ihany koa izany ny politikan'i Etazonia manoloana an'i Taiwan hatramin'ny taona 1979. Na izany aza, nataon'ny fitantanan'ny Filohan'i Etazonia teo aloha Donald Trump nihagoragora kokoa [6] ny fameperana ara-ofisialy amin'ny fifandraisan'i Etazonia sy i Taiwan. Tao anatin'ny roa taona izao, nataon'i Etazonia nanavatsava ny andilan-dranomasin'i Taiwan ny sambompiadiny ary vao haingana no nisy voromby mpiady an'i Etazonia [7] nitody tao Taipei, izay iheveran'ny maro fa marika izany fa tian'i Etazonia hohamafisina ny fifandraisany ara-diplaomatika amin'i Taiwan.

Manoloana ny toe-javamisy, niteraka tebiteby tao Taiwan ireo tsikera [8] amin'ilay fialana mikorontandrotana nataon'ny andia-tafik'i Etazonia avy ao Afghanistan, satria maro ireo manontany hoe mbola afa-miaro sy manohana ny mpiara-dia aminy ihany ve i Etazonia. 

Anisan'ireo voalohany tao amin'ny Facebook tamin'ny 15 aogositra nanao fampitahana amin'i Taiwan sy i Afghanistan ilay politisiana iray mpanohana ny fampitambarana amin'i Shina sady Sekretera Jeneralin'ny Broadcasting Corp of China [9] Jaw Shaw-kong hihaikàna ny [1] fiaraha-mizotra ara-diplamotatikan'i Tsai amin'i Etazonia:

在台灣,關心阿富汗前途的人不多,在民進黨的麻痹政策之下,大多數人民不知道阿富汗很可能就是台灣的前車之鑑。[…] 老共不可測,老美不可靠,要靠還是要靠自己,兩岸之間應該是「要和不要戰」,如果要戰就要好好準備,問題是台灣做好戰爭的準備了嗎?台灣如果不想成為第二個阿富汗,就要在「和」「戰」之間想清楚,要和還是要戰?和要怎麼和?戰要如何戰?像現在一樣,緊抱美國大腿就以為天下太平,混一天拖一天就以為永遠沒事…

Eto Taiwan, vitsy dia vitsy no mifantoka amin'ny hoavin'i Afghanistan. Eo ambany politika tsy ahafaha-mihetsika ataon'ny antoko demaokraty liampandrosoana, tsy mahalala ny ankamaroan'ny eto Taiwan fa mety hitranga eto ny nitranga tao Afghanistan. […] Tsy azo tsinjovina ny mety ho ataon'ny CCP=AKS, tsy azo itokisana i Etazonia, tsy maintsy miantehitra amin'ny tenantsika ihany isika. Safidy tsara ny fandriampahalemana fa tsy ny ady. Raha misafidy ny ady isika, dia mila miomana amin'izany. Saingy tsara omana ho amin'izany ve i Taiwan? Raha tsy tian'i Taiwan ny ho toa an'i Afghanistan, mila mieritreritra lalina isika amin'ny safidy ny fandriampahalemana sy ny ady. Ahoana ny hampijoroana ny fandriampahalemana? Ahoana no fiady amin'ny ady? Tsy afa-miantona amin'ny fiarovan'i Etazonia tsotra izao isika ka hanaterna fa tsy hisy na inona na inona hanjo antsika mandrakizay… 

Avy eo izy nanosika [10] an'i Tsai momba ny fiomanan'i Taiwan amin'ny lafiny miaramila ao amin'ny ranty Facebook hafa ny ampitso:
如果蔡英文決定戰,不只要恢復徵兵…力求全民皆兵,還要追求更進步的現代化武器,不然怎麼與中共抗衡?
我要問問蔡英文,假如是你像阿富汗被兵臨城下,會選擇拚下去打到最後一支掃把,還是辭職坐飛機走人,以保全老百姓免於烽火?

Raha mitady ady i Tsai, mila mamerina ny tsy maintsy hanaovana fitsarana miaramila izy (manao raharaha miaramila) […], mamadika ny sivily rehetra ho miaramila ary mamatsy an'i Taiwan amin'ny fitaovam-piadiana maoderina be. Na ahoana no ahafahantsika manohitra an'i Shina?  Te-hanontany an'i Tsai Ing-wen aho, raha miatrika toe-javamisy tahaka ny ao Afghanistan ianao, hisafidy ny hiady hatramin'ny farany ianao sa handray sidina dia handositra mba tsy hiatrehan'ny sivily ady?

Niely haingana tao amin'ny Facebook sy Weibo ny fijerin'i Jaw, ary tao anatin'ny andro vitsivitsy dia nanana ny lanjany teo amin'ny fampitahana. Ohatra, niteny ny politisiana Taiwaney Lei Chien, ‘Tsy zava-dehibe kokoa noho i Afghanistan i Taiwan [11],’ izay te-hametraka fa handao an'i Taiwan i Etazonia raha manao fanafihana ara-miaramila i Taiwan. Manam-panontaniana [12] amin'ny fahavononan'i Amerika hanohana an'i Taiwan hatramin'ny farany ny mpampianatra ambony amin'ny fifandraisana iraisampirenena raha misy ny fahafihana avy amin'i Shina.  

Ho setrin'ny adihevitra, nailiky ny praiminisitr'i Taiwan Su Tseng-chang ny fampitahana ary nofelahany an-teny [13] i Jaw amin'ny ‘fanangezàna ny fahavalo':

國民黨威權統治時,在戒嚴時我們不怕被殺被關,為台灣打開民主大門,今天還有強國以武力要併吞台灣,我們同樣不怕被殺被關,一定守護這個國家,守護這片土地,不像某些人老是長敵人威風,減自己志氣

Nandalo fanapahana tsirefesimandidy i Taiwan teo ambany fitarihan'ny KMT. Nandritra ny lalàna an'ady (miaramila), tsy natahotra isika ny hogadraina na hotapahin-doha ary niady ny lalantsika ho amin'ny demaokrasia. Ankehitriny i Shina mandrahona ny hanòvana (hanjanaka) an'i Taiwan. Tahaka izany ihany, tsy matahotra isika ny hogadraina na hotapahin-doha, mila manohana ny tanindrazantsika sy ny tanintsika isika. Tsy tahaka ireo izay manao hatrany izay hahangeza ny fahavalontsika sy mampiely fihetseham-po manaiky resy avy hatrany.

Any Shina Tanibe, ampiasain'ny gazety tantanin'ny fanjakana Global Times ho fampitandremana an'i Taiwan ny fampitahana nataon'i Jaw: 

Anaovan'ny Global Times ao Shina fampitandremana i Taiwan fa hilaozan'i Etazonia, tahaka ny nataony tao Afghanistan, “vao vaky ny ady” (fa tsy hoe “raha”). “Hirodana ao anatin'ny ora vitsy ny fiarovan'ny nosy ary tsy ho avy hanampy i Etazonia”.

Nozimbazimbain'ny Global Times avy eo ny fitokisana an'i Etazonie eo amin'ny fidirana an-tsehatra ara-miaramila andafindranomasina:

Many people cannot help but recall how the Vietnam War ended in 1975: The US abandoned its allies in South Vietnam; Saigon was taken over; then the US evacuated almost all its citizens in Saigon. And in 2019, US troops withdrew from northern Syria abruptly and abandoned their allies, the Kurds.

Inona moa no ho ataon'ny maro fa tsy hahatsiahy ny niafaran'ny Ady tao Vietnam tamin'ny taona 1975: nilaozan'i Etazonia ny mpiara-dia taminy tao Vietnam atsimo; babo i Saigon, avy eo saika nampandosirin'i Etazonia avokoa ny olompireneny rehetra tao Saigon. Ary tamin'ny taona 2019, nilaozan'ny andia-tafik'i Etazonia tampoka i Syria avaratra ary nilaozany ny Kiorda mpiara-dia taminy.

Saingy nasain [16]‘i Wang Hao, ampanoratra Taiwaney eo amin'ny raharaha iraisampirenena, ny hafa hamaky ny vaovao avy amin'ny fomba fijery hafa:

很多人在討論1949年美國丟掉中國,1975年美國丟掉南越,2021年美國丟掉阿富汗。

可是,1949年,史達林沒想到10年後中蘇分裂;1975年,毛澤東沒想到4年後中越戰爭;2021年,什麼是習近平沒想到的呢?

塔利班會不會變成另一個越共,應該是此刻習近平最擔心的吧?!

Maro ireo olona miresaka ny fandaozan'i Etazonia an'i Shina tamin'ny taona 1949, nandaozany an'i Vietnam tamin'ny taona 1975, ary ny nandaozany an'i Afghanistan tamin'ny taona 2021. Saingy tamin'ny taona 1949, tsy tsinjon'i Staline ny fisarahan'i Shina amin'i URSS 10 taona taoriana; tamin'ny taona 1975, tsy tsinjon'i Mao Zedong ny ady Sino-Vietnamiana efa-taona taty aoriana; inona ny tsy voatsinjon'i Xi Jinping mialoha (izao) taona 2021 (izao)?

Notoherin'i Melissa Chan, mpanao gazety mahaleotena, ilay fampitahana ara-politika avy amin'ny fijery noraisina tamin'ny mpampianatra lalàna Donald Clarke sy tamin'ny manampahaizana manokana amin'ny fifandraisana amin'ny vahiny Andrew Small: 

… tamin'ny resadresaka nifanaovako tamin'i @ajwsmall [17] (handranty tsy ho ela!), notondroiny ihany koa fa mety ho tian'ny manana hery eto Azia ihany koa ny fialàn'i Etazonia satria midika izany fa afa-mifantoka indray amin'ny filaminana eto Indo-Pasifika.

Ny zava-dehibe kokoa, araka ny atondron'ny [2] mpanao gazety Taiwaney sasantsasany, tena mandiso lalana tokoa ny fampitahana satria toa mametraka izany fa mbola manana andia-tafika eto Taiwan i Etazonia. Ny marina anefa — efa nanaisotra ny andia-tafiny rehetra hiala an'i Taiwan i Etazonia tamin'ny taona 1979 [19], nefa mbola afa-mijoro mahaleotena ny firenena mandraka androany.