Nanatevin-daharana ny Global Voices ho talen'ny Advox i Nanjala Nyabola 

 

Nanjala Nyabola, Tale Advox vaovao ato amin'ny Global Voices. Sary natolotr'i Nanjala Nyabola.

Faly izahay manambara fa nanatevin-daharana ny Global Voices ho talen'ny tetikasanay Advox ny mpanoratra sady mpikaroka Kenyana, Nanjala Nyabola. Amin'ny maha lehiben'ny Advox azy dia hitarika ny tatitra momba ny matoandahatsoratra, ny fikarohana, ny fikatrohana ary ny fisoloana vava amin'ny fahalalahana maneho hevitra an-tserasera sy ny zo nomerika izy.

Mifantoka amin'ny fihaonan-dàlana misy eo amin'ny teknolojia, ny fampitam-baovao ary ny fiarahamonina ny asan'i Nanjala. Manana ny BA amin'ny Fandalinana Afrikana sy ny Siansa Politika avy amin'ny Oniversiten'i Birmingham, MSc amin'ny Fandalinana Afrikana ary MSc amin'ny Fifindramonina An-tery avy amin'ny Oniversiten'i Oxford, ary JD avy amin'ny Sekolin'ny Lalàna ao Harvard izy.

Mitana andraikitra amin'ny fiaraha-miasa marobe izy, anisan'izany ny tao amin'ny Ivontoeram-pampandrosoana Ampitan-dranomasina (ODI), ny Ivontoeran'ny Aterineto ao Oxford (OII), ary ireo ivontoerana hafa, ary miasa ho mpitarika fikarohana tsy miankina amin'ny tetikasa maro momba ny zon'olombelona amin'ny ankapobeny, ary ny zo nomerika manokana, eran'izao tontolo izao.

Izy hany koa dia mpiara-miasa ao amin'ny Laboratoara ho an'ny Fiaramonim-pirenena Nomerika ao Stanford, ny Ivontoerana Iraisam-pirenena ho an'ny Fanavaozana ny Haifitondrana (CIGI), ny Laboratoara Ara-tsiantifika Nomerika ao amin'ny Filankevitra Atlantika, ny Ivontoerana ho an'ny Fizakàmanana Ara-tsaina sy ny Teknolojiam-baovao (CIPIT) ao amin'ny Oniversite Strathmore, ary ny Ivontoerana ho an'ny Fiaraha-miasa Iraisam-pirenena (CIC) ao amin'ny NYU.

Namoaka lahatsoratra maro tamin'ny gazety akademika maro izy, ao anatin'izany ny African Security Review sy ny The Women's Studies Quarterly ary nandray anjara tamin'ny tahirim-boky nasiam-panovana marobe. Nanoratra fanehoan-kevitra ihany koa izy ho an'ny famoahan-dahatsoratra toa ny The Nation, Al Jazeera, The Boston Review, sy ny hafa.

Nanoratra boky roa i Nanjala, “Digital Democracy, Analogue Politics: How the Internet Era is Transforming Politics in Kenya” (Ny fomba fanovan'ny vanim-potoanan'ny Aterineto ny politika any Kenya) (Zed Books, 2018) sy ny “Traveling While Black: Essays Inspired by a Life on the Move” (Fanadihadiana avy amin'ny fiainana am-pihetsehana) (Hurst Books, 2020).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.