Mangataka ny famotsorana an'i Cheng Lei izay voatazona herintaona an-tranomaizina tany Shina ireo mpanao gazety

 

Nangataka ny vahoaka mba hanao sonia ny taratasy misokatra mangataka ny famotsorana ilay mpanao gazety Aostraliana Cheng Lei ny vondrona media. Loharano: MEAA

Mpanao gazety sy vondrona media miisa 50 any Aostralia farafahakeliny no nanao sonia ny taratasy manentana ny governemanta Shinoa hamotsotra ilay mpanao gazety Aostraliana Cheng Lei.

Nosamborina i Lei tamin'ny 13 Aogositra 2020, tany Shine noho ny “fiahiahiana azy ho namoaka tsy ara-dalàna ny tsiambaratelom-panjakana any ampitan-dranomasina.” Mpanao gazety mpandraharaha manentana fandaharana amin'ny fahitalavi-panjakana China Global Television Network (CGTN) izy talohan'ny nisamborana azy.

She was arrested in a period of escalating diplomatic tensions between China and Australia due to the coronavirus pandemic and human rights concerns.

Tao anatin'ny vanim-potoana nampafana ny disadisa diplaomatika teo amin'i Shina sy Aostralia noho ny valan'aretina coronavirus sy ny olana momba ny zon'olombelona no nisamborana azy.

Herintaona taorian'ny nitazonana an'i Cheng Lei, mbola tsy naneho ny porofo momba ny fanamelohana ilay mpanao gazety ny manampahefana Shinoa.

Nanosika ireo mpiara-miasa amin'i Cheng Lei teo aloha tany Aostralia handrafitra taratasy misokatra ho an'i Beijing miantso ny famotsorana ilay mpanao gazety izany.

We are confident she has done nothing wrong and hold grave concerns for her health, safety and care during her ongoing detention.

We are concerned about the chilling affect her arrest has on the practice of journalism, which has never been more critical.

Matoky izahay fa tsy nanao zavatra ratsy izy ary mampanahy anay mafy ny momba ny fahasalamany, ny fiarovana azy ary ny fikarakarana azy nandritra ny fihazonana azy amin'izao fotoana izao.

Manahy ny fiantraikan'ny fisamborana azy amin'ny asa fanaovan-gazety izahay, izay tsy mbola nampanahy toy izany.

Nanao sonia an'ity taratasy ity aho niantso an'i Shina hamotsotra an'i Cheng Lei satria tsy nisy porofo naseho fa nanao zavatra ratsy izy, tsy misy mangarahara ao amin'ny rafitra mitazona azy ary satria tsy tokony hosamborina ny mpanao gazety raha toa ka tsy nandika lalàna izy ireo. Misaotra.

Anisany nanao sonia ny taratasy ny fikambanan'ny Fampitam-baovao sy ny Fialam-boly ary ny Zavakanto ao Aostralia (MEAA):

Her arrest, her detention and the accusations against her have never been explained. No evidence has been presented. After 12 months, there has been nothing to suggest she has done anything wrong. MEAA members, and journalists around the world, stand with Cheng Lei.

Tsy mbola nohazavaina mihitsy ny fisamborana azy, ny fihazonana azy ary ny fiampangana azy. Tsy nisy porofo naroso. Rehefa afaka 12 volana, tsy nisy na inona na inona milaza fa nanao zavatra ratsy izy. Miara-mijoro amin'i Cheng Lei ny mpikambana MEAA, sy ny mpanao gazety manerantany.

Nampifandray ny fisamborana an'i Cheng Lei tamin'ny tranga fanenjehana mikendry ireo mpanao gazety vahiny any Shina ny Klioban'ny Gazety Nasionaly ao Aostralia:

This makes her one of many journalists detained in China at the same time the Chinese government expels foreign correspondents or denies them entry to the country, suppressing press freedom.

Izany no nahatonga azy ho iray amin'ireo mpanao gazety voatazona any Shina tamin'ny fotoana nandroahan'ny governemanta Shinoa ireo mpanao gazety avy any ivelany na nandà azy ireo tsy hiditra ao amin'ny firenena, ka nanakana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety.

Namoaka fanambarana ho fanohanana an'i Cheng Lei ihany koa ny Klioban'ny Gazety Nasionaly any Etazonia:

China has tried to make Cheng disappear, but the world has not forgotten about her or the several dozen other reporters unjustly jailed in China.

Niezaka ny hampanjavona an'i Cheng i Shina, saingy tsy nanadino ny momba azy izao tontolo izao na ireo mpanao gazety am-polony maro hafa izay nogadraina tsy ara-drariny tany Shina.

Nandefa hafatra fanohanana tao amin'ny Twitter ireo naman'i Cheng Lei sy ny mpiara-miasa aminy teo aloha:

Herintaona no notanan'ny CCP ny namako sady mpiara-miasa amiko teo aloha Cheng Lei.
Avy any Melbourne izy ary manan-janaka 2 tsy mbola nahita na niresaka taminy tao anatin'ny herintaona. Amin'ny maha mpanao gazety anay dia manahy izahay ny amin'ny fiantraikany ratsy ateraky ny fisamborana azy eo amin'ny asa fanaovan-gazety iraisam-pirenena.

Mangataka amin'i Shina ny naman'i Cheng Lei mba hanana fangorahana mba hampiaraka ilay mpanao gazety amin'ireo zanany roa any Aostralia. Tsy afaka mifandray amin'ny fianakaviany i Cheng Lei ary tsy mahazo misy mitsidika afa-tsy ny tompon'andraikitra ao amin'ny masoivoho Aostraliana indray mandeha isam-bolana ihany.

Mahatsiaro ny namako Cheng Lei tamin'ny tsingerintaona nisamborana azy. Mahavariana, mahafinaritra, mamiratra ary manan-talenta ~ manantena aho fa hihaona indray ary hody miaraka amin'ireo zanany 2 tsy ho ela izy.

Raha meloka dia mety higadra dimy hatramin'ny folo taona an-tranomaizina farafahakeliny i Cheng Lei.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.