- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kinasa hotontosaina amin'ny oktobra ny fifidianana ho filoham-pirenena ao Cape Verde

Sokajy: Cap Vert, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika

Ny foiben'ny Antoko PAICV ao São Filipe, Fogo, Cape Verde. Tao amin'ny Flickr Travel Aficionado, 2013 (CC BY-NC 2.0) The PAICV Party headquarters in São Filipe, Fogo, Cape Verde. Via Flickr [1] Travel Aficionado, 2013 (CC BY-NC 2.0)

Hotontosaina amin'ny 17 Oktobra ny fifidianana [2] manaraka ao Cape Verde, hamaritana izay ho filohan'ny Repoblika vaovao. Jorge Carlos Fonseca, filoham-pirenena ankehitriny, izay nametraka koa ny fihodinana faharoa ho amin'ny 31 oktobra no nametraka izany daty izany.

Navoaka tamin'ny 27 jolay ity didy hitsivolana avy amin'ny filoham-pirenena nametraka ny daty hanaovana ny fihodinana faharoa ity ary manan-kery avy hatrany, na dia efa nifanakalozana hevitra nanomboka ny volana janoary 2021 aza ny fandaharam-potoana. Natao tamin'ny oktobra 2020 kosa ny fifidianana kaominaly [3], ary tamin'ny aprily 2021 ny fifidianana mpanao lalàna [4].

Araka ny filazan'ny gazety A Nação [5], nanome toky i Arlinda Chantre, Tale Jeneralin'ny fanohanana ny fizotry ny fifidianana ao amin'ny Fitantanana Ankapobeny amin'ny Fitantanan-draharaham-panjakana (DGAP) fa hanamora ny fampitaovana amin'ny fifidianana ho avy ny fikambanan'izy ireo:

[…] Como é a segunda eleição do ano, parte da logística foi devidamente preparada com as eleições legislativas, o que nos garante que nós já temos todos os materiais disponíveis e estamos exatamente no processo de preparação dos materiais que devem ser enviados às mesas das assembleias de voto.

[…] Satria fifidianana faharoa amin'ity taona ity izany, nomanina araka ny tokony ho izy tamin'ny fifidianana mpanao lalàna ny ampahany amin'ny fampitaovana, izay manome toky antsika fa efa manana ny fitaovana rehetra ilaina isika ary eo am-panomanana ireo fitaovana izay tokony halefa any amin'ny latabatry ny biraom-pifidianana isika.

Manondro ny lalàmpanorenan'i Cape Verde fa fidiana amin'ny alàlan'ny latsa-bato ataon'ny mpifidy voasoratra anarana ao amin'ny firenena sy any ivelany ny filohan'ny Repoblika. Ireo olona manana zom-pirenena Cape Verdeana irery ihany sy mihoatra ny 35 taona, ary manana fonenana maharitra ao amin'ny faritra mandritra ny telo taona farafahakeliny alohan'ny androm-pifidianana no afaka mangataka izany toerana izany

Tranga momba ny fifidianana sy ny mombamomba ny kandidà ho filoham-pirenena

Nandritra ny fifidianana filoham-pirenena farany natao  [6]tamin'ny 2 Oktobra 2016, dia voafidy indray tamin'ny 74 isanjaton'ny vato i Jorge Carlos Fonseca avy ao amin'ny Antoko Hetsika ho an'ny Demaokrasia (MPD). Tsy azo fidiana intsony ny filoha amin'ny faran'ny fe-potoam-piasany faharoa, araka ny lalàna mifehy ny fetran'ny fotoam-piasana.

Samy nanendry an'i José Maria Neves sy Carlos Veiga ireo antoko politika lehibe indrindra ao Cape Verde, ny Antoko Afrikanina ho an'ny Fahaleovantenan'i Cape Verde (PAICV [7]) sy ny Hetsika ho an'ny demaokrasia (MPD [8]). Manana tanjaka ara-tantara sy ara-politika goavana ao Cape Verde ireo antoko ireo ary nanjakazaka  [9]tamin'ny sehatra ara-politika tao amin'ny firenena nandritra ny efa ho telopolo taona.

José Maria Neves no praiminisitra Cape Verdeana teo aloha izay voafidy intelo teo anelanelan'ny taona 2001 ka hatramin'ny 2016. Nitàna andraikitra politika maro ihany koa izy, toy ny filohan'ny antokony sy depioten'ny firenena.

Nilaza [10] ny PAICV, izay efa niady ho an'ny fahaleovantenan'i Cape Verde nanohitra ny Empira Portiogey fa manaiky ny “làlan'ny politika” an'ny kandidàny izy ary manondro azy ho “demaokraty resy lahatra” ary “mpampiroborobo ny soatoavin'ny fahalalahana sy ny fandeferana, ny rariny ara-tsosialy, ary ny fitoviana tombontsoa ho an'ny rehetra. ”

Nilaza i José Maria Neves fa, raha voafidy izy, dia te-hanasitrana ny fisaraham-bazan'ny firenena, hampihavana ireo mpanohana ny antoko mifandrafy ao amin'ny Fitantanam-panjakana, ary hampiroborobo ny fanarenana an'i Cape Verde taorian'ny krizy ara-toekarena, ara-tsosialy ary ara-pahasalamana nateraky ny areti-mandringana Coronavirus.

Praiminisitra teo aloha (1991 hatramin'ny 2000) i Carlos Veiga, mpilatsaka hofidina ho an'ny Antoko MPD, ary filohan'ny MPD teo aloha, izay nanampy tamin'ny fametrahana azy tamin'ny taona 1990. Nampanantena ny ho “filohan'ny Repoblika ambonin'ireo antoko” ary “ho kandidà tsy mizaha tavan'olona” ity politisiana [11] izay masoivohon'ny Firenena tao Etazonian'i Amerika ity.

Veiga, mpisolovava, no lohan'ny governemanta voalohany voafidy tamin'ny fifidianana malalaka sy maro antoko tao amin'ny firenena, taorian'ny nitolomany nandritra ny dimy ambin'ny folo taona teo ambanin'ny fitondrana antoko tokana an'ny Antoko Afrikanina ho an'ny Fahaleovantenan'i Guinea sy Cape Verde (fantatra amin'ny anarana hoe PAICV). Fanintelony ity kandidà ity no milatsaka hofidiana filoham-pirenena, efa nilatsaka tamin'ny 2001 sy 2006.

Ho fampisehoana ny fanohanany an'i Neves taorian'ny fanambarana fampielezan-kevitra nataony dia nanomboka nanohy ny teny filamatra “Miaraka amin'i Cape Verde ao am-ponao foana ianao, Fitiavana aloha.”

Ernestina Pina nanoratra tao amin'ny Facebook, nilaza hoe [12]:

Amar Cabo Verde para um futuro melhor. Viva Cabo Verde!

Tia an'i Cape Verde ho an'ny ho avy tsara kokoa. Ho ela velona i Cape Verde!

Niombon-kevitra [13] i Tito Monteiro:

Um homem certo para um lugar certo. Doutor José Maria Neves.

Olona mendrika amin'ny toerana. Doctor José Maria Neves.

Mitovy amin'izany ihany koa, miangona hanohana azy ny mpanohana an'i Veiga rehefa nandeha ny dokambarotra fanentanam-pifidianana [14]. Hoy ny fivakin'ny dokambarotra, “Kalu — Carlos Veiga President.”

Mpanohana iray, José Manuel Moreno, milaza hoe: [15]

Estamos juntos, juntos somos mais fortes. Dr. Carlos Veiga, somos invencíveis.

Miaraka isika, matanjaka kokoa isika rehefa miaraka. Dr. Carlos Veiga, tsy mety resy isika

Mpisera hafa kosa, João Borrego, naneho hevitra hoe: [16]

Dr. Carlos Veiga, alegria contagiante. Obrigado. Viva o futuro Presidente de Cabo Verde.

Dr. Carlos Veiga, hafaliana mihanaka. Mankasitraka. Ho ela velona ny Filoha Hoavin'i Cape Verde.

Tamin'ny fifidianana monisipaly [17] 2020, nandresy tamin'ny monisipalite 14 amin'ny 22 ny MPD, raha ampitahaina amin'ny PAICV, izay nahazo ny maro an'isa tamin'ny monisipalite valo. Tamin'ny taona 2021, nandritra ny fifidianana mpanao lalàna [18] tamin'ny avrily 2021, voaaron'ny MPD ny fanjakazakany tamin'ny fahazoana toerana 7 farafahakeliny mihoatra noho izay azon'ny PAICV (nahazo ny 36 amin'ny 72). Hanomboka volana septambra ny fifidianan'ny antoko sy ny an'ny firenena.