- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miala tsiny tamin'ny fanafihana mangiran-dratsy nahazo ny fokonolona Pasifika taompolo 1970s ny governemantan'i Nouvelle Zéllande

Sokajy: Oseania, Nouvelle Zelande, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifindràmonina, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara, Zon'olombelona
[1]

Akanjo nentindrazana Samoana nampiasaina rehefa nanao fialantsiny tamin'ny fanafihana mangiran-dratsy nikendrena ny vondrom-piarahamonina Pasifika tamin'ny taompolo 1970s ny Praiminisitr'i Nouvelle Zellande Jacinda Ardern. Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube [1] Radio Samoa iray.

Nanolotra [2] “fialantsiny amin'ny fomba ofisialy sy feno” ho an'ny vondrom-piarahamonina Pasifika ao amin'ny firenena ny Praiminisitr'i Nouvelle Zéllande Jacinda Ardern noho ireo fanafihana vao mangiran-dratsy nataon'ny polisy sy ny manampahefana amin'ny resaka fifindramonina tamin'ny taompolo 1970s.

Nanomboka marsa 1974 ka hatramin'ny taona 1976 izany fanafihana izany. Nandritra izany fotoana izany i Nouvelle Zellande nitarika fanafihana an-tranon'olona tanelanelan'ny tamin'ny 11 ora alina ka hatramin'ny telo maraina hisamborana sy handroahana olona “nonina ela loatra” tao amin'ny firenena. Nampangaina ho nanao fanavakavahana ireo vondron'olona avy any Pasifika ny manampahefana.

Nandrisika ireo firenena Pasifika i Nouvelle Zellande handefa mpiasa taorian'ny ady lehibe faharoa izany nanampy ny sehatrasan'ny fanodinana ao amin'ny firenena hivelatra. Saingy nandritra ny fitotongana tamin'ny fiandohan'ny taompolo 1970s, niakatra be ny tsy fananan'asa izay nibedesana tsy ara-drariny ny fidiran'ny mpifindramonina avy amin'ny firenena Pasifika. Narahana fisavana sy famotorana nikendrena [3] ireo vondrom-piarahamonina pasifika sy ny fianakaviany izany.

Nandritra ny fialantsiny nataony i Arden nanoritsoritra [4] ny fomba nitaritaritana ny mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina “nankany amin'ny komisariàn'ny polisy ka hatramin'ny fisehoana tao amin'ny fitsarana ny ampitson'io tsy nikapa na nikiraro, nanao pajamas, na akanjo nampindramina azy ireo tao an-tranomaizina; nohazonina tamim-pahadisoana ny hafa.”

Nanao ny fialantsininy i Ardern nandritra ny fihaonana tao amin'ny lapan'ny tanàna [1] tao Auckland tamin'ny voalohany volana aogositra:

I stand before you as a symbol of the Crown that wronged you nearly 50 years ago.

Today, I stand on behalf of the New Zealand Government to offer a formal and unreserved apology to Pacific communities for the discriminatory implementation of the immigration laws of the 1970s that led to the events of the dawn raids.

The Government expresses its sorrow, remorse and regret that the dawn raids and random police checks occurred and that these actions were ever considered appropriate.

Mijoro eto anatrehanareo aho ho mariky ny Satro-piandrianana izay nandiso anareo efa ho 50 taona lasa izay.
Androany aho mijoro amin'ny anaran'ny governemantan'i Nouvelle Zellande hanolotra fialantsiny amin'ny fomba ofisialy sy feno ho an'ny vondrompiarahamonina Pasifika noho ny fametrahana lalam-pifindramonina manavakavaka tamin'ny taompolo 1970s izay nitarika ho amin'ny fanafihana mangirandratsy.
Maneho ny alahelony, ny kaiki-molotra ary ny fialantsiny fa nitranga ny fidirana an-tranon'olona mangiran-dratsy sy ny fisavana nataon'ny polisy ary tsy noheverina mihitsy ho nety izany fihetsika natao izany.

Nanatrika ny lanonana ny minisitry ny fampivelarana ara-tsosialy Carmel Sepuloni, izay taranaka Tongan:

Fotoana misy ventiny teo amin'ny tantaran'i Pasifika sy Nouvelle Zellande androany. Ny fiposahan'ny maraimbe vaovao. Manampanantenana aho fa ny fialantsiny androany dia hanana anjara toerana lehibe ao amin'ny fizotram-panasitranana ho an'ny vahoakanay, ny aiga-nay ary ny fanau-nay

Nampifandraisain [8]‘ny Minisitra misahana ny vahoaka Pasifika Aupito William Sio, izay teraka tany Samoa, tamin'ny fanavakavaham-bolonkoditra ny fanafihana mangiran-dratsy:

The harm that was caused on a proud people was wrong.

We now know that this was racism of the worst kind.

Huge numbers of overstayers from Europe and America were basically left untouched.

It was wrong then, it is wrong today, it will always be wrong – racism, discrimination, prejudice – whatever form it takes is wrong.

Hadisoana ny fandonana natao tamin'ny mponina manankambo.
Fantatsika ankehitriny fa fanavakavaham-bolonkoditra amin'ny karazany ratsy indrindra izany.
Tsy nokitikitihina amin'ny ankapobeny ireo maro dia maro nitoetra ela tafahoatra avy any Eoropa sy Amerika.
Hadisoana tamin'izany, hadisoana amin'izao fotoana, hadisoana hatrany rahatrizay – fanavakavaham-bolonkoditra, fanilikilihana, fieritreretan-dratsy – na inona na inona endriny dia hadisoana.

Printsesy Mele Siu'ilikutapu Kalaniuvalu Fotofili avy any Tonga nanaiky [9] ny fialan-tsinin'i Ardern:

I am very grateful for your Government for making the right decision to apologise to right the extreme, inhumane, racist and unjust treatment specifically against my community in the dawn raids era.

Let me assure you that we have accepted the fact that some of our people at the time were on the wrong side of the law – yes.

This should not have warranted the unleashing of police dogs on our people, the raids of our houses in the early hours of the morning and many other extreme measures put in place at the time.

Mankasitraka indrindra ny governemantanao aho amin'ny fandraisana fanapahankevitra izay mety amin'ny fialantsiny tamin'ny fikitakitàna faratampony, fanavakavahana sy tsy rariny natao manokana tamin'ny vondrom-piarahamonina misy ahy tamin'ny vanim-potoanan'ny fanafihana mangiran-dratsy.
Avelao aho hanome antoka anao fa nanaiky ny zavamisy izahay fa nisy tamin'ny vahoakanay tamin'izany fotoana izany no nifandiso toerana tamin'ny lalàna – eny.
Fa tsy tokony nahatonga ny fandefasana ny alikan'ny polisy tamin'ny vahoakanay izany, ny fanafihana ny tranonay vao maraimbe sy ireo fepetra maro tafahoatra napetraka tamin'izany fotoana izany.

Nankatoa ny mahazavadehibe ara-tantara ilay fialantsiny ny setriny hita ao amin'ny Twitter:

Fantatro fa tsy ho ampy mihitsy ny fialantsinin'i NZ ho an'ny vahoaka Pasifika tamin'ny fanafihana mangirandratsy ary tsy ho solon'ny rariny (fitsarana) izany, saingy mbola tazana mila jerena izany noho ny fonenako amin'ny firenena iray izay mbola tsy mankatoa ny tantaram-panjanahantaniny ny governemantany ary miezaka mafy mba ho ivelan'ny lalàna ny fampianarana izany.

Nisy ireo mpiserasera izay manankavana manana ratrampo tavela tamin'ireny fanafihana ireny:

Fihetseham-po maro eo am-piandrasana ny fialan-tsiny tamin'ny fanafihana mangiran-dratsy (naondrana ny raiko Chuck Thompson ary niasa tamin'ny biraon'ny fifandraisam-poko avy eo sy tamin'ny fanabeazana) ????️‍?

Nisy ireo nankafy fa ny fomba fifonana (fialantsiny) Samoana no nampiasaina tamin'ny fihaonana tao amin'ny lapan'ny tanàna:

Oay mahalatsa-dranomaso ahy ny praiminisitra Jacinda Ardern & ny governemanta NZ manao ‘ifoga’ izay amin'ny kolontsaina Samoana dia fanehoana ampahibemaso ny famelankeloka. Manana anjara toerana fototra ity fotoana ity ho anay vahoaka polyneziana ?✨

Ilay mpanao gazety Tim Murphy namehy [16] fotoana nampihetsipo nandritra ny programa:

But the enduring memory of this historic event, beyond the sight of the ritual ifoga covering of Ardern and the tears – from Tongan Princess to commoner pictured high in the town hall on the livestream – beyond the singing and moments of laughter, will be a few minutes of profound audio played at the beginning.

In a silent town hall, a series of loud knocks on doors – knocks, bangs, thuds, dogs barking, faint sirens, people distressed, babies crying.

These were the sounds of injustice.

Saingy ny fahatsiarovana tafaraikitra amin'ity hetsika manan-tantara ity, mihoatra ny fahitana ny fombafomba ifoga mandrakotra an'i Ardern sy ny ranomaso – avy amin'ny Printsesy Tonganina ka hatramin'olon-tsotra nakarina avo an-tsary ao amin'ny lapan'ny tanàna mandritra ny mivantana (an'aterineto) – mihoatra ny fihirana sy ireo fotoana fihomehezana, dia ny minitra vitsy ahenoana feon-kira lalina nilalaovina tany am-piandohana.
Ao amin'ny lapan'ny tanàna mangina, ahenoana andian-dondòna mafy am-baravarana – dondòna, vely, katrokatroka, alika mivovò, kiririoka, olona sorena, zazakely mitomany.
Ireo no feon'ny tsy rariny.

Nambaran'i [17] Ardern andiam-pandaharana maro ahitana vatsim-pianarana sy finamanana mihoatra ny $3.1 tapitrisa ho an'ny tanoran'i Pasifika, sy fitaovam-pianarana fanampiny hanabeazana ny tanora momba ny tarazo mandratra navelan'ny fanafihana mangiran-dratsy.