- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Notendrena ho praiminisitra any Armenia indray i Nikol Pashinyan 

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Armenia, Fanoherana, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika

 

Nikol Pashinyan. Saripikan'ny masoivohom-baovao Mehr, CC BY 4.0, tao amin'ny Wikimedia Commons

Nanendry an'i Nikol Pashinyan ho praiminisitry ny firenena tamin'ny alatsinainy 1 Aogositra ny filoham-pirenena Armeniana Armen Sarkissian. Taorian'ny fandresen'ny [1] Antokon'i Pashinyan Antoko Fifanarahana Sivily tamin'ny fifidianana mialoha ny fotoana tamin'ny volana Jona ny fanendrena. Niasa ho praiminisitra mpisolo toerana i Pashinyan hatramin'ny fanendrena ofisialy azy tamin'ny 1 aogositra lasa teo.

Taorian'ny fifidianana parlemantera mialoha ny fotoana tamin'ny volana Jona, nahazo ny fandresena ny Antoko Fifanarahana Sivily, nahazo toerana 71 tamin'ireo seza parlemantera miisa 107. Ny seza sisa tavela dia lasan'ny mpikambana ao amin'ny Armenia Alliance (toerana 29) notarihin'ny filoha teo aloha Robert Kocharyan, ary ny fiaraha-mitantana I Have Honor (toerana 7) notarihin'ny filoha teo aloha Serzh Sargsyan. Mitotaly 21 ny isan'ireo antoko ary fiaraha-mitantana miisa efatra no nandray anjara tamin'ny fifidianana tamin'ny volana Jona (nahitana antoko miisa 22 ny lisitra voalohany, saingy nisy antoko iray nihemotra talohan'ny latsa-bato). Nahatratra 2.623 ny isan'ireo kandidà, nahitana vehivavy miisa 965 (37 isanjato) izany.

Ny Alatsinainy teo no nivory ny parlemanta vao voafidy, ary nofantenan'ny [2] mpikambana ao amin'ny Antoko Fifanarahana Sivily ho kandidà praiminisitra i Pashinyan. Taorian'ny fifantenana azy dia nanao sonia [3] ny didim-panjakana manamafy ny fanendrena azy ny filoha Armen Sarkissian.

Nikol Pashinyan no notendren'ny filoham-pirenena Armen Sarkissian ho praiminisitra ao Armenia, raha niverina indray ny parlemantera taorian'ny fifidianana tamin'ny volana Jona.

Tonga teo amin'ny fahefana i Pashinyan taorian'ny nitarihany ny revolisiona tamin'ny taona 2018, nampanantena [5] fanavaozana ara-toekarena sy ny fanalana ireo mpanefoefo sy mpanao ampihimamba nanjaka teo aloha. Na izany aza, tamin'ny volana Novambra 2020 izy vao nalaza rehefa resy tamin'ny ady Nagorno-Karabakh [6] nifanaovana tamin'i Azerbaijan mpifanila vodirindrina aminy ny firenena. Nifarana ny ady tamin'ny fampitsaharana ady notarihin'i Moskoa izay namerina indray ny fiandrianan'i Baku tamin'ny faritra Nagorno-Karabakh sy ireo distrika manodidina ary heverina fa tsy nahomby i Pashinyan tamin'izany.

Volana vitsivitsy nanaraka izany, nametra-pialana [7] izy rehefa nitombo ny fanakianana [8] tamin'ny fitantanan'ny PM ny ady, araka ny notinakin'ny lalàna, mba hamelana ny fifidianana raha mbola mijanona ho mpitondra ny firenena hatrany izy.

Nandritra ny fotoam-pivoriana voalohany tao amin'ny parlemanta, voalaza [9] fa nanohitra tamin'ny fikapohana latabatra ny vondrona nisolo tena an'i Kocharyan raha niteny tamin'ireo mpikambana ny mpandahateny. Nanatevin-daharana azy ireo ny mpikambana ao amin'ny antokon'i Sargsyan.

Fivorian'ny parlemanta vaovao voalohany ao Armenia ary toy izao izany. Ho toy izao ve izany ao anatin'ny 5 taona hoavy?

Nanomboka androany ny parlemanta vaovao ao Armenia, mandefasa fanampiana. Toa tena ratsy sahady izy izany.

“Ireo mpanao lalàna avy amin'ny mpanohitra mitaky ny famotsorana tsy misy hatak'andro ny roa amin'ireo mpiara-miasa aminy nosamborina tamin'ny volana lasa teo no anton'ny fihetsiketsehana izay heverin'izy ireo fa fiampangana ara-politika”, hoy ny tatitra [9] nataon'ny Radio Azatutyun, Radio Free Europe amin'ny fiteny Armeniana io. Nosamborina [14] ilay mpanao politika Mkhitar Zakarian sy Artur Sargsian noho ny fiampangana heloka bevava samy hafa tamin'ny fanararaotam-pahefana sy fisandohana tamin'ny volana lasa teo, fiampangana izay samy nolavin'izy roa ireo.

“Tsy hoe tsy nanatrika ny fivorian'ny [parlemanta] i Atoa Zakarian sy Atoa Sargsian fa natao takalon'aina. Te hanatrika ny fotoam-pivorian'ny parlemanta toa anareo ihany koa izy ireo, saingy tsy navela izy ireo, ” hoy i Aram Vardevanian, mpikambana ao amin'ny vondrona Hayastan an'i Kocharyan [Armenia], izay nanao antso avo tamin'ny maro an'isa parlemanta mpanohana ny governemanta, hoy ny tatitra [9] nataon'ny Radio Azatutyun.

Mandritra izany fotoana izany, mpikambana ambony iray ao amin'ny Fifanarahana Sivily no nandà [9] ny fitakiana, nilaza fa samy voasambotra i Zakarian sy Sargsian talohan'ny naha-mpikambana azy tao amin'ny parlemanta.

Rehefa nanendry ny mpikambana ao amin'ny antoko Alen Simonian ho mpitondratenin'ny parlemanta vaovaon'ny parlemanta ny antoko eo amin'ny fitondrana dia nivoaka tao amin'ny efitranom-pivoriana ny mpikamban'ny mpanohitra roa tonta.

Niala tao amin'ny lapan'ny antenimieram-pirenena ny mpanohitra “Alliance Armenia” sy “I Have Honor” satria natolotra ho kandida mpitondra tenin'ny parlemanta ny anaran'i Alen Simonyan.