
Nikol Pashinyan. Saripikan'ny masoivohom-baovao Mehr, CC BY 4.0, tao amin'ny Wikimedia Commons
Nanendry an'i Nikol Pashinyan ho praiminisitry ny firenena tamin'ny alatsinainy 1 Aogositra ny filoham-pirenena Armeniana Armen Sarkissian. Taorian'ny fandresen'ny Antokon'i Pashinyan Antoko Fifanarahana Sivily tamin'ny fifidianana mialoha ny fotoana tamin'ny volana Jona ny fanendrena. Niasa ho praiminisitra mpisolo toerana i Pashinyan hatramin'ny fanendrena ofisialy azy tamin'ny 1 aogositra lasa teo.
Taorian'ny fifidianana parlemantera mialoha ny fotoana tamin'ny volana Jona, nahazo ny fandresena ny Antoko Fifanarahana Sivily, nahazo toerana 71 tamin'ireo seza parlemantera miisa 107. Ny seza sisa tavela dia lasan'ny mpikambana ao amin'ny Armenia Alliance (toerana 29) notarihin'ny filoha teo aloha Robert Kocharyan, ary ny fiaraha-mitantana I Have Honor (toerana 7) notarihin'ny filoha teo aloha Serzh Sargsyan. Mitotaly 21 ny isan'ireo antoko ary fiaraha-mitantana miisa efatra no nandray anjara tamin'ny fifidianana tamin'ny volana Jona (nahitana antoko miisa 22 ny lisitra voalohany, saingy nisy antoko iray nihemotra talohan'ny latsa-bato). Nahatratra 2.623 ny isan'ireo kandidà, nahitana vehivavy miisa 965 (37 isanjato) izany.
Ny Alatsinainy teo no nivory ny parlemanta vao voafidy, ary nofantenan'ny mpikambana ao amin'ny Antoko Fifanarahana Sivily ho kandidà praiminisitra i Pashinyan. Taorian'ny fifantenana azy dia nanao sonia ny didim-panjakana manamafy ny fanendrena azy ny filoha Armen Sarkissian.
Nikol Pashinyan has been appointed Prime Minister of Armenia by President Armen Sarkissian, as parliament restarts following June's elections.
— OC Media (@OCMediaorg) August 2, 2021
Nikol Pashinyan no notendren'ny filoham-pirenena Armen Sarkissian ho praiminisitra ao Armenia, raha niverina indray ny parlemantera taorian'ny fifidianana tamin'ny volana Jona.
Tonga teo amin'ny fahefana i Pashinyan taorian'ny nitarihany ny revolisiona tamin'ny taona 2018, nampanantena fanavaozana ara-toekarena sy ny fanalana ireo mpanefoefo sy mpanao ampihimamba nanjaka teo aloha. Na izany aza, tamin'ny volana Novambra 2020 izy vao nalaza rehefa resy tamin'ny ady Nagorno-Karabakh nifanaovana tamin'i Azerbaijan mpifanila vodirindrina aminy ny firenena. Nifarana ny ady tamin'ny fampitsaharana ady notarihin'i Moskoa izay namerina indray ny fiandrianan'i Baku tamin'ny faritra Nagorno-Karabakh sy ireo distrika manodidina ary heverina fa tsy nahomby i Pashinyan tamin'izany.
Volana vitsivitsy nanaraka izany, nametra-pialana izy rehefa nitombo ny fanakianana tamin'ny fitantanan'ny PM ny ady, araka ny notinakin'ny lalàna, mba hamelana ny fifidianana raha mbola mijanona ho mpitondra ny firenena hatrany izy.
Nandritra ny fotoam-pivoriana voalohany tao amin'ny parlemanta, voalaza fa nanohitra tamin'ny fikapohana latabatra ny vondrona nisolo tena an'i Kocharyan raha niteny tamin'ireo mpikambana ny mpandahateny. Nanatevin-daharana azy ireo ny mpikambana ao amin'ny antokon'i Sargsyan.
First session of #Armenia new parliament and here is what it looks like. Is it gonna be like this in the coming 5 years? pic.twitter.com/vTPTP5ijFi
— Olesya Vartanyan (@Olesya_vArt) August 2, 2021
Fivorian'ny parlemanta vaovao voalohany ao Armenia ary toy izao izany. Ho toy izao ve izany ao anatin'ny 5 taona hoavy?
New parliament of Armenia started today, send help. It's already looking really bad.
— sam martirosyan (@mrtrsyns) August 2, 2021
Nanomboka androany ny parlemanta vaovao ao Armenia, mandefasa fanampiana. Toa tena ratsy sahady izy izany.
“Ireo mpanao lalàna avy amin'ny mpanohitra mitaky ny famotsorana tsy misy hatak'andro ny roa amin'ireo mpiara-miasa aminy nosamborina tamin'ny volana lasa teo no anton'ny fihetsiketsehana izay heverin'izy ireo fa fiampangana ara-politika”, hoy ny tatitra nataon'ny Radio Azatutyun, Radio Free Europe amin'ny fiteny Armeniana io. Nosamborina ilay mpanao politika Mkhitar Zakarian sy Artur Sargsian noho ny fiampangana heloka bevava samy hafa tamin'ny fanararaotam-pahefana sy fisandohana tamin'ny volana lasa teo, fiampangana izay samy nolavin'izy roa ireo.
“Tsy hoe tsy nanatrika ny fivorian'ny [parlemanta] i Atoa Zakarian sy Atoa Sargsian fa natao takalon'aina. Te hanatrika ny fotoam-pivorian'ny parlemanta toa anareo ihany koa izy ireo, saingy tsy navela izy ireo, ” hoy i Aram Vardevanian, mpikambana ao amin'ny vondrona Hayastan an'i Kocharyan [Armenia], izay nanao antso avo tamin'ny maro an'isa parlemanta mpanohana ny governemanta, hoy ny tatitra nataon'ny Radio Azatutyun.
Rehefa nanendry ny mpikambana ao amin'ny antoko Alen Simonian ho mpitondratenin'ny parlemanta vaovaon'ny parlemanta ny antoko eo amin'ny fitondrana dia nivoaka tao amin'ny efitranom-pivoriana ny mpikamban'ny mpanohitra roa tonta.
Opposition “Armenia Alliance” and “I Have Honor” leave the national assembly hall as Alen Simonyan's name is introduced as candidate for speaker of the parliament. pic.twitter.com/rrCIcwg3MZ
— 301?? (@301_AD) August 2, 2021
Niala tao amin'ny lapan'ny antenimieram-pirenena ny mpanohitra “Alliance Armenia” sy “I Have Honor” satria natolotra ho kandida mpitondra tenin'ny parlemanta ny anaran'i Alen Simonyan.