- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny tolona diplaomatika momba ny anaran'i Taiwan amin'ny Lalao Olaimpika

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Taiwan (ROC), Fanatanjahantena, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Politika, Lalao Olaimpika
[1]

Lokoin'ny mpiserasera ny saina voninkazo mamelan'ny komity olaimpika an'i Shina Taipei hivadika ho sainam-pirenen'i Taiwan. Pika avy amin'ny fantsona Youtube KT story [1].

Namokatra ny Lalao Olaimpikan'i Tokyo 2020 ho an'i Taiwan tamin'ny fahazoan'ny athletany medaly 10 [2] tamin'ny fotoana nanoratana, ka 2 ny medaly volamena. Na izany aza, rehefa nijoro teo amin'ny lampihazo handray ny loka sy ny fiarahabany ireo nahazo medaly volamenan'i Taiwan, dia tsy ny sainam-pirenen'i  Taiwan no nanodidina azy ireo, fa ny saina voninkazo mamelan'ny komity olaimpikan'i Taipei Shinoa.

Io saina io ihany no azon'ny ekipan'i Taiwan ampiasaina amin'ny Lalao Olaimpika satria mbola tsy eken'ny Komity Olaimpika Iraisampirenena (IOC) sy ny Firenena Mikambana ny fampiasana ny anaran'i Taiwan amin'ny fomba ofisialy: Repoblikan'i Shina (ROC), na ny anarana mahazatra azy, Taiwan, eo amin'ny sehatra iraisampirenena, noho ny fifandiran'i Shina sy i Taiwan

Lasa fanjakana mitondra tena ho azy i Taiwan hatramin'ny taona 1949 rehefa resy tamin'ny ady an-trano shinoa ny Kuomintang (KMT) fantatra ihany koa ho Antoko Nasionaly Shinoa. Nandositra an'i Shina ny mpikambana ao amin'ny antoko KMT ary nanorina indray ny ROC tao amin'ny nosy. Na izany aza, misisika i Shina fa manana ny fiandrianam-pireneny ao Taiwan izy.

Efa nandray anjara tamin'ny Lalao Olaimpika ny ROC na Taiwan hatramin'ny taona 1932. Na dia nanao ankivy ny lalao aza izy tamin'ny taona 1976 sy tamin'ny taona 1980 rehefa nandà hamela ny athleta hifaninana ambany anarana ROC ny firenena mampiatrano.

Niverina nandray anjara Olaimpika indray ny firenena tamin'ny taona 1984 taorian'ny fifanarahana [3] nifanaovan'ny komity olaimpikan'i Taiwan sy ny komity olaimpika  iraisampirenena tao Lausanne tamin'ny taona 1981. Nanomboka tamin'io fotoana io, afa-mandray anjara amin'ny Lalao Olaimpika i Taiwan raha mampiasa ny anarana Taipei Shinoa.

Lohahevitra saropady hatrany ny fanehoana ny sainam-pirenen'i Taiwan amin'ny lalao olaimpika. Nandritra ny lalao olaimpika notontosaina tao Londres tamin'ny taona 2012, maro ireo diso fanantenana [4] [mg] rehefa nesorina tamin'ny dokambarotry ny komity olaimpikan'i Londres an-dalambe ny sainam-pirenen'i Taiwan.

Maro ireo athleta Taiwaney no miteny fa mahavalaketraka sy manala baraka izany toe-javatra izany. Tamin'ny taona 2018, Chi Cheng, efa nahazo medaly olaimpika teo amin'ny athletisma, nitarika ny fikambanana Fanentanana ekipa Taiwan amin'ny Lalao Olaimpika Tokyo 2020 [4] [mg]’ no nampiaka-peo hanaovana referendum [5] hanovana ny anaran-dry zareo avy amin'i ‘Taipei Shinoa’ ho ‘Taiwan’ eo amin'ny fifaninanana fanatanjahantena iraisampirenena, ao anatin'izany ny Lalao Olaimpika Tokyo 2020.

Notontosaina tamin'ny novambra 2018 izany referendum izany. Na izany aza, tamin'ny jolay 2018, nesorin'ny komity olaimpikan'i Azia atsinanana ny zon'i Taiwan [6] hampiatrano ny Lalaon'ny Tanora Aziatika atsinanana 2019, ary nanambara ny mpitondratenin'ny Biraon'ny Raharaha Taiwan ao Shina fa io fanafoanana io no valin-kafatra amin'ny referendum. Tamin'io volana io ihany, nandefa taratasy tamin'ny governemantan'i Taiwan ny IOC [fr:CIO] mampitandrina [7] azy ireo fa ny fahafahan-dry zareo milalao olaimpika no lalaovin-dry zareo raha manova anarana ry zareo.

Tao anatin'ny tsindry iraisampirenena, 45,2 isanjaton'ny nandrotsa-bato no nanohana ary 54,8 isanjato koa no nanohitra tamin'ny referendum amin'ny fanovana anarana [5]

Na izany aza, mbola lavitry ny ho tafapetraka ny lohahevitry ny anarana entin'i Taiwan eo amin'ny lanonam-panatanjahantena iraisampirenena. Nikasa ny mbola hampanatontosa referendum indray i Chi Cheng mialoha ny [8] lalao olaimpika ao Paris amin'ny taona 2024.

Na dia tsy afa-nanova amin'ny fomba ofisialy ny anaran'ny ekipany aza i Taiwan ao amin'ny Olaimpikan'i Tokyo, nanondro [9] ny ekipa ‘Taiwan’ amin'ny teny japoney fa tsy ekipa ‘Taipei Shinoa’ ny mpanao filazana ao amin'ny Lalao Olaimpikan'i Tokyo rehefa niditra tao amin'ny kianjabe olaimpika nandritra ny lanonam-panokafanaMaro ireo olompirenena Taiwaney no niditra media sosialy hisaotra an'i Japana tamin'ny fankatoavan-dry zareo. Nanasongadina ny fotoana [10] tao amin'ny pejiny Facebook i Claire Wang, mpanao lalàna iray ao  Taiwan :

剛看完東京奧運進場儀式,實在是好感動!

聽說日本NHK 在播報時,是用「台湾(タイワン)」來介紹我們。

真心希望有朝一日,我們能真正以台灣之名登場!

Vao nahita ny lanonam-panokafana aho, ary mihetsi-po tokoa! Henoko ny NHK nampandroso antsika ho ‘Taiwan’ tao amin'ny fampielezam-peon'i Japana. Manantena tokoa aho fa indray andro any isika afaka mampiasa ny anarantsika manokana, Taiwan, ho entina amin'ny lalao olaimpika.

Na izany aza dia nosoritan'i Jhy-wey Shieh, diplaomaty Taiwan iray, fa tsy tsara ampiharina [11] amin'i Taiwan ny antso iraisampirenena hanovana anarana noho ny fanonjanonja politika ao anatin'ny CIO [en:IOC]: 

我可以告訴各位,以中國的勢力,他們真的是作得到以「台灣官方主導正名公投」為由達到讓台灣選手不能參賽的目的!

台灣/Taiwan要正名,沒錯,但是可以自己作的事,為什麼要冒險交給反對者參與決定?國際奧委會是中國的場子,不是台灣人的

Afa-miteny aminareo aho fa manana fahefana i Shina (ao amin'ny IOC) hibahana ny athletan'i Taiwan tsy handray anjara amin'ny Lalao amin'ny fiampangana ny governemanta Taiwan ho nanatontosa ny referendum. Marina fa tokony hampiasa ny anaran'ny firenena i Taiwan. Na izany aza, nahoana isika no sahisahy foana manome fanapahan-kevitra ho an'ny mpifanandrina amintsika? Toeram-pilalaovan'i Shina ny IOC, fa tsy an'i Taiwan.

Nanasongadina [12] tao amin'ny Facebook ihany koa i Lee Yian, mpanora-gazety avy amin'ny Initium, tranokalam-baovao fanadihadiana anjotra shinoa iray fa raha nanaiky handray anjara amin'ny lalao olaimpika amin'ny anarana ‘Taipei shinoa’ i Taiwan, dia mety hanandrana anarana avy amin'ny ‘Taipei Shinoa’ ho ‘Taipei Shina’ amin'ny hoavy ny governemanta shinoa:

今日你在中國官媒《新華網》輸入「中華台北」,已經搜尋不到任何詞條和報導了;在這屆東京奧運裡,中國也已經幾乎都是用「中國台灣」來稱呼台灣代表隊了。

Androany ianao raha mikaroka ny voambolana ‘Taipei Shinoa’ amin'ireo famoaham-baovao tantanan'ny fanjakana Xinhua, dia tsy hahita singa na tatitra ianao; Efa nampiasain'i Shina ny voambolana ‘Taipei Shina’ hanondroana ireo athelta Taiwaney mandritra ny lalao olaimpikan'i Tokyo. 

Somary manjavozavo kokoa ny voambolana ‘Taipei Shinoa’ satria manondro ny fiteny na ny foko Shinoa Han ny ‘Shinoa’. Etsy ankilan'izay, ‘Taipei Shina’ mety hampihevitra fa i Taiwan dia tanàna ireo ao anatin'i PRC, tahaka an'i ‘Hong Kong Shina’. Ny fanovana voambolana dia mety hanimba ny satan'i Taiwan amin'ny maha fanjakana mizaka tena sy mahaleotena azy.

Nanazava i Lee fa tamin'ny fanombohan'ny taona 2016, nametraka torolalana i Xinhua amin'ireo ‘voambolana voarara sy saropady eo amin'ny tati-baovao (《新聞信息報道中的禁用詞和慎用詞》) sy eo amin'ny sokajy miompana amin'ny ‘fikambanana iraisampirenena sy fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana eo amin'ny toekarena, varotra, kolontsaina ary fanatanjahantena iraisampirenena’, ny solontena Taiwaney tokony ho avy amin'ny ‘Taiwan Shina’ na ‘Taipei Shina’. Mila maka alalana avy amin'ny Minisiteran'ny Raharaham-Bahiny na avy amin'ny Biraon'ny Raharaha Taiwan ny seha-baovao raha hampiasa ny lohateny ‘Taipei Shinoa’ amin'ny tati-baovaony.

Efa lasa singa manandanja amin'ny tetikasa politika lehibe an'i Shina amin'ny ‘fampatanoràna [13] (matanjaka)’ eo ambany fitarihan'ny Filoha Shinoa Xi Jinping ny fampiraisana an'i Taiwan amin'i Shina. Tamin'ny taona 2019, nohazavain'i Xi bebe kokoa [14] fa ny fikambanana miaraka amin'i Taiwan no hitaratra ny maodelim-politikan'i Hong Kong amin'ny ‘Firenena Iray, Rafitra Roa’. Mifandrindra amin'ny velirano politikan'i Beijing ny fampiasana amin'ny fomba ofisialy ny ‘Taipei Shina’.

Mihevitra i Lee fa mbola hitohy ho sehatr'ady ara-politika ny voninahitra-amboara azon'i Taiwan amin'ny Lalao Olaimpika sy amin'ny sehatra iraisampirenena hafa.