- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nifampiampanga tamin'ny fifandonana vaovao i Armenia sy i Azerbaijan

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Armenia, Azerbaijan, Rosia, Ady & Fifandirana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara, Vaovao Mafana

 

Pikantsary nalaina tamin'ny horonantsary fanadihadiana [1], “In the Shadow of War: Voices from Nagorno-Karabakh,” natolotry ny OC Media

Nisy ny fifampitifirana teo amin'i Armenia sy Azerbaijan  tamin'ny 28 Jolay izay niafara tamin'ny fifandonana nahafatesan'olona betsaka indrindra hatramin'ny fampitsaharana ady notarihin'i Rosia izay natao hamaranana ny ady 44 andro teo amin'i Armenia sy Azerbaijan tamin'ny volana Novambra 2020. Samy nifanome [2] tsiny [3] ny firenena roa tonta tamin'ny fanombohana ny fifampitifirana sy tamin'ny fandikana ny fifanarahana fampitsaharana ady [4] tamin'io volana Novambra io.

Miaramila amperinasa Azerbaijaniana miisa roa farafahakeliny no naratra [5] raha ny filazan'ny Minisiteran'ny Fiarovam-pirenena Azerbaijan. Raha nilaza [3] kosa ny Minisiteran'ny Fiarovam-pirenena Armeniana fa miaramila Armeniana miisa telo no maty ary efatra no naratra. Nitranga andro vitsy monja taorian'ny fifampitifiran'ny [6] firenena roa teo akaikin'ny tanànakely Armeniana Yeraskh sy ny tanànakelin'i Heydarabad ao Azerbaijani ny fifandonana vao haingana indrindra.

Nilaza i Leyla Abdullayeva, mpitondratenin'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny any Azerbaijan tao anaty sioka iray fa i Armenia no tompon'andraikitra tamin'ny fifandonana tato ho ato:

Raha ny filazan'ny @wwwmodgovaz [7], nampirehitra ny ady indray ny fisian'ny tobin'ny tafika Azerbaijani tao amin'ny faritra Kalbajar any amin'ny sisintanin'ny #Armenia [8]-#Azerbaijan [9]. Miaramila amperinasa ?? 2 naratra. Andraikitr'i Armenia tanteraka ny firehatry ny fifanenjanana any amin'ireo faritry ny sisintanin'ireo fanjakana roa ireo!

Mandritra izany fotoana izany, nilaza ny Minisiteran'ny Fiarovam-pirenena ao Armenia fa: “Miankina amin'ny fitarihana ara-tafika-politika ao Azerbaijan ny andraikitra rehetra amin'ny fiharatsian'ny toe-draharaha.” Raha nilaza kosa Minisitry ny Raharaham-bahiny ao amin'ny firenena tamin'ny fanambaràna iray fa” nanao fanahy iniana nandrangitra ny ady ry zareo Azerbaijani.”

Nony kelikely tamin'io andro io ihany dia nifanaraka ny roa tonta fa hampitony ny fifanenjanana nandritra ny fandrosoan-kevitra iray novolavolain'i Rosia.

Tany am-piandohan'ny volana Jolay, samy nanentana ny roa tonta ny Vondrona Eoropeana sy Etazonia mba hampitony ny fifanenjanana.

Mbola mitohy ny fivoaran'ny toe-draharaha mampiahiahy ao amin'ny sisintanin'ny firenena ??-??. Manamafy ny antsonay amin'ny fifehezan-tena sy ny fanasarahana ny hery ary ny firosoana amin'ny dingana hitondrana vahaolana amin'ny olan'ny sisintany mba tsy hisian'ireo maty vaovao indray. ?? vonona hijoro hanampy ny andaniny roa.

????Միացյալ Նահանգները մտահոգված է Հայաստանի և Ադրբեջանի սահմանի երկայնքով գրանցվող միջադեպերով, հատկապես՝…

Posted by U.S. Embassy Yerevan [12] on Tuesday, July 20, 2021 [13]

Miahiahy ny amin'ny toe-draharaha any amin'ny sisintany manelanelana an'i Armenia sy Azerbaijan ny masoivohon'i Etazonia, tao akaikin'i Yeraskh/Sadarak ny vao haingana indrindra. Miantso ny roa tonta izahay mba hampitony haingana sy ampilaminana ny fifanenjanana ary hanohy amin'ny firosoana amin'ny fifanarahana ifotony.

Namoizana ain'olona [4] miisa 6.900 farafahakeliny ny ady tamin'ny herintaona. Ny fampitsaharana ady nosoniavina tamin'ny volana Novambra dia nahitana ny fifehezan'i Azerbaijan indray ny distrika fito rehetra mifanila sy ao anatin'i Nagorno-Karabakh izay nofehezin'ny foko Armeniana teo aloha.