Nanatevin-daharana ny fitantanana ny Global Voices i Nani Jansen Reventlow sy Rasha Abdulla

 

Nani Jansen Reventlow (Ankavia), Dr. Rasha Abdulla (Ankavanana). Sarin'i Nani Jansen Reventlow avy amin'i Testuro Miyazaki, nahazoana alàlana. Sarin'i Dr. Rasha Abdulla natolotr'i Rasha Abdulla.

Faly ny Global Voices manambara fa niampy mpikambana miavaka roa vaovao ny filankevi-pitantanana.

Nani Jansen Reventlow dia mpisolovava iraisampirenena feno ary manam-pahaizana manokana amin'ny zon'olombelona, tompon'andraikitra amin'ny fametrahana fenitra amin'ny raharaham-panehoan-kevitra manerana ny faritra nasionaly sy iraisam-pirenena maro. Izy no tale mpanorina ny Digital Freedom Fund, izay manohana ny mpiara-miasa any Eoropa hampandrosoana ny zo nomerika amin'ny alàlan'ny raharaham-pitsarana ara-stratejika. Mpampianatra lalàna ao amin'ny Sekoly fianarana Lalàna ao Columbia sady Profesora mpanampy ao amin'ny Sekolim-panjakana Blavatnik ao amin'ny Oniversite Oxford ihany koa i Nani.

Dr. Rasha Abdulla dia mpampianatra asa fanaovan-gazety sy ny fampitam-baovao ho an'ny daholobe ao amin'ny Oniversite Amerikana ao Kairo. Anisan'ny mahaliana azy ny fikarohana momba ny tambajotra sosialy sy ny fanetsehana olona maro, ny fahasamihafana amin'ny fampitam-baovao, ny fahalalahana maneho hevitra ary ny fandrindrana votoaty. Mpikambana teo aloha tao amin'ny Vondrona Mpanolo-tsaina Marosahanina ao amin'ny Seha-Dinika Fitantanana an'Aterineto (IGF MAG) tohanan'ny Firenena Mikambana izy ary nanoratra boky sy mônôgrafia miisa valo, anisan'izany ny “The Internet in the Arab World: Egypt and Beyond,” (ny aterineto amin'ny tontolo arabo: Ejipta sy ny mihoatra) ary lahatsoratra fikarohana maro, tatitra sy ny toko marobe amin'ny boky. Nahazo mari-pankasitrahana ara-pikarohana marobe ny fikarohana nataony momba ny tambajotra sosialy sy ny fikatrohana politika nitondra sy nandritra ny revolisiona tao Egypta, anisan'izany ny lokan'ny fikarohana AUC Excellence.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.