- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

“Istanbul no milay vaovao” hoy ny Minisiteran'ny Fizahantany sy ny Kolontsaina any Torkia, tsy ny rehetra anefa no miombon-kevitra amin'izany

Sokajy: Mediam-bahoaka

 

Pikantsary avy amin'ny horonantsary vaovaon'ny fizahantany any Istanbul. Nalaina tao amin'ny tranonkala GoTurkiye mampiseho ilay horonantsary [1].

Mpilatro tsara tarehy mankafy ny toeram-pisakafoana an-dalambe malaza, traceur mihazakazaka eny an-tampon-tranon'ny Grand Bazaar, fandehanana baka miaraka amin'ny voron-dranomasina sy ny mpilatro tsara tarehy, dite sy vatomamy Tiorka, zavakanto an-dalambe, mpandihy, lalana saika tsy misy olona, ary farany, fisakafoana miaraka ahatazanana ny Bosphorus (tsy misy Raki ilay zava-pisotro misy alikaola Tiorka malaza); izany rehetra izany sy ny maro hafa, no aseho amin'ny horonantsary fampiroboroboana vaovao “Istanbul no milay vaovao [2]”, navoakan'ny Ministeran'ny Fizahantany sy ny Kolontsaina any Torkia tamin'ny 27 Jolay. Na dia nanantena ny hampiroborobo ny firehereham-pirenena  sy ny fizahantany amin'ny alàlan'ity horonantsary ity aza ny minisitera dia tsy tratra ilay vokatra notadiavina satria nitobaka tokoa ny tsy fankasitrahana [3] tao amin'ny aterineto.

Tsy ilay Istanbul tena izy

Mpisera maro tao amin'ny Twitter no namely ny Minisiteran'ny Fizahantany sy ny Kolontsaina sy ny antokon'ny fitondrana Rariny sy Fampandrosoana (AKP) noho ny fivarotana ny sary tsy izy [4] mampiseho an'i Istanbul. Voatsikera ny horonantsary fampiroboroboana noho ny fanafenana ny karazana tolona maika ao Istanbul: ny zon'ny vehivavy, ny fahalalahana maneho hevitra, ny fahalalahan'ny fampitam-baovao, ny toekarena tsy mari-toerana ao amin'ny firenena, sy ny maro hafa. Lohahevitra iraisana no nipoitra hatrany avy amin'ireo mpitsikera an-tserasera: “Tena toerana tsara tarehy izy ity – aiza no misy azy?”

Is this Vogue [5] Italy shoot, or Mavi Jeans commercial ad? It is certainly not an ad for Istanbul.

Sary malaza [5] mampiseho an'i Italia, sa dokambarotra Mavi Jeans ? Azo inoana aloha fa tsy dokambarotra ho an'i Istanbul io.

Io ve no Torkia tsy misy AKP any amin'ny tontolo hafa mifanila aminy?

This [8] is a really beautiful place. Which country is it?

Tena [8] toerana tsara tarehy ity. Firenena aiza izy io?

Raha an'arivony ny valinteny tamin'ny sioka nataon'ny Ministeran'ny Fizahantany sy ny Kolontsaina, dia nanamarika  ireo “valinteny nafenina” izay hita eo ambanin'ilay sioka voalohany ny mpisera iray. Hita tao [9] ireo fanehoan-kevitra izay noezahin'ny tompon'ilay kaonty nafenina, na dia tsy dia tsara loatra aza.

The promo film [10] is fantastic. It does not feature not one AKP.

Mahafinaritra ilay sarimihetsika fampiroboroboana [10]. Tsy ahitana AKP na dia iray aza.

They did not include [11] my turbaned sister in the Istanbul promotional film.

Tsy nampidirin'izy ireo [11] tao amin'ny horonantsary fampiroboroboana an'i Istanbul ilay rahavaviko manao turban.

Istanbul aorian'ny AKP no tena anaran'ilay sarimihetsika.

Ary fotoana fohy monja no nisaina alohan'ny namoronan'ireo mpisera ny dika manesoeso mitovy amin'ilay horonantsary.

Ny zava-misy sy ny aorian'ny marina

Istanbul no milay vaovao (Dika tena izy)

Istanbul. Ilay milay vaovao

Namoaka horonantsary fampiroboroboana [21] iray hafa tamin'ny 13 Mey ny Minisiteran'ny Fizahantany sy ny Kolontsaina, raha tao anatin'ny fihibohana COVID-19 kosa ny ankamaroan'ny firenena. Mampiseho ireo mpiasa amin'ny hotely sy toerana mampiantrano vahiny hafa miarahaba ireo mpizahatany miaraka amin'ny arovavaorona mivaky ny hoe: “Ankafizo! Vita vakisiny aho!” raha misy feo miteny any ambadika any manao hoe: “trano fandraisam-bahiny manaraka ny fepetra ara-pahasalamana sy mpiasa vita vakisiny. Roa sosona ny fiarovana ho an'ny fizahantany hoy izahay. Fiadanan-tsaina hoy ny vahininay. Tongava mankafy ny toerana azo antoka, Turkish Riviera [22].”

Vetivety dia nahasarika tsikera [23] tao amin'ny tambajotra sosialy Tiorka ilay doka. Mpitarika [24] ny antoko [25] mpanohitra [26] marobe no niantso ilay horonantsary hoe “manala baraka.” Niantso ny fialan'ny Minisitry ny Fizahantany ankehitriny ny praiminisitra teo aloha, Ahmet Davutoğlu, tamin'ny sioka [27] iray. Nesorina ilay horonantsary tao anatin'ny 24 ora taorian'ny namoahana azy. Hatreto, mbola hita ao amin'ny aterineto ny “Istanbul no milay vaovao”, na eo aza ny tsikera maro.