- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nandray ny toerany ny praiminisitra vehivavy voalohany ao Samoa telo volana taorian'ny nandavan'ny mpitondra teo aloha ny fahareseny 

Sokajy: Oseania, Samoa, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika

 

[1]

Ny praiminisitra vaovao any Samoa Fiame Naomi Mata'afa. Loharanon-tsary: Pikantsary [1] avy amin'ny horonantsary YouTube nalefan'ny Talamua Media

Fiame Naomi Mata'afa no ho praiminisitra vehivavy voalohany any Samoa taorian'ny namoahan'ny Fitsarana Ambony ao amin'ny firenena ny didim-pitsarana tamin'ny 23 Jolay nanaiky [2] ny fandreseny tamin'ny fifidianana 9 Aprily [3][mg]. Nifandirana nandritra ny volana maro ny fifidianana rehefa samy nilaza ny fandreseny ny kandidà roa.

Nahazo vato parlemantera miisa 25 ny antoko Mpiaro ny Zon'olombelona (HRPP) an'ny fitondrana raha vato miisa 26 kosa no azon'ny antoko mpanohitra Fa’atuatua I le Atua Samoa ua Tasi (FAST) tarihin'i Fiame. Tonga teo amin'ny fitondrana ny HRPP tamin'ny taona 1982 ary ny mpitarika azy, Tuilaepa Dr Sa'ilele Malielegaoi, no praiminisitra nandritra izay 22 taona izay. Manambara [4] ny fahaverezan'ny fanohanan'ny besinimaro ny praiminisitra am-perinasa izay natoky tena tamin'ny fandresena tamin'ny fifidianana hafa indray ny fihenan'ny vato azon'ny antokon'ny fitondrana.

Tsy nanaiky ny fandresen'ny FAST i Tuilaepa sy ny HRPP ary nitondra ny raharaha tany amin'ny fitsarana araka ny lalàmpanorenana ao Samoa. Voatery ho teo amin'ny zaridaina ivelan'ny tranon'ny parlemanta no nanao ny fianianana i Fiame sy ny mpikambana voafidy hafa ao amin'ny FAST taorian'ny nanidian'ny mpiaradia amin'ny HRPP ny tranobe tamin'ny 24 Mey.

Nilaza ny fianianana ho tsy araka ny lalàna i Tuilaepa ka niandraikitra ny asan'ny praiminisitra manao ny asa fampihodinan-draharaha raha mbola niady hevitra momba ny raharaha ny fitsarana. Nandray ny fanapaha-kevitra [5] ihany ny fitsarana tamin'ny 23 Jolay izay namarana ny sakana tamin'ny fitarihana ny firenena.

Nanao fivoriana [6] niaraka tamin'ny mpikambana ao amin'ny Kabinetrany ny ampitson'io i Fiame. Nivoady [7] izy fa hanao ho laharam-pahamehana ny fandaniana ny lalànan'ny tetibolam-panjakana tamin'ny kabary nataony ho an'ny daholobe:

My administration is committed to returning this country to the special place dreamt of by our forefathers when they grabbed the mantle of independence almost 60 years ago.

Today, I and Cabinet met with key officials to begin transition of our new government into office.

At the earliest opportunity next week, Parliament will convene to carry out its first order of business to pass a budget to ensure the ongoing operations of Government.

Ny fitantanan-draharaham-pitondrako dia manolo-tena hamerina ity firenena ity amin'ny toerana nofinofisin'ireo razambentsika rehefa nisalotra ny fahaleovantena izy ireo 60 taona lasa izay.

Androany, nihaona tamin'ireo tompon'andraikitra ambony izaho sy ny Kabinetra mba hanombohana ny famindram-pahefana ho an'ny governemantanay handray ny asany.

Hivory ny parlemanta amin'ny fotoana voalohany indrindra amin'ny herinandro hoavy izao hanatanteraka ny fivoriany tsy ara-potoana voalohany handaniana ny teti-bola hiantohana ny fitohizan'ny asan'ny Governemanta.

Ho an'i Tuilaepa dia nofariparitany [8] ho toy ny “tsy mifanaraka amin'ny lalàmpanorenana sy tsy misy fanajana” ny didim-pitsarana saingy nanomboka [9] niala tamin'ny toerany izy.

Namoaka lahatsoratra [10] ny gazety Samoa Observer nandrisika ny governemanta vaovao handroso fa tsy hijanona amin'ny politikan'ny famaliana faty:

…our focus on a nation should be on moving forward and making progress not giving into the base and tribal instincts of politics.

The best answer to her critics will be for Fiame to govern well.

And if her administration is able to identify past instances of money lost through improper or negligent practices then imposing new standards will significantly boost her progress.

The court’s surprise retrospective installation of a new Government is a fittingly unexpected end to the highly convoluted story of Samoa’s April election of 2021.

Having Samoans unite and come together in spite of everything that has brought us to this point would be the ultimate conclusion.

… amin'ny firosoana sy fivoarana no ifantohantsika amin'ny firenena fa tsy ny hitolo-batana ho amin'ny fironam-pototra sy fironam-poko amin'ny politika.

Ny valiny tsara indrindra ho an'ireo mpitsikera azy dia ny hitantanan'i Fiame tsara ny governemanta.

Ary raha afaka mamantatra ireo fahaverezan'ny vola noho ny fomba fanao tsy mety na noho ny tsy fitandremana teo aloha ny fitantanan-draharaham-panjakany dia ny fametrahana fenitra vaovao no hanafaingana ny fandrosoany.

Nampitsahatra tamin'ny fomba tsy nampoizina ny tantaran'ny resabe momba ny fifidianana tamin'ny volana Aprily 2021 tao Samoa ny fametrahan'ny fitsarana ny governemanta vaovao.

Ny firaisankina sy fiaraha-mientan'ny Samoana na eo aza ny zava-drehetra izay nahatonga antsika amin'izao fotoana izao no fehiny farany indrindra.

Nanontany [11] mponina maro ihany koa ny Samoa Observer momba ny fanapaha-kevitry ny fitsarana. Theresa Grace Finau no anisan'ireo nanatri-maso ny fianianana tamin'ny volana Mey:

I was there under the tent where the swearing in ceremony was held by FAST party. It was nothing unlawful and even if it was under a tree or whatever if it's time to convene parliament then let it push through. I would like to congratulate our first female Prime Minister Fiame Naomi Mataafa. All the best with the new Government of Samoa.

Teo ambanin'ny tranolay nanaovan'ny antoko FAST ny fianianana aho. Tsy nisy tsy ara-dalàna izany na dia teo ambany hazo na zavatra hafa aza no nanaovana azy, koa raha tonga ny fotoana hampiantsoana ny parlemanta dia avelao izy handroso. Miarahaba ny praiminisitra vehivavinay voalohany Fiame Naomi Mataafa aho. Mirary soa ho an'ny Governemantan'i Samoa vaovao.

Nankatoavin'ny [12] firenena sy andrim-panjakana maro manerana ny Pasifika ny didim-pitsarana. Iray amin'ireo mpitondra any Pasifika niarahaba [13] ny fandresen'i Fiame ny praiminisitra ao Nouvelle Zélande Jacinda Ardern:

It was such a pleasure to speak this morning with Samoa’s Prime Minister-Fiame Naomi Mata’afa, and congratulate her on behalf of New Zealand on her election victory. This is such a historic moment for Samoa’s democracy.

Tena nahafinaritra ny niresaka tamin'ny praiminisitra ao Samoa Fiame Naomi Mata'afa tamin'ity maraina ity, ary niarahaba azy amin'ny anaran'ny Nouvelle Zélande tamin'ny fandreseny tamin'ny fifidianana. Fotoana manan-tantara ny toy izao ho an'ny demokrasian'i Samoa.

Hivory [14] amin'ity herinandro ity ny parlemantan'i Samoa vaovao.