- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nesorina tamin'ny asany tamin'ny didim-panjakana navoaka andro alina ny sojabe notendren'ny governemanta

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tiorkia, Fahalalahàna miteny, Fampandrosoana, Fanabeazana, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora, Vaovao Mafana, Vaovao Tsara

 

Pikantsary tao amin'ny Ulke TV mitatitra ny fanesorana an'i Bulu tao amin'ny biraony: https://www.youtube.com/watch?v=i4a9b-_W3d4

Nandritra ny volana maromaro no nakorontan'ny [1] hetsi-bahoaka ny Oniversite Boğaziçi fanta-daza ao Istanbul, nataon'ny mpampianatra, ireo mpianatra ankehitriny sy ny teo aloha  mitaky ny fialàn'ny sojabe vaovao notendren'ny Filoha Recep Tayyip Erdoğan tamin'ny 1 Janoary. Enim-bolana tatỳ aoriana, nesorina tamin'ny toerany i Melih Bulu notendren'ny governemanta tamin'ny didim-panjakana efa alim-be iray hafa. Nambara tamin'ny alàlan'ny Gazety Ofisialy [2] ny fanapaha-kevitra.

Pikantsary tamin'ny fanambarana ny fanesorana an'i Melih Bulu tamin'ny asany. Gazety ofisialy. https://www.resmigazete.gov.tr/eskiler/2021/07/20210715M1-2.pdf

Tamin'ny fotoana nanendrena an'i Bulu dia hitan’ [1]ny mpianatra sy ny mpampianatra ho mariky ny fihemoran'ny demokrasia tato anatin'ny taona vitsivitsy any Torkia izany sy nanasongadina ny fomba nanoloan'ny Erdoğan ny ben'ny tanàna voafidy maherin'ny 100 ka ny governemanta no nanendry olona hisolo ireo.

Saingy notsikerain'i [3] Erdoğan ny fihetsiketsehana, niampangany ireo antoko politika mpanohitra any Torkia ho nanitatra ny tsy fankatoavana, sady nampiany fa kandidà mahay ary nahomby teo amin'ny sehatra nisy azy i Bulu. Tao anatin'ny fanamarihana nataony no nokendreny [4] ihany koa ny vadin'i Osman Kavala, mpanao asa soa Tiorka malaza izay efa notanana am-ponja vonjimaika [5] hatramin'ny taona 2017. “Anisan'ireo mpihantsy ao amin'ny oniversite Boğaziçi ny vadin'ity lehilahy atao hoe Osman Kavala ity izay solontenan'i Soros”, hoy [6] izy tamin'ny febroary 2021.

Amin'ny maha rektora azy, nandà ny fitakiana azy hiala i Bulu ary nangina manoloana ny herisetra nataon'ny polisy [7] tamin'ireo mpianatra nanohitra ny fanendrena azy hatramin'ny volana Janoary tamin'ity taona ity. “Ho faty ao anatin'ny enim-bolana ity krizy ity,” hoy [8] i Bulu tamin'ny mpanao gazety tamin'ny volana Febroary. Tsy nankatoavin'ny Senateran'ny Oniversite [9], iray amin'ireo fitsipika mitantana ny Oniversite [10], ny fanendrena azy.

Mba hialana amin'ny faneken'ny maro an'isa ao amin'ny Senatera, ​​dia nanendry ny tenany ho sojabe ho an'ny sampam-piofanana serasera, izay napetraka araka ny fanapahan-kevitry ny filoham-pirenena, efa ao anatin'ny fotoam-piasany ao amin'ny oniversite i Bulu. Nandingana [11] [mg] ny  fifidianan'ny campus sy ny fakana ny hevitry ny sampan-draharahan'ny oniversite  ihany koa izy rehefa nanendry ny mpikambana ao amin'ny sampam-pampianarana amin'ny toerana vaovao.

Nampiato [12] ny fampianarana natolotry ny mpampianatra tapak'andro i Bulu tamin'ny volana Jona. Anisan'ireny [13] i Feyzi Erçin, mpampianatra ao amin'ny departemantan'ny Fiteny sy ny Literatiora Tandrefana izay nampianatra momba ny fandaharam-pianarana fandalinana sarimihetsika. Nanome servisim-pisoloam-bava ho an'ireo mpianatra nosamborina nandritra ny fanafihana nataon'ny polisy i Erçin.

Ny fanidiana ny fidirana sy ny fivoahan'ny oniversite rehetra tamin'ny fiandohan'ny volana Jolay ny fepetra [4] farany noraisin'i Bulu  noho ny “loza mety hitranga ara-pahasalamana sy ny fiarovana.” Vokatr'izany, tsy afaka niditra ny faritry ny oniversite nandritra ny namonoan'ireo [14] polisy ireo mpianatra teny ivelany ny mpikambana ao amin'ny sampam-pampianarana [14].

Araka ny nolazain'ny T24, seha-baovao an-tserasera iray, nandà [15] ny fitakiana ny fanesorana azy i Bulu tao amin'ny kaontiny Instagram saingy nesoriny izany avy eo ary nozarainy ny sarin'ny filoha Erdoğan raha mbola namaritra azy ho “Sojaben'ny Oniversite Boğaziçi” ny kaontiny Twitter.

Pikantsary avy amin'ny kaonty Twitter ofisialin'i Melih Bulu, nalaina tamin'ny 15 Jolay taorian'ny fanambarana ny fanesorana azy tamin'ny toerany..

Nalaza tao amin'ny tambajotra sosialy ny #MelihBulu ny marainan'ny 15 Jolay.

Nandritra ity fotoana sarotra inoana ity dia notanana  ny mpianatra, ny sasany tsy nahazo vatsim-pianarana, nambara ho mpampihorohoro ny mpianatra/mpampianatra, noforonina ny mpampianatra vaovao, ary naseho ho lehilahy nitondra milina kafe tany Torkia i Melih Bulu. Nahoana ? Mazava fa ho an'ny ranondranony, izay ihany.

Betsaka no niarahaba ny mpampianatra sy ny mpianatry ny oniversite noho ny fahasahiany sy ny fanoherany hatrany.

Nanohitra niaraka tamin'ireo akademika sy ny mpianatra ny oniversite Boğaziçi. Tsy sojabe intsony i Melih Bulu. Miarahaba anao. Ny famahana ity raharahan'ny fanendrena tsy ara-demaokratika ity ny manaraka.

Manaja fatratra sy miarahaba ireo mpianatra sy mpampianatra ao amin'ny Oniversiten'i Boğaziçi izay nanohitra tamim-pilaminana ny fanendrena ilay sojabe vaovao hiasa mandritra ny 6 volana. Enga anie ny fanesorana an'i Melih Bulu ho fandresena ho an'ny fahalalahana akademika sy ny fahaleovantenan'ny oniversite.

They resisted and won. Congratulations Boğaziçi. Just as he was appointed 7 months ago, Melih Bulu was removed from office with a Presidential decree.

Nifahatra izy ireo ary nandresy. Miarahaba ny Boğaziçi. Tahaka ny nanendrena azy vao 7 volana lasa izay, Nesorina tamin'ny toerany niaraka tamin'ny didim-panjakana navoakan'ny filoham-pirenena i Melih Bulu.

Mandeha ny resaka ankehitriny momba ny hoe iza no ho sojabe manaraka, satria fotoana fohy taorian'ny fanambarana, dia nisioka ny vondrona firaisankinan'ny Boğaziçi fa hanohy ny fanoherany ny oniversite amin'izay sojabe tendrena tsy araka ny fomba demokratika.

Tsy ekenay ny fanendrena vaovao ataon'ny governemanta ao anatin'ny oniversite na ivelany, hanoloana an'i Melih Bulu. Miantso ny mpifidy ato amin'ny oniversite rehetra izahay hanao fifidianana.

Nilaza [28] ihany koa ny vondrona fa hanohy hampiharihary sy hitaky ny fandraisana [tamberina] andraikitra amin'ny mpitandro filaminana ao amin'ny toeram-pianarana sy ny polisy, izay nanao ny herisetra tamin'ny mpianatra nandritra ny hetsi-panoherana tamin'ny fiandohan'ity taona ity izy ireo.