- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miatrika fanadihadiana noho ny sarimihetsika fohy mampiseho ny herisetra nataon'ny polisy ireo mpanakanto sy mpikatroka Maleziana

Sokajy: Azia Atsinanana, Malezia, Lalàna, Mediam-bahoaka, Solovava, Zon'olombelona, GV Mpisolovava

 

[1]

Seho iray mampiseho fampijaliana tao amin'ny sarimiaina «Vovo-tsakay sy Fanapohana loko». Sary: YouTube

Nanatontosa ny fandefasana voalohany ny “Chilli powder and Thinner”(Vovo-tsakay sy ny Fanapohana loko) maharitra efatra minitra tamin'ny 12 Jona ny tambajotra Freedom Film Network (FFN), izay misy fijoroana ho vavolombelona avy amin'ny zazalahy 16 taona  niaraka tamin'ny olona roa hafa, izay voalaza fa voasambotra sy nodarohan'ny polisy. Ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona dia miangavy ny manampahefana Maleziana hanadihady ny fiampangana fampijaliana ataon'ny polisy fa tsy hanorisory ireo artista sy mpikatroka namorona ny sarimihetsika. Miangavy [2] ny manampahefana Maleziana hanadihady momba ny fiampangana tamin'ny fampijaliana nataon'ny polisy ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona fa tsy hanao fandrahonana ireo mpanakanto sy mpikatroka namorona ilay filma.

Manondro ny fomba fampijaliana natao tamin'ilay zazalahy ny lohateny dia ny fanasiana vovo-tsakay sy fanapohana loko tamin'ny hoditra.

Tamin'ny 2 Jolay, nanadihady ilay mpanatontosa sarimihetsika FFN, Anna Har sy ilay mpanao sariitatra Amin Landak momba ilay sarimiaina ny polisy. Nanaovan'ny polisy bemidina ihany koa ny biraon'ny FFN sy ny tranon'i Landak. Natao fanadihadiana araka ny andininy faha 500 ao amin'ny fehezan-dalàna famaizana amin'ny fanalam-baraka, Andininy faha 505 (b) amin'ny fehezan-dalàna famaizana amin'ny fanambarana izay mety hiteraka fanairana sy fikorontanana ho an'ny besinimaro, ary ny Fizarana faha 233 (1) (a) amin'ny lalàna mifehy ny serasera sy haino aman-jery izy ireo noho ny fampiasana ny fitaovan'ny tambajotra tsy araka ny tokony ho izy.

Ny vokatry ny fanaovana fanadihadiana momba ny herisetra ataon'ny polisy ao Malezia. Tafihan'ny mpitandro ny filaminana ny biraonao sy ny tranonao ary anaovana famotorana araka ny lalàna henjana ianao.

Atsaharo ity fandrahonana ity! Manafika ny biraon'ny @freedomfilmfest [3] any Petaling Jaya sy ny tranon'ilay mpanao sarimiaina Amin Landak ny polisy androany.

Misy ifandraisany tamin'ny fanadihadiana nataon'izy ireo an'i Anna Har ao amin'ny FFN sy Amin momba ny famoahana ilay sarimiaina “Vovo-tsakay sy Fanapohana loko” ny fanafihana.

Nomelohin'ny vondrona fiarahamonim-pirenena maro ny fihetsiky ny polisy. Saingy tsy nanakana ny polisy hampiantso ireo mpikatroka miisa efatra avy ao amin'ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona Suara Rakyat Malaysia (Suaram) sy ny fiaraha-mientan'ny mpikatroka Maleziana MISI: Solidariti izany tamin'ny 6 Jolay mifandraika tamin'ilay sarimiaina fohy io.

Miditra izy ireo amin'izao fotoana izao

Namoaka fanambarana [1] mihantsy ny Freedom Film Fest taorian'ny bemidina nataon'ny polisy:

Investigate the allegations of torture and death in custody: Not the people who speak out!

These ongoing harassments against activists, journalists, and artists attempt to silence our voice and deflect the public pressure on the prevalent cases of custodial death in the past few months.

Hadihadio ny fiampangana momba ny fampijaliana sy ny fahafatesana any am-ponja: Fa tsy ireo olona izay maneho ny heviny!

Natao hampanginana ny feontsika sy hanodinana ny tsindry ataon'ny vahoaka amin'ny tranga misy amin'ny fahafatesana any am-ponja tao anatin'ny volana vitsivitsy ireo fandrahonana atao amin'ny mpikatroka mafàna fo, mpanao gazety ary mpanakanto amin'izao fotoana.

Tao anatin'io fanambarana io, nitanisa ny fitakiana ny fanavaozana ny rafitry ny polisy ny FNC, ao anatin'izany ny fananganana vaomiera tsy miankina misahana ny fitoriana noho ny fitondran-tena tsy mendrika ataon'ny polisy (IPCMC).

Nandritra izay 18 taona lasa izay, nilaza tantara zon'olombelona izahay, mampiseho ny tsy rariny atrehin'ny olon-tsotra mba hitondrana fanovana. (Vao maika) nandrisika anay ny fanadihadiana sy ny bemidina natao tamin'ny sarimiaina «Vovo-tsakay sy fanapohana loko».

Nilaza [12] i Har tamin'ny antsafa [13] nifanaovana taminy fa tsy ny fandrahonana ny mpanakanto no vahaolana mety ataon'ny manampahefana rehefa miatrika fiampangana amin'ny fanararaotam-pahefana izy ireo.

Ideally what would have been best would be the police… investigate the case itself and find out if this is really happening. And if it does, then take action, then tell the public, that will instil public confidence. By doing something like this…[it] just looks like intimidation.

Ny tena mety indrindra ataon'ny polisy dia ny … manadihady io raharaha io mihitsy ary mamantatra raha tena nisy izany. Ary mandray andraikitra raha nisy izany, avy eo lazaina amin'ny besinimaro mba hampiorina ny fitokisan'ny besinimaro. Amin'ny fanaovana zavatra toy izao… toa mitovy amin'ny fampitahorana ihany izany.

Nanamafy [14] tao amin'ny fanambarana ny Misi: Solidariti fa tsy nanao fahadisoana ny FFN :

Today, one of our founders was investigated by the police for doing what all of us would have done- shed light on injustice. We're a youth-led collective fighting for what's right. This is a heartfelt message we want to convey to all of you.

Androany, nohadihadian'ny polisy ny iray amin'ireo mpanorina anay noho ny fanaovany zavatra tokony nataontsika rehetra dia ny fanasongadinana ny tsy rariny. Fikambanana tarihin'ny tanora izahay hiady ho an'ny rariny. Ity no hafatra avy amin'ny fo tianay ampitaina aminareo rehetra.

Nahasarika ny sain'ny iraisampirenena ny raharaha. Nilaza ny fanambarana iray niarahana tamin'ny Foibe ho an'ny Asa Fanaovan-gazety Mahaleotena sy ny mpiara-miasa amin'izy ireo fa maneho taratra [15] ny fanamafisana ny famoretana ny fahalalahana miteny ao Malezia ny fihetsiky ny polisy:

Retaliatory investigations against human rights defenders, artists and journalists for raising attention to violations of basic human rights show the dire need to protect freedom of expression and ensure police officers in Malaysia are held accountable for any instances of misconduct.

Ny fanadihadiana valifaty atao amin'ireo mpiaro ny zon'olombelona, ​​mpanakanto ary mpanao gazety noho ny fanasongadinana ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona fototra dia mampiseho ny filàna maika ny fiarovana ny fahalalahana maneho hevitra ary hiantohana fa ny manampahefanan'ny polisy any Malezia dia tompon'andraikitra amin'izay tranga mampiseho ny fitondrantena tsy mendrika rehetra.

Nanamarika [16] toy izany ihany koa i Zaid Malek ao amin'ny Mpisolovava mitady Fahalalahana tamin'ny fanambarana an-gazety nataony fa nanamafy ny fiampangana hita tao amin'ilay sarimiaina ny bemidina sy ny famotorana nataon'ny polisy:

The heavy-handed response of the police to a short film on police brutality with interrogations and raids underscores the exact problem that the short film tries to address; instances of unlawful acts by police conducted with impunity.

Having looked at the entirety of the video, there is nothing in it that warrants a police investigation.

Ny valiny mavesatra nataon'ny polisy tamin'ny sarimiaina fohy mampiseho ny herisetra ataon'ny polisy tamin'ny fakana am-bavany sy ny bemidina dia manamarika ny olana misy marina ezahin'ilay sarimiaina fohy resahana; fihetsika tsy manara-dalàna ataon'ny polisy mitondra tena ho tsimatimanota.

Rehefa nijery ny horonantsary iray manontolo, dia tsy misy zavatra manamarina ny anton'ny hanaovan'ny polisy famotopotorana.

Vondrona iraisampirenena mpiaro ny zon'olombelona marobe no nandefa taratasy [17] tany amin'ny Minisitry ny Raharaha Anatiny Maleziana Hamzah Zainudin naneho ny ahiahin'izy ireo momba ny fiantraikan'ny fihetsiky ny polisy eo amin'ny fiarahamonina.

Our organisations are concerned about the raids on their office and home which we believe are aimed to intimidate them and to create a chilling effect for those who would like to speak up and expose abuses by the authorities.

Ahian'ny fikambananay ny fanafihana natao tao amin'ny biraony sy ny tranony izay inoanay fa natao handrahonana azy ireo ary natao hampitahorana ireo izay te-hiloa-bava sy hampiharihary ny fanararaotan'ireo manampahefana.

Nangataka fanentanana tamin'ny tambajotra sosialy ireo vondrona manohana ireo mpanakanto sy mpikatroka misedra zava-tsarotra tamin'ny 10 Jolay, mandrisika ny mpisera mba hizara ny fomba fijeriny na ny fanehoan-keviny momba ilay sarimiaina.

Jereo eto ilay sarimiaina “Vovo-tsakay sy Fanapohana loko [18]“: