WATCH : “Vazimba Teratany+Nomerika: Ny fomba ataon'ny tanora hanomezany aina vao ny fitenin-drazany ety anaty aterineto

Eo amin'ny 40 isanjato amin'ireo fiteny maherin'ny 7.000 tenenina manerana izao tontolo izao no heverina fa tandindonin-doza. Anisan'ireo paikady ampiasain'ireo vondrompiarahamonina vazimba teratany ny fampiasàna ny teknôlôjia nomerika mba hanatsarana ny fianarana sy fampiroboroboana ny fitenin-dry zareo. Tena zavadehibe ny famoronana andian-taranaka vaovao mpiteny azy, satria araka ny maridrefin'ny UNESCO momba ny fahelàna velona sy ny maha-tandindonin-doza ny fiteny, fanalahidy fototra amin'ny famaritana ny fahasalaman'ny fiteny iray ny fifandraisana any anatin'ireo sehatra vaovao / fifampitàna eo amin'ireo andian-taranaka teo aloha sy aty aoriana

Ity fizaràna manokana amin'ny Global Voices Insights ity dia noraketina tamin'ny 13 Jolay ( 14 Jolay ho an'ireo mpanaraka tao Oseania) ary nitondràna niaraka ireto mpiaro ny fiteny manaraka ireto sy ireo mpikatroka avy ao Aostralia ary Meksika mba hiresaka momba ny zavatra niainan-dry zareo.

Nokarakarain'ny Tetikasa Rising Voices avy ato amin'ny Global Voices sy ny First Languages Australia (ireo fiteny voalohany tao Aostralia) miaraka amin'ny fanohanan'ny Masoivohon'i Aostralia ao Meksika, nisongadina tamin'ilay fotoana ireto manaraka ireto:

Annalee PopeAnnalee dia vehivavy Wakka Wakka avy ao  Queensland Afovoany, Aostralia. Ny taona 2013 no nanomboka niasa i Annalee mba hanome aina vao sy tanjaka ireo fiteny Abôrizena, fony izy lasa Mpandrindra ny Ivontoeran'ny Teny tao Queensland Afovoany. Nanatevin-daharana ny First Languages Australia i Annalee, nitàna ny toerana mpiandraikitra ny tetikasa tamin'ny Tetikasa Fanohanana ireo Fiteny Lohalaharana, avy eo nirotsaka tao amin'ny fandaharanasa Tanora Tompondaka an'ny First languages Australia fony izy io nanomboka tamin'ny 2013. Hatreo izy dia lasa mpiahy an'ireo tanora tompondakan'ny fiteny.

Joaquín Yescas Martínez: Joaquín dia lehilahy Zapoteco Xhidza avy ao Oaxaca, Meksika, mpiara-manorina ny Xhidza Collective ary mpandrindra ny Xhidza Telecommunications, mpanorina sy mpandrindra ny Xhidza Penguin School, ary teknisiàna sy mpamokatra feo ao amin'ny Onjampeo Bëë Xhidza. Joaquín dia mpikatroka ho an'ny fiteny vazimba teratany, Rindrambaiko maimaimpoana, kolontsaina malalaka, ny filôzôfian'ny vondrompiarahamonina ary ny lalàm-pitondrantenan'ireo mpijirika (hacker)

Maria Lilia Hau Ucan: Maria dia avy any Kinil, Yucatan, Meksika. Niofana ho mpisolovava, niasa nampianatra, mpanao kaonferansa, mpandika teny, mpandika lahatsoratra ary mpandray anjara tamina tetikasa isankarazany mitodika amin'ireo vondrompiarahamonina sy ny fanomezana aina vao ny fiteny sy kolontsaina Maya.

Rachel Dikul Baker: Dikul dia vehivavy Yolŋu avy ao amin'ny Faritra Avaratra ao Aostralia. Rehefa tsy mandehandeha mitety izao tontolo izao manao hazakazaka marathons izy, dia manoro hevitra ireo vehivavy tanora Yolŋu, manampy azy ireny hanorina fikirizana sy fanomezana hasina ny tenany ary hamantatra làlan-kizorana amin'ny asa ho entin'izy ireny manatratra ny tanjony. Ny anjara asan'i Dikul ao amin'ny ARDS Aboriginal Corporation dia ny mandrakitra antontan-kevitra momba ireo fiteny Yolŋu, ny fanamoràna ny fifangaroan'ny kolontsaina sy ny fandikàna, fandefasana izany ao amin'ny Yolŋu Radio ary ireo hetsika ho an'ny fahaiza-mamaky teny sy manoratra. Mahay miteny Djambarrbuyngu sy fiteny Yolŋu efatra hafa izy.

Isela Xospa (Mpandrindra): Isela mpanao tefiendrika, mpanaingo, ary mpanonta boky, avy any Milpa Alta ao amin'ny faritra Nahua any atsimo-atsinanan'i Mexico City. Efa niasa ho an'ny Fondo de Cultura Económica, ILCE México ary ny David Bowie Archive, ary mpanorina ny Ediciones Xospatronik, izay anoratany, anaingoany, sy amoahany boky amin'ny fiteny teratany ho an'ny ankizy sy ny tanora.

Azo henoina ihany koa amin'ny fiteny Espaniôla sy Anglisy  ny famerenana ilay fizaràna.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.