- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Antoko mpomba an'i Eorôpa no mitarika ny fifidianana alohan'ny fotoana ao Môldavia

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Moldavia, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana
Moldovan President Maia Sandu at a meeting in the European Parliament in Brussels, Belgium, 2019. Image from Renew Europe 2019 on Flickr, CC BY-NC-ND 2.0. [1]

Ny filohan'i Môldavia, Maia Sandu, nanatrika ny fivoriamben'ny Parlemanta Eorôpeàna tao Bruxelles, Belzika, 2019. Sary avy amin'ny Renew Europe 2019 [2] tao amin'ny Flickr, CC BY-NC-ND 2.0 [3].

Ny antoko Parti Action et Solidarité (PAS) tarihan'ny filoha amperinasa, Maia Sandu, no tsara toerana handrombaka ny fandreseana farany amin'ireo fifidianana solombavambahoaka mialoha ny fotoana natao ny Alahady teo tao Môldavia.

Efa voaisa avokoa izao ireo vatom-pifidianana rehetra [4] hatramin'ny 11 Jolay, izay manome ny 53% amin'ny vato ho an'ny antoko mpomba an'i Eorôpa tarihan'i Sandu, midika fa 63 amin'ireo toerana ao amin'ny parlemanta Môldavymaro an'isa mibaribary. Ny vondron'antoko mpanohitra lehibe indrindra (BECS), tarihan'ilay filoha teo aloha, Igor Dodon, sy ny filoha taloha, Vladimir Voronin, dia nahazo 27% mahery kely tamin'ny vato. Andrasana hivoaka ato ho ato ny vokatra ofisialy.

Taorian'ny andrana in-droa tsy nahomby tokony nananganany governemanta vaovao, niantso fifidianana mialoha ny fotoana i Sandu tamin'ny Aprily 2021. Raha nandray fitenenana taorian'ny fifidianana, nilaza izy fa ny PAS, antokony afovoany-havanana, dia hikatsaka izay hanamafisana ny fifandraisana amin'ny Fiombonambe Eorôpeàna, ary hiady amin'ny kolikoly ao anatin'io firenena sôvietika fahiny io.

Sandu izy tenany, izay voafidy ho filoha tamin'ny Novambra 2020 taorian'ny nandreseny an'i Dodon, ilay filoha mpomba ny Rosiàna,  nilaza [5] tao anaty fanambaràna iray tao amin'ny Facebook fa ny fifidianana tamin'ny Alahady dia “vintana iray hanilihana ireo mpangalatra ary hifidianana governemanta iray tsara sy mijery ifotony.”

Ny rakitra avy amin'ny kaomisiônam-pifidianana [6] Môldavy dia mampiseho fa mihoatra ny 48 isanjato amin'ireo olona afaka mifidy no nifidy, izay nahitàna 200.000 mpikambana avy amin'ireo diaspora mipetraka any ivelany. Olompirenena eo amin'ny 3,2 tapitrisa eo no manan-jo hifidy.

Tanaty lahatsoratra [7] iray fanehoankevitra sy fandalinana ho an'ny IPN, masoivohom-baovao tsy miankina ao Môldavia, dia nilaza ilay mpandalina ny raharaha pôlitika, Dionis Cenusa, fa ny fahombiazan'ny PAS dia “nifototra betsaka tamin'ny sarin'ny Filoha Maia Sandu, izay nampiroborobo ny fandraisana anjara amin'ny fifidianana” tao anivon'ireo tahotra ny mety hahakely ny taham-pandraisana anjara.

25) Tena singa iray manandanja io. Ora iray teo ho eo talohan'ny hifaranan'ny fifidianana, nampiasa ny sehatra Facebook ny filoha Sandu (manana mpanjohy 268.000), niantsoana ny olona mba handresy lahatra ireo namany sy havany handeha hifidy. Nitranga io raha ny maro mbola teo am-panontaniana tena momba ny fihisaran'ny fandraisana anjara.

— Dionis Cenusa (@DionisCenusa) 11 Jolay 2021 [8]

Nomarihan'i Cenusa ihany koa fa ny antokon'i Sandu no “voalohany amin'ny antoko mpomba an'i Eorôpa tao anatin'ny tantaram-pifidianana tao amin'ny firenena ka nahazo ny maro an'isa tao amin'ny antenimiera mpanao lalàna.”

Miditra amina vanimpotoana pôlitika vaovao i Môldavia, mametraka tsindrimpeo amin'ny fanavaozana ara-drafitra sy ny ady amin'ny kolikoly amin'ny sehatra rehetra, izay hisarika ireo fanampiana sy fampiasambola avy any Andrefana. Azo antoka fa hatanjaka kokoa noho ny fahiny ny fandaharanasa eorôpeàna.

Na manome vahana ny antoko PAS ho afaka mampiasa fahefam-panjakana bebe kokoa aza ny maha-maro an'isa azy ao amin'ny parlemanta, dia manome ihany koa fitaovana goavana ho fanarahamaso eo am-pelatanan'ny fiarahamonina sivily môldavy sy ireo mpanao gazety tsy miankina, izay nanaraka akaiky ny fomba fanaon'ireo mpiasam-panjakana mpanao kolikoly tany aloha.

Ny fironana mitodika amin'i Eorôpa ananan'ilay vondrona vaovao eo amin'ny fitondrana dia tsy maintsy koa hampanano sarotra ny fifandraisan'i Sandu amin'i Rosia, izay mbola tena miasa mavitrika any amin'ny faritra mpitaky fizakantena ao amin'ny faritra Transnistria any Môldavia izay mety hanohy ny fanohanany ny antoko mpanohitra mpomba an'i Rosia ao anatin'ny firenena.