Tamin'ny 13 Jona, nisioka ny masoivohon'i Etazonia any Trinidad sy Tobago fa nanao fanomezana vaksiny ho an'ny firenena nosy kambana ao Karaiba ny governemantany – sioka iray izay nahazoana fanehoan-kevitra miisa 2.500 sy tsonga sioka miisa 8.574, izay miiba ny ankamaroany:
USA Donates Vaccines to Trinidad and Tobago pic.twitter.com/5S0OTQfJU5
— U.S. Embassy POS (@USinTT) June 14, 2021
Nanome vaksiny an'i Trinidad sy Tobago i Etazonia
Tsy ny fanomezana manokana no fanakianana lehibe avy amin'ireo mpisera Twitter, fa ny habetsany (isany) mifandraika amin'ny isan'ny mponina ao amin'ny firenena izay eo amin'ny 1.4 tapitrisa eo ho eo, ka niteraka resabe an-tserasera momba ny hitsiny (fitoviana) amin'ny vaksiny sy ny andraikitry ny “firenena voalohany manerantany” amin'ny fizarana vaksiny manerantany:
This donation is enough vaccine for 240 people.
Trinidad and Tobago has a population of 1.4 million.
So, this is enough vaccine for 0.017% of the country.
Meanwhile, the US has 66 million doses sitting in freezers right now.
This should not be celebrated. This is not enough. https://t.co/8wRq41xEyS
— Public Citizen (@Public_Citizen) June 14, 2021
Vaksinina ampy ho an'ny olona 240 ity fanomezana ity.
Manana mponina 1.4 tapitrisa i Trinidad and Tobago.
Ka vaksiny ampy ho an'ny 0,017% ao amin'ny firenena izany.
Mandritra izany, manana daozy 66 tapitrisa mipetraka ao anaty vata fampangatsiahana i Etazonia ankehitriny.
Tsy mila ankalazaina izany. Tsy ampy izany.
(Raha ny marina, dia ampy ho an'ny daozy 400 amin'ny vaksininy ny tavoara (fatra) nomena.)
80… vials. The boxes that contain the Pfizer vials come 195 vials per box. The US isn’t even sending them a full damn box. https://t.co/6RxyNZ6yim
— Houses of Tisci & Balenciaga stan account (@THEEBlackleftie) June 14, 2021
80… tavoara. Ahitana tavoara 195 isaky ny boaty ireo boaty misy ireo tavoara Pfizer. Tsy nandefa boaty iray feno akory i Etazonia.
Nanohitra mafy ilay sioka ny mpisera Twitter, marobe ireo valinteny avy amin'ny mpiserasera any Etazonia, Fanjakana Mitambatra, India sy ny firenena hafa, izay nanjakan'ny resadresaka momba ny hantsana eo amin'ny vaksiny, na dia manohy mampitombo ny fanapariahana ny vaksininy aza ireo firenena tavaratra ankapobeny.
Noresahan'ny fihaonana an-tampon'ny G7 farany teo ny resadresaka toy izany, izay nampanantenan'ireo mpitondra ao amin'ny fanjakana mpikambana vaksiny COVID-19 1 miliara ho an'ny “firenena mahantra” ao anatin'ny herintaona – tanjona iray izay tratran'ny tsikera, indrindra avy amin'ny tale jeneralin'ny Firenena Mikambana eo amin'ny Fahasalamana (OMS), Tedros Adhanom Ghebreyesus::
This is a big help, but we need more, and we need them faster. Right now, the virus is moving faster than the global distribution of vaccines. More than 10 thousand people are dying every day […] these communities need vaccines, and they need them now, not next year.
Fanampiana lehibe izany, saingy mila bebe kokoa isika, ary mila azy ireo haingana kokoa. Amin'izao fotoana izao dia mandeha haingana kokoa ny viriosy noho ny fanaparitahana vaksiny manerantany. Maherin'ny 10000 ny olona maty isan'andro […] mila vaksiny ireo vondrom-piarahamonina ireo ary mila izany ankehitriny fa tsy amin'ny taona ho avy.
Navoakan'ny tompon'andraikitra ara-pahasalamana hafa sy ny mpitondra eran'izao tontolo izao ny heviny, mihevitra izy ireo fa tsy ampy izany antoka izany ary tsy hahatratra ireo mila vaksiny maika.
Mifanohitra amin'izany kosa, mpampiasa Twitter iray nanamarika fa i India, ohatra, dia nalala-tanana lavitra tamin'ny fanomezany vaksiny ho an'i Trinite sy Tobago:
America is all about ?? and India is all about ❤❤❤❤
America donated 80 vaccines versus India's 40,000 vaccines
?? <<<<??
America First policy wins.
— Om ????? Koo ID @omisohm (@omisohm) June 15, 2021
Amerika dia miresaka ?? ary India ❤❤❤❤
Nanome vaksiny miisa 80 i Amerika mifanohitra amin'ny vaksiny 40000 avy tamin'i India
?? <<<< ??
Mandresy ny politika Voalohany an'i Amerika.
Ny hafa nivazivazy hoe:
I think you donated extra vials. Take some back
— Burhan Hayat (@burhanhayatt) June 14, 2021
Heveriko fa nanome tavoara fanampiny ianao. Avereno ny sasany
It is the equivalent of “thoughts and prayers ?”
— Ari ☭☆ (@GoodfellaCommie) June 14, 2021
Mitovy amin'ny “eritreritra sy vavaka ?” izany
Mpisera media sosialy sasany nahatsapa fa tsy tokony hijery momba ny fanomezana ity firenena ity, na inona na inona haben'ny fanomezana:
Half a sandwich is still better than nothing, right?
— Samuel S. Chin (@samuel_s_chin) June 14, 2021
Mbola tsara kokoa ny antsasaky ny sandwich noho ny tsy misy, sa tsy izany?
Tsy niombon-kevitra ny hafa:
You might’ve been better off just sending none because this is genuinely insulting
— August/Finch ?⬛ (@calliope963) June 14, 2021
Mety ho tsara kokoa ho anao ny tsy mandefa mihitsy satria tena manompa ity
This is an absolute joke, why would you even advertise this?
— SK@thryn (@MissHislop) June 15, 2021
Sangisangy tanteraka ity, maninona no atao dokambarotra izany?
Niteraka korontana ilay sioka tany Trinidad sy Tobago, saingy nanazava haingana ny minisitry ny filaminam-pirenena ao Trinidad sy Tobago, Fitzgerald Hinds fa natokana ho an'ny mpiasa ao amin'ny minisiterany ilay fanomezana. Raha nahazo vaksiny ny mpikambana tao amin'ny sampam-piarovana tamin'ny volanaAprily teo, dia nanamarika ny minisitra Stuart Young fa “tsy ny olona rehetra no [hahazo] ity vaksiny [fihodinana voalohany] natolotra ho an'ny filaminam-pirenena ity.”
Tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny radio i95 FM, nanampy ny minisitry ny Raharaham-bahiny sy ny CARICOM, ny Dr. Amery Browne, fa “fanomezana kely” avy amin'ny “sampam-piarovana iray ho an'ny mpiara-miasa aminy izay iarahany miasa akaiky any Trinidad sy Tobago ity […] raha ny fahafantarako dia tsy isafatsiroa ity karazana fandaminana manokana ity. “
Afaka nampitombo ny fanapariahana ny vakisininy tao anatin'ny roa volana lasa i Trinite sy Tobago tamin'ny fanomezana avy any Shina, India, St. Vincent sy the Grenadines, Bermuda ary Grenada. Ankoatra ireo fanomezana ireo, ny andro nandefasan'ny masoivoho amerikana ny siokany nampiady hevitra, nanambara ny ambasadaoro Shinoa any Trinidad sy Tobago fa ho avy ny vakisiny maherin'ny 200.000 avy any Shina:
I am glad to update that the consignment of 200k doses of Sinopharm vaccines procured by the T&T government are en route to PoS! Delighted to be invited to welcome this second tranche of Sinopharm vaccines tomorrow at the airport! pic.twitter.com/aVehgirJo0
— FANG Qiu (@AmbFangQiu) June 14, 2021
Faly aho manome vaovao farany fa eny an-dalana ho any PoS ny fandefasana vaksiny Sinofarm 200k daozy hohafaran'ny governemantan'i T&T! Faly izahay nasaina handray ity vaksiny Sinopharm faharoa ity rahampitso eny amin'ny seranam-piaramanidina!
Mandritra izany fotoana izany, nanamarika ny lefitra lehiben'ny iraka ao amin'ny masoivohon'i Etazonia ao Trinite sy Tobago, Shante Moore, fa miampy tavoara 80 ny vaksiny izay nampanantenain'ny fitondrana Biden-Harris ho an'i Amerika Latina sy Karaiba mba haparitaka araka ny isan'olona.
Na dia mahazo tombony amin'ity fanomezana lehibe nampanantenaina ity aza i Trinidad sy Tobago, nanamafy fotsiny ny fahasosoran'ny olona maro ny siokan'ny Masoivohon'i Etazonia raha ny hantsana amin'ny vaksiny no resahina. Na izany aza, araka ny asehoan'ity fifanakalozana Twitter teo amin'i Patrice Grell sy Karen Walrond ity – samy mpikambana ao am-pielezana Trinbagonianina monina any Etazonia no jerena- dia misy ny fanantenana:
From what my father says, the PM has been refusing to “beg for help.” Eighty vials is a pittance, but let's hope the US ups its generosity, and Trinidad graciously accepts it.
— Karen Walrond (@Chookooloonks) June 14, 2021
Raha ny tenin'i dadanay dia nandà ny “hangataka fanampiana” ny PM. Mampalahelo ny tavoara valopolo, nefa manantena isika fa hampiakatra ny fahalalahan-tanany i Etazonia, ary hanaiky izany amin-katsaram-panahy i Trinite.