- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Voasazy handoa onitra ilay mpikarakara fihetsiketsehana sarintany antserasera ao Rosia noho ny fanehoan-kevitra mamoa-fadin'ny mpandray anjara

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Fahalalahàna miteny, Fanabeazana, Fanampenam-bava, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Akon'ny RuNet, GV Mpisolovava
Screenshot of the Yandex.Maps cyber-rally organised by Aleksandr Rimov in Moscow and St Petersburg. The comment icons on the map represent participants' messages. Image from Aleksandr Rimov on Instagram. [1]

Pikantsary amin'ny Yandex.Maps famoriam-bahoaka an'aterineto (cyber-rally) nokarakarain'i Aleksandr Rimov tany Moskoa sy St Petersburg. Maneho ireo hafatry ny mpandray anjara ny kisary fanehoan-kevitra ao amin'ny sarintany. Sary avy amin'i Aleksandr Rimov [2] tao amin'ny Instagram.

Namoahana fampandoavana onitra noho ny “teny mamoa fady” nampiasain'ireo mpandray anjara tamin'ny famoriam-bahoaka an-tserasera ny mpikarakara ny famoriam-bahoaka an-tserasera (cyber-rally) tao  amin'ny sehatra sarintany Rosiana Yandex.Maps manohitra ny lalàna vaovao mametra ny hetsika ara-panabeazana

Aleksandr Rimov, mipetraka any Zelenograd, ekipa ao amin'ny Oblast ao Moskoa, 37 kilometatra avaratra andrefan'i Moskoa, no nikarakara ny famoriam-bahoaka [2] tamin'ny 1 Jona mba hanohitra ny lalàna vaovao nolanian'ny parlemanta Rosiana izay mametra fatratra ny fahalalahana akademika sy ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena.

Screenshot of the Yandex.Maps cyber-rally organised by Aleksandr Rimov in Moscow and St Petersburg. The comment icons on the map spell out the word "вор" (thief) in Russian. Image from Aleksandr Rimov on Instagram. [3]

Pikantsary amin'ny Yandex.Maps famoriam-bahoaka an'aterineto (cyber-rally) nokarakarain'i Aleksandr Rimov tany Moskoa sy St Petersburg.. Ireo kisary fanehoan-kevitra ao amin'ny sarintany dia manonona ny teny “вор” (mpangalatra) amin'ny teny Rosiana. Sary avy amin'i Aleksandr Rimov tao amin'ny Instagram.

Nandefa pikantsary marobe avy amin'ny famoriam-bahoaka antserasera tao amin'ny sehatra an-tsarintany tao amin'ny kaontiny Instagram – nientanentana be i Rimov, nanoratra hoe:

The cyber-rally has spilled over Moscow and Piter (Saint Petersburg – GV). Honestly, this is f*cking amazing!!! Guys, you're f*cking amazing!!! Whatever they may say, this is a civic message to the authorities. Somewhat straightforward and a bit obscene, but still, a heartfelt message. The citizens have had enough, just like I have, and instead of thousands of words on posters, people have created a flashmob. This is worth an ovation! This is democracy!

Niparitaka nanerana an'i Moskoa sy Piter (Saint Petersburg – GV) ny fihetsiketsehana antserasera. Raha ny marina, dia mahavariana masoso* izy ity !!! Ry zalahy, masoso* ianareo !!! Na inona na inona lazain'izy ireo, hafatra sivika ho an'ny manampahefana ity. Somary mahitsy sy vetaveta kely, saingy mbola, hafatra avy amin'ny fo ihany. Nanana ny ampy ny olom-pirenena, toa ahy ihany koa, ary raha tokony ho teny an'arivony amin'ny afisy, dia namorona flashmob ny olona. Mendrika deraina izany! Demaokrasia izany!

Fotoana fohy taorian'ny famoriam-bahoaka, notazonin'ny  [4]polisy i Rimov. Namoahan'ny   [5]polisy handoa onitra 10 000 robla izy noho ny ‘teny mamoafady an-tserasera’ nampiasain'ireo nandray anjara tamin'ilay fihetsiketsehana. Araka ny Andininy faha 5.61, ampahany faha 2 amin'ny lalàna Rosiana fanitsakitsahana lalàm-panjakana  Rosiana, iharan'ny onitra ara-panjakana ny “fanalam-baraka natao imasom-bahoaka natao tamin'ny aterineto”.

Nilaza [6] tamin'ny MBK, sampam-baovao tsy miankina ilay mpikatroka fa mikasa hampiakatra ny raharaha momba ny onitra izy: “Rehefa nanomboka nilaza ny polisy fa mendrika amin'ny ” fahavetavetana an-tserasera “izany, dia nilaza aho fa tsy izaho no nanoratra izany fa olon-kafa”. Nangataka tamin'i Rimov ny polisy avy eo mba hanome ny angon-drakitra manokana momba ireo izay nisoratra anarana tamin'ny famoriam-bahoaka antserasera, rehefa nandà izy dia nilaza fa “hanara-maso sy hahazo ny fidirana amin'ny angon-drakitry ny mpandray anjara” ireo mpanao fanadihadiana na izany aza.

Hatezerana tao amin'ny sarintany

Zava-baovao ihany izany hoe famoriam-bahoaka virtoaly, saingy endrika fanoherana malaza any Rosia. Tsy toy ny fihetsiketsehana an-dalambe, izay mitaky alalana avy amin'ny manampahefana eo an-toerana, tsy iharan'ny fameperana mitovy amin'izany ny famoriam-bahoaka an-tserasera raha ara-teknika. Na izany aza, toa mahay mamorona ny mpampihatra lalàna Rosiana amin'ny fitadiavana fomba hanakanana na dia ny ezaka ankihihihy [dizitaly] fotsiny aza hibodo ny sehatra ho an'ny daholobe.

Mazàna ireo mpikatroka mandrindra ny hetsika ataon'izy ireo mba hanamarika ny toerana misy azy ireo amin'ny toerana manokana (oh: ny Kianja Mena any Moskoa) ary manampy fanehoan-kevitra amin'ireo hafatra fanoherana mampiasa ny songadina Resadresaka ao amin'ny Yandex.Maps sy Yandex.Navigator. Indraindray namboarina tamin'ny fomba iray ireo mari-pamantarana toerana ireo mba hamoronana teny na fehezanteny tokana (toy ny tamin'ny famoriam-bahoaka [2] nataon'i Rimov navoakany tao amin'ny kaonty Instagram (fahatelo amin'ny carousel), izay mamoaka valin-teny mamoafady mampiseho ny ny hatezeran'ireo mpanao fihetsiketsehana amin'ny fifehezan'ny fanjakana ny sehatry ny fanabeazana).

Nahitana ny iray amin'ireo onja lehibe [7] voalohany tamin'ny famoriam-bahoaka antserasera tao Rosia ny taona 2020. Nikarakara famoriam-bahoaka fanoherana [8] tampoka tao amin'ny Yandex.Maps sy Yandex.Navigator ny mponina tamin'ny tanàn-dehibe maro hanehoany ny tsy fifalian'izy ireo amin'ny fameperana isan-karazany amin'ny fahasalamam-bahoaka nandritra ny areti-mandringana COVID-19. Mahatsikaiky fa “niparitaka” haingana ireo famoriam-bahoaka rehefa nanomboka namafa ny fanehoan-kevitr'ireo mpisera ny Yandex tany amin'ny toerana nisy ny “fivoriam-bahoaka faobe ankihihihy”.

Famerana amin'ny hetsika akademika

Nanombola nanan-kery [9]tamin'ny 1 Jiona 2021 ny fanovana tato ho ato  tamin'ny lalàna Rosiana momba ny fanabeazana, izay notoherin'i Rimov sy ireo namany mpampiasa aterineto. Mandràra izay hetsika fanabeazana rehetra tsy ankatoavin'ny fanjakana sy ny  fiarahamiasa amin'ireo oniversite na sampam-pianarana vahiny ireo fanitsiana ireo, lazaina fa hanoherana ny “fitaomana ratsy avy any ivelany eo amin'ny fizotran'ny fanabeazana” sy ny “fampielezan-kevitra miseho amin'ny fanabeazana” izany. Nanameloka [10] ny fanovana noho izy midadasika loatra ny vondrom-piarahamonina akademika sy ireo manam-pahaizana hafa ary nampitandrina izy ireo fa mety hisy fiatraikany amin'ny fanakarana ny vahoaka izany, sady mandrahona ny hetsika fanabeazana tsy dia manara-penitra toy ny fampianarana an-tserasera, ny fampianarana amin'ny YouTube, ary na ireo podcast [rakipeo] aza.