Japàna miady amin'ny “Fankahalàna Vaksiny”

La nouvelle normale, c'est la vie avec la Covid-19, photo de petites statues des personnages Peko-chan et Poko-chan portant chaqun un masque

‘Ny andavanandrom-piainana vaovao, dia ny fiainana miaraka amin'ny Covid-19′ , sary avy amin'i MIKI Yoshihito tao amin'ny Flickr, (CC BY 2.0)

[Raha tsy misy fanamarihana manokana dia mankany amin'ny lahatsoratra amin'ny fiteny japoney ny rohy rehetra ]

Taorian'ny fanombohana somary niadana, miha-mahazo hery ny fanentanana hanao vaksiny hanoherana ny COVID-19 ao Japàna. Tany am-piandohan'ny volana Jona, 500 000 ny salanisan'ireo olona [en] vita vaksiny isanandro. Telo herinandro taty aoriana, ny 24 Jona, tafakatra ho iray tapitrisa [en] ny isan'ireo olona vita vaksiny isanandro. Kanefa, na dia nentanina hisoratra anarana mba haka ny fatra voalohany amin'ny vaksiny aza ny tanora, misy ireo hetsika kely saingy henjana mamafy vaovao diso mankahala ilay vaksiny, ary tonga hatramin'ny fandrahonana ireo ezaka fanaovana vaksiny mihitsy.

Amin'ny ankapobeny, araka ny fitsapankevitra vao haingana nataon'ny FNN, manodidina ny 70% amin-dry zareo Japoney no milaza fa mieritreritra ny hatao vaksiny na efa nahavita. Manodidina ny  20% tamin'ireo olona namaly ilay fitsapankevitra nataon'ny FNN no nilaza fa miahiahy momba ilay vaksiny, raha 10% tamin'ireo nanontaniana kosa no nilaza fa tsy manaiky hatao vaksiny. Eny anivon'ireo olona eo anelanelan'ny 20 sy 30 taona no miparitaka ny fanoherana na fisalasalàna hanao vaksiny.

Araka ny tatitra vao haingana avy amin'ny masoivohom-baovao Jiji, ilay fisalasalàna momba ny vaksiny dia mety hivadika ho  « fankahalàna ny fanaovana vaksiny » tsotra fotsiny (ワクチン敵視), izay efa lasa olana goavana, indrindra eny amin'ireo sehatry ny media sôsialy.

Nanambara ireo faripiadidiana manerana an'i Japàna fa naharay fandrahonana ho faty tamin'ny fotoana nanombohana ilay fandaharanasa fanaovana vaksiny, indrindra fa ny hoan'ireo tanora. Raha ny fepetra ankapobeny, ireo antso an-telefaona sy ireo imailaka tafahoatra dia milaza fahatany ihany koa fa raha ilay vaksiny natao hanoherana ny COVID-19 dia loza mitatao kokoa ho an'ny tanora sy ny ankizy, mihoatra lavitra noho ilay viriosy. Mba hikarakaràna sy handrindràna ny ezaka manerana an'i Japàna, dia ny Facebook no toa hita fa tambajotra tena ilaina be ho an'ireo vondrona mpanohitra ny fanaovana vaksiny.

Hatrany am-piandohan'ny valanaretina tao Japàna, niely tety anaty tambajotra ny vaovao diso sy fitaka. Tao anatin'ny tapany voalohany ho an'ny 2021 ary tany am-piadohan'ny fanaovana vaksiny faobe tao Japàna, nanamafy ireo sary noforonina hanoherana ny fanovana vaksiny fa « mety hanova ny rafi-tarazon'ny zanak'olombelona » ilay vaksiny hiadiana amin'ny COVID-19, sy hoe « mahamomba (= lasa tsy miteraka) ilay vaksiny Pfizer» ary « mamadika ny vatana ho lasa toy ny andriamby manoloana ny onjampeo 5G ».

Ezahan'ireo tambajotra sôsialy toy ny Facebook, Twitter ary YouTube ny mibahana na manaisotra ireo torohay tsy marina momba ny COVID-19, samihafa ny ambaratongam- pahombiazana [en] ho an'ireny ezaka ireny. Ireo sehatra sôsialy ihany koa dia nahafahan'ireo manampahaizana manokana momba ny fahasalamana ao Japàna nanome nivantana ireo torohay tena izy [en] momba ny Covid-19 sy ny fanaovana vaksiny.

Araka izay voalaza àry, dia mora miparitaka tokoa an-tambajotra ny vaovao disoina.

Ny 13 Jona, voamariky ny Japoney iray mpampiasa Twitter fa ny boky izay tsara laharana indrindra tao amin'ny tranonkalan'ny Amazon ao Japàna [en] dia boky iray manohitra ny filazàna momba ny fiarovana entin'ny vaksiny hiadiana amin'ny COVID-19 (ny be mpividy indrindra faharoa tao amin'ny Amazon tamin'ny 13 Jona dia ny famandrihana mialoha ny boky iray mbola vao hivoaka, tsy misy ifandraisany amin'ny COVID-19 na ny vaksiny,  miresaka momba ny fiainana aorian'ny fahafatesana, nosoratan'ilay “gourou” sady bilaogeran'ny vanimpotoana vaovao Ise Hakusando).

Tokony handray ny andraikiny ny Amazon manoloana ny mety ho fahafatesana Japoney marobe noho ny famoahany ireo boky manohitra ny fanaovana vaksiny ho toy ny laharana voalohany be mpividy indrindra ao Japàna. Asa fampihorohoroana atao amin'ny fahasalaman'ny vahoaka ao Japàna io ka tokony arahana maso akaiky

Dikan'ny bitsika niandohana: Boky iray manohitra ny vaksiny ve izao no loha laharana ao amin'ny Amazon? Tena mampieritreritra an!

Nankalazaina ho mampiseho “resadresaka” niarahana tamin'ilay Amerikàna mpanao fampielezankevitra manohitra ny vaksny [en],  Robert Kennedy Jr., ny lohatenin'ilay boky dia azo adika hoe « Dokotera iray mampibaribary ny marina momba ny vaksiny COVID-19: COVID-19 tsy atahorana sy vaksiny mampivarahontsana. » (医師が教える新型コロナワクチンの正体 本当は怖くない新型コロナウイルスと本当に怖い新型コロナワクチン)

Boky iray nosoratan'i Utsumi Satoru, dokotera iray efa hatry ny ela no misalasala momba ny siansa ary mandefa vlogs momba ny « Ahoana no fomba atao tsy ho voafitaky ny lainga  goavana, izay tsy inona fa ny fitsaboana » (“大ウソ医学に騙されない極意”) ary lohahevitra hafa ao amin'ny fantsony YouTube, manana mpamandrika miisa 86 000. Olona miisa 162.000 koa no manaraka an'i Utsumi ao amin'ny Facebook, izay amoahany momba ireo vaksiny, ary mbola mitantana ihany koa vondrona maro ao amin'y Facebook natokana hiserahana momba ny vaksiny sy ireo lohahevitra momba ny fahasalamàna, ary amin'ny fandrindràna ireo hetsika ataon'ireo olona an'aliny maro tsy resy lahatra amin'ny fanaovana vaksiny manerana an'i Japàna.

Ezahan'ireo Japoney sasany mpitarika pôlitika ny miady amin'ny fandisoana vaovao momba ireo vaksiny hiadiana amin'ny COVID-19. Kono Taro, ilay minisitra tsy mahazatra [en] ao anatin'ny governemanta sady tomponandraikitry ny fanapariahana ny vaksiny ao Japàna dia tsy tapaka manondro, ary imasombahoaka, ireo fitaka ho toy ny olana iray mandritra ilay valanaretina.

Toa i Taro Kono irery no hany olona ao anatin'ny governemanta eto Japana tsinjoko miatrika sy miampanga ireo hagaigena izay tsy inona fa ny honohono entina manohitra ny fanaovana vaksiny (toy ny hoe mahamomba ny olona ireo vaksiny)

Dikan'ny bitsika niandohana: Nandritra ny antsafa nalefa tamin'ny 20 Jona 2021, Kono Taro, minisitra tomponandraikitra amin'ny fanapariahana ny vaksiny, dia nanambara hoe: « Lazain-dry zareo fa lasa momba ianao raha manaiky hatao vaksiny, nefa lainga be daholo izany rehetra izany. » Avy eo notsipihan'Atoa Kono fa « Tsy maintsy hazavantsika fa, ara-pomba siantifika, tsy misy ny zavatra tahàka izany. »

Tao anaty lahatsoratra iray tanaty bilaogy nivoaka tamin'ny 24 Jona, nanambara Atoa Kono fa ny fanelezana vaovao diso ety anaty tambajotra dia mety ho vokatr'ny ezaka ataon'ireo governemanta vahiny:

EUの対外行動庁(EUの外務省にあたる)が4月に公表した報告書によれば、中国やロシアが、ファイザーやモデルナのmRNAワクチンの信頼性を傷つけるような情報発信をソーシャルメディアなどを使って複数の言語で行っています。

Araka ny tatitra iray tamin'ny Aprily avy amin'ny Masoivohon'ny Raharaha Ivelany ao amin'ny Fiombonambe Eorôpeàna [Service européen pour l'Action extérieure (SEAE)], ampiasain'i Shina sy Rosia ireo media sôsialy ary fomba maro hafa mba hanelezana vaovao natao hanimbàna ny lazan'ny vaksiny ARNm an'ny Pfizer sy ny  Moderna.

Ao anatin'ny lahatsorany am-bilaogy, mampingonongonona an'Atoa Kono ireo « matianina amin'ny fahasalamàna manana fahazoandàlana » nefa manely vaovao diso, avy eo novoaboasany tsirairay ihany koa ny amin'ireo fitaka isankarazany momba ireo vaksiny hiadiana amin'ny COVID-19.

Raha namaly ny fanamafisana hoe maty ireo saka nampiasaina nanaovana andrana an'ilay vaksiny, dia nambaran'Atoa  Kono fa :

現に、ファイザー社のワクチンの研究でネコが使用されたことはありません。

Raha ny zavanisy, tsy nisy mihitsy saka nampiasaina tamin'ny fikarohana ireo vaksiny Pfizer.

Raha ireo hafa mpandinika kosa manosoka hevitra hoe ny fanahiana, ny fisalasalàna ary ny fifanjevoan-kevitra momba ilay valanaretina dia mety ho tomponandraikitra amin'ny ampahany ihany amin'ireo fisalasalàna momba ireo vaksiny, tao anaty lahatsoratra iray namoaboasana ny « fankahalàna ny vaksiny » ao Japàna, ampahatsiahivin'ireo eny amin'ny anjerimanontolo fa zavadehibe ny fisorohana ny fanarabiana ary ny fihatakatahana amin'ireo izay manana fisalasalàna momba ny vaksiny :

ワクチンへの不安や警戒感だけでなく、そうした気持ちを理解されない『疎外感』がある」と分析。「接種を受けたい人も受けたくない人も、互いの判断を尊重し合うべきだ」と訴える。

« Rehefa tsy ekena sy ankatoavin [ny fiarahamonina amin'ny ankapobeny] ireo toepo misalasàla [momba ny maha-fiarovana ireo vaksiny] sy ny fitandremana, hisy fahatsapàna fanilikilihana hitombo haka toerana » hoy ny manampahaizana iray, « Tokony hifanaja ireo olona te-hatao vaksiny sy ireo tsy te-hatao vaksiny.»

Hamafisin'ilay loharano, Tsuchida Shoji [en], profesora mpampianatra psikôlôjia sy fifandraisana ao amin'ny Anjerimanontolon'i Kansai, fa ny fanilikilihana dia mety hitondra ho amina olana sôsialy lalina kokoa, satria avy eo dia ho maro ireo vondrona mpanao an-tendrony handray an-tànana ireo misalasala ireo:

「『ワクチン反対派はおかしい』などと安易にラベリング(レッテル貼り)して突き放すことは、事態をさらに悪化させる」と危惧。「社会が不安に寄り添わず、親身に話を聞いてくれるのはカルト集団や陰謀論者だけ、という状況は非常に危険だ」

Ny fanilihana sy fanosorana [ireo misalasala momba ny vaksiny], toy ny “filazàna azy ireo ho hafahafa”, dia tsy manao afa-tsy ny vao mainka manaratsy ny toedraharaha. Tena zavadoza ho an'ny fiarahamonina rehefa ireo sekta sy mpikopaka ny teorian'ny tsikombakomba no hany sisa olona hohenoina sy hiarahan'ireo misalasala tsy te-hatao vaksiny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.