- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shelly-Ann Fraser-Pryce, ‘Mommy Rocket’ ao Jamaika no vehivavy mbola velona faingan-tongotra indrindra

Sokajy: Karaiba, Jamaika, Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta
[1]

Ekipa Vehivavin'i Jamaika 4x100m nifaninana tamin'ny Lalaon'ny Commonwealth 2014, notontosaina tao Glasgow, Ekaosy. Shelly-Ann Fraser-Pryce (havanana), anisan'ny ekipa nahazo ny medaly volamena, izay nahitana ihany koa an'i Kerron Stewart, Veronica Campbell-Brown ary Schillone Calvert. Saripika [1] avy amin'i Marc [2] tao amin'ny Flickr, CC BY-NC-ND 2.0 [3].

Ny asabotsy folakandro mafana tao amin'ny National Arena tao Kingston, Jamaica, lasa vehivavy mahery mihazakazaka indrindra teo amin'ny tantara nandresy tamin'ny zato metatra i Shelly-Ann Fraser-Pryce [4] tompondaka olaimpika indroa miatoana, nanamontsana ny zavabitam-pirenena tsara indrindra [5] 10.70 tamin'ny hazakazaka tao Jamaika tao anatin'ny 10.63-segondra.

Ilay nomena anaran-tanjaka “Pocket Rocket” (1,52 metatra monja i Fraser-Pryce), ankehitriny no nahazo ny anaram-bositra “Mommy Rocket” — niverina teny amin'ny toeram-pihazakazahana ity olona 34 taona ity sivy volana monja taorian'ny niterahany ny zananilahy, Zyon, tamin'ny taona 2017.

Nisioka i Fraser-Pryce taorian'ny hazakazaka tamin'ny 5 jona:

Rehefa nody ventiny ny rano natsakaina!! be tokoa ny vita, fa mbola lavitra ny haleha

Niteny tamin'ny mpanangom-baovao [7] tao Kingston izy:

I’m at a loss for words because 10.6 has been a dream, a goal. I’ve been working so hard, been so patient and to see it finally unfold, I’m just ecstatic.

Tsy hitako izay holazaina satria nofy, ary tanjona, izany 10.6 izany. Niasa mafy aho, nikiry ary dia nisokatra izany tamin'ny farany. Avo ny lanitra ka tsy takatra.

Izany no fandeham-behivavy haingana indrindra teto ambonin'ny tany eo amin'ny zato metatra taorian'ny nahazoan'ilay Amerikana Florence Griffith Joyner ny fandresena tamin'ny lalao olaimpika 1988 [8] notontosaina tao Seoul, izay nandrombahany medaly volamena telo. Na izany aza, maro ny Jamaikana no nanamaivana ny zava-bitan'i “Flo-Jo”, tamin'ny fanondroana no nampiasa fampahatanjahana [9] tamin'izany fotoana izany:

Shelly Ann Fraser Pryce ??
10.63 ??? vehivavy faingan-tongotra faharoa teo amin'ny tantara fa raha ny hevitro dia io no zavabita tsara indrindra teto an-tany‼Tsy raharahako mihitsy ny zava-bitan'i Flo Jo… Fampatanjahana sy ny sisa.

Ankehitriny mitana ny laharana fahatelo nandritra ny fotoana rehetra, nisioka ny fiarahabany ilay Amerikana mpihazakazaka efa naja retirety Carmelita Jeter, izay nitazona ny zavabita tsara indrindra hatramin'ny taona 2009 tamin'ny nanaovany ny hazakazaka tao anatin'ny 10.64 — sady heverin'i Fraser-Pryce ho mpifaninana aminy [12] mafy indrindra:

Taitra tamin'ny vaovao sasany mahatalanjona aho. Nanao azy indray i @realshellyannfp [13]. Atokisako izany rehefa vita. Niverina indray ianao rehefa nanan-janaka ary nampiseho an'izao tontolo izao ny talenta sy ny fitozoana nanananao. Ianao no vehivavy mbola velona faingan-tongotra indrindra amin'ny fomba ofisialy. Tazony ny fandrisihana ireo tanora mpanjakavavy ireo ry #CoachJet [14]

Nanampy ihany koa i Usain Bolt ilay namana efa nahazo ny medaly:

Arahabaina ?? Fisoloantena avy amin'ny andro voalohany ??

Feno fientanentanana ireo Jamaikana mpiondana fanatanjahantena tamin'ny fanamontsanan'i Fraser-Pryce ny zavabita tsara indrindra. Nisioka ny mpanoratra gazety ara-panatanjahantena iray tao an-toerana:

Endrey izany fotoana mahavelona eny amin'ny toeram-pihazakazahana. Ny fihetsik'i Shelly rehefa nahavita ny 10.63 segondra

Niditra ihany koa ny Praiminisitra Jamaikana Andrew Holness:

#Shelly [22] no ohatra tsara amin'ny mety ho vitan'ny talenta, fitsipi-pifehezana ary fahatapahan-kevitra.

Afa-mirehareha amin'ny Ambasadaoro manerantany antsika isika ??.

Mankalaza ny fanamontsanany ny zavabitam-pirenena sy ny mahavehivavy faingan-tongotra indrindra mbola velon'aina isika

Malaza dia malaza ao Jamaika tokoa i Fraser-Pryce, izay avy ao amin'ny vondrom-piarahamonina iray manodidina an'i Kingston antsoina hoe Waterhouse [27]. Olona mpiditra an-kianja tsy mety afa-po, ankamamiana amin'ny maha-atleta miasa mafy azy izy. Mamehy ny toetra maha-feno fikirizana azy ny iray amin'ny mpankasitraka azy:

Afaka tamin'ny olana saro-bahana tamin'ny vodi-tongony i Shelly-Ann. HERIMPO, Fifehezantena, fifantohana, fahadiovam-panahy, fanetre-tena… tsy maintsy mampahomby ireny!

Jeren'ny Jamaikana maro ho manana andraikitra maodely ihany koa i Fraser-Pryce amin'ny maha-ambasadaoron'ny fanaovan-tsoa [29] azy ao amin'ny UNICEF Jamaica. Nampiasainy ny sehatra hisoloany vavy [30] ho an'ny kilonga sy ny reny Jamaikana, izay matetika izarany ireo hafatra mandrisika ho an'ny vehivavy:

Mora ny mihazakazaka, saingy fanatanjahantena iray manana ny fiavahany ny maha-reny. Derao ny vehivavy rehetra eo amin'ny fiainanao fa mendrika izany ireo!!

Fraser-Pryce moa amin'izao fotoana izao dia mifantoka [34] amin'ireo [Fifaninanam-Pirenena] ao Jamaika sy ny mihoatra izany, ny lalao olaimpika ho avy ao Tokyo. Mandritra izany fotoana izany dia manana anjara toerana lehibe ny ankohonana:

“Neny” no voninahitra tsara indrindra azoko.

Na inona na inona hitranga, mahafantatra ny Jamaikana fa mbola manao izay hananany rehareha hatrany ity mpihazakazaka izy tsy mbola mikasa [37] ny haka retirety amin'izany ity.