CDM, NUG, EAO ary ireo fanafohezana anarana hafa an'ireo mpanohitra ny fanonganam-panjakana ao Myanmar

Hetsika iray fanoherana ny fanonganam-panjakana ao Myanmar. Saripika nozarain'ny olompirenena iray mpanora-gazety, nahazoana alalana.

Nisy ventiny ny hetsika feno fihaikana nataon'ireo mpanohitra ny fanonganam-panjakana tao Myanmar tamin'ny fampiasana ireo tetikady vaovao sy sariohatra (saimbôly) hampaharitra ny fifandanana amin'ny fitondran'ny miaramila. Mahafantatra ihany koa ry zareo fa mandeha mivantana amin'ny aterineto na mivoaka ao amin'ny media sosialy sy ireo seha-baovao manerantany  izay mahatonga ireo torohay ho voasoratra amin'ny teny anglisy. Ho an'ireo izay manaramaso akaiky ny toa-draharaha ao Myanmar, dia mety ho mora ho azy ireo ny mahafantatra ireo fanafohezanteny amin'ireo sora-baventy eny amin'ny fihetsiketsehana, saingy mety tsy ho izany kosa amin'ireo tsy zatra ny tokotanin-tsehatra ara-politika vao haingana ao amin'ny firenena.

Ireto ambany ireto ny fanafohezana mahazatra ampiasain'ny mpanao hetsi-panoherana sy ny dikany ary ny lanjany ho an'ireo ao amin'ny hetsika fanonganana sy ny ao amin'ny demaokrasia. Nampidirinay ihany koa ireo fanafohezana mifandraika amin'ny fanonganam-panjakana izay matetika voalaza ao amin'ny tati-baovao.

CDM – Civil Disobedience Movement na Hetsika Tsy Fankatoavan-Tsivily (vahoaka). Ny dokotera sy ireo mpiasan'ny fahasalamana no voalohany nandà ts hiasa ho mariky ny fanoherana ny fanonganam-panjakana tamin'ny 1 febroary. Avy eo ry zareo narahan'ny mpampianatra sy mpiasam-panjakana hafa. Manondro ihany koa izany ireo asam-pifandànana ataon'ny olompirenena izay manao izay hanimbana ny fitondran'ny miaramila tahaka ny fanaovana ankivy ireo fihariana izay miaramila no tompony.

CRPH – Committee Representing Pyidaungsu Hluttaw na Komity misolotena ny Pyidaungsu Hluttaw. Andry iray natsangan'ireo mpikambana ao amin'ny parlemantera voaongana sy ireo olom-pirenena tafiditra tsy manaiky ny maha-ara-dalàna ny governemanta miaramila.

NUG – National Unity Government na Governemantan'ny Firaisampirenena. Nambaran'ny CRPH fa ny NUG no governemantan'i Myanmar ara-drariny. Amin'ny ankapobeny izy ity dia voarafitry ny mpikambana parlemantera voaongana sy ireo mpitarika foko isan-karazany manohitra ny jadona. Tadiaviny ny fankatoavana manerantany ho governemanta misolotena ny olompirenena Myanmar izay mitady ny hamerenana amin'ny laoniny ny fitondran'ny sivily.

Tohanan'ny mponin'i Myingyan ny Governemantan'ny Firaisampirenena. Nasehon'ny mponin'i Myingyan ao Mandalay ny fanohanan-dry zareo ny governemantan'ny firaisampirenena (NUG) tamin'ny alahady.

NLD – National League for Democracy na Ligy Nasionaly ho amin'ny Demaokrasia. Io ilay antoko mpanohitra nandresy tamin'ny fifidianana ankapobeny manantantara tamin'ny taona 2015. Antoko nitondra mandra-pisian'ilay fanonganam-panjakana tamin'ny febroary. Nahazo vahana be izy tamin'ny fifidianana tamin'ny taona 2020 izay mitaratra ny maha-mbola tiam-bahoaka azy,  na dia niatrika ny fiampangana ho tsy nahavadika ireo lalàna mamoritra nandritra ny fitondrana jadona miaramila aza.

USDP – Union Solidarity and Development Party na Antoko Firaisankina sy Fampandrosoana. Antoko notohanan'ny miaramila izay nitondra nanomboka ny taona 2010 ka hatramin'ny taona 2015. Tsy vatrany ny nandresy indray ny NLD tamin'ny taona 2020.

GSCN – General Strike Committee of Nationalities na Komitin'ny Fitokonamben'ny Zom-pirenena (maro). Natsangana tamin'ny febroary izy io handrindra ny fihetsiketsehana fanoherana ny fanonganam-panjakana misolo tena vondrona fanoherana, hery ara-poko, ary ireo antoko mifandàna amin'ny fitondrana miaramila.

SAC – State Administration Council na Filankevi-panjakana. Ny anaran'ny governemanta izay tendren'ny miaramila ny mpikambana ao aminy.

MEHL – Myanmar Economic Holdings Public Company Limited. Vondron'orinasa an'ny miaramilan'i Myanmar sady tantaniny.

MEC – Myanmar Economic Corporation. Vondron'orinasa iray hafa an'ny miaramila sady tantaniny. Ataon'ny CDM lasibatra ireo orinasa mikambana ao amin'ny MEHL sy ny MEC.

EAO – Ethnic Armed Organizations na ireo Fikambanampoko Mitam-Piadiana. Mihoatra ny 100 ny vondrom-poko ao Myanmar, namelona tolona mitam-piadiana ny sasany amin'izy ireo hampijoroany ny zony ho masim-mandidy amin'ny taniny (hizaka tena). Nandritra ny famoretana nataon'ny fitondrana jadona miaramila, maro ireo mpikatroka nitady fialokalofana any amin'ireo faritany fehezin'ny EAOs. Misy ihany koa ireo antokom-poko nanao voady ny hiaro ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny fanonganam-panjakana sy ireo olompirenena manohitra ny fitondrana jadona miaramila. Hita ao amin'ny NUG ireo EAOs mba hampatanjaka kokoa ny firaisankina anoherana ny governemanta miaramila.

PDF – People’s Defense Force na Tafi-Piarovam-Bahoaka. Hery mitandro filaminana natsangan'ny NUG hiaro ny sivily amin'ny jadona miaramila. Hita izany ho fitarikandron'ny fananganana Tafika Federaly Tafaray hanolo ny jadona miaramila Tatmadaw (Herin-Tafika Mitam-Piadiana).

UEC – Union Election Commission na Vaomieram-Pifidianana. Io no Andrim-panjakan'ny governemanta nisahana ny fifidianana tamin'ny novambra 2020. Nampangain'ny jadona miaramila izy io ho tsy nahavita nanakana hala-bato goavana amin'ny lisi-pifidianana izay nahatonga ny fanonganam-panjakana. Nolazain'ny UEC fa tsy misy fototra ny zava-nolazain'ny miaramila. Nahita lesoka maromaro ny mpanaramaso iraisampirenena saingy nofehezin'izy ireo fa nizotra ara-dalàna sy am-pilaminana tsara ny fifidianana amin'ny ankapobeny.

AAPP – Assistance Association for Political Prisoners na Fikambanana Manampy ireo Gadra Politika. Fikambanana iray mpandala ny zon'olombelona manara-maso ny toerana sy ny zavatra iainan'ny gadra politika ao Myanmar. Namoaka fanavaozam-baovao isan'andro amin'ny isan'ny olona nosamborina sy maty nandritra ny fifandonana izy io hatramin'ny nisian'ny fanonganam-panjakana.

ASSK – Aung San Suu Kyi. Olomangan'ny demaokrasia nihaika ny jadona miaramila, nahazo ny loka Nobel, ary mpitarika ny NLD. Mpitondra de facto an'i Myanmar fantatra amin'ny hoe State Counsellor na Mpanolotsaim-Panjakana. Nosamborina izy nandritra ny fanonganam-panjakana.

22222 – Roa anankidimy [an-kihy dimy]. Ny lazain'izy io dia ilay fitokonambe notontosaina tamin'ny 22 febroary 2021 nanerana ny firenena izay nampiseho ny tsy fahafalian'ny vahoaka amin'ny jadona miaramila.

8888 – Fitroaran'i Myanmar tamin'ny 8 aogositra 1988 nomanina hanoherana ny jadona miaramila. Avy amin'io no nitsirian'ny fitokonana ‘22222’.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.