- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

JEREO/HENOY: “Beyond the Protest Square (Mihoatra lavitra ny Kianjam-Panoherana),” tafa niarahana tamin'i Tanya Lokot

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Okraina, Rosia, Fanoherana, Hevitra, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona, GV Insights

Ao anatin'ilay bokiny vaovao, “Beyond the Protest Square: Digital Media and Augmented Dissent [1],” hamafisin'ilay manampahaizana manokana momba ny media, Tanya Lokot [2], fa ny “(réalité augmentée [3] dia lasa lavitra mihoatra ny vatana, tranolay, ary ny rarivato eny amin'ny kianjam-panoherana, satria tafidtra ao anatiny ao ny fandefasana mivantana, ny hasinora isankarazany (time zones), ny fifampiresahana atao amin'ny fomba miafina, ary ny fandikanteny ho amin'ny fiteny samihafa sy eo noho eo an'ireo zavamitranga momba ny hetsipanoherana.”

Ny 17 Jona, niray latabatra ny tale mpanatanteraky ny Global Voices, Ivan Sigal sy Tanya mba hiresadresaka momba ilay boky, izay nifototra tamin'ireo antsafa nifanaovana tamin'olona nandray anjara tamina hetsipanoherana sy fandalinana ny vakodrazana  tamin'ireo votoaty avy any Okraina sy Rosia.

Tanya dia “professeure agrégée” amin'ny resaka Media Nomerika sy Fiarahamonina ao amin'ny Sekoly Ambony momba ny Fifandraisana ao amin'ny Anjerimanontolon'i Dublin, no sady Toniandahatsoratry ny Global Voices ho an'ny faritra Eorôpa Atsinanana.

globalvoices [4] · A conversation w/ media scholar Tanya Lokot About Her Book “Beyond The Protest Square” [5]