- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Taorian'ny dinika diplaomatika iray, nifanakalo gadra sy torohay saropady i Armenia sy Azerbaijana

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Armenia, Azerbaijan, Ady & Fifandirana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Tantara, Vaovao Mafana, Vaovao Tsara, Zon'olombelona

“Saina malotoloton'i Fiombonambe Eorôpeàna” nataon'i Free Grunge Textures – www.freestock.canampiasàna ny lisansa CC BY 2.0 https://search.creativecommons.org/photos/c28b0e8e-c18a-467a-b836-a697a7656275

Ny Sabotsy 12 Jona, Armeniàna mpifonja 15 no nafahan'i Azerbaijana ho takalon'ireo sarintany mampiseho ireo toerana misy vanja milevina miisa 100.000 any ho any [1] nasitriky ny tafika armeniàna tao amin'ny faritra izay azon'i Azerbaijana indray tamin'ny ady nafotaka [2] nifanaovan'ny firenena roa tonta tamin'ny taona lasa.

Fifanarahana teo ambany fitarihan'i  Antony Blinken, sekreteram-panjakana amerikàna, Phil Reeker mpisolo toerana ny sekretera lefitra, Charles Michel filohan'ny Filankevitr'i Eorôpa, Irakli Garibashvili  praiminisitra zzeorziàna,  ary ny Fikambanana ho amin'ny Fiarovana sy Fiarahamiasa ao Eorôpa (OSCE).

Tao amin'ny Twitter, nidera ilay fifanarahana vaovao ny filohan'ny filankevitr'i Eorôpa Charles Michel:

Mitehaka ny fihetsika mijery ny maha-olona nataon'i Azerbaijna & Armenia aho – famotsorana ireo gadra sy sarintanin'ireo faritra misy vanja nalevina

Dingana voalohany mankany amin'ny fanavaozana indray ny fifampitokisana @presidentaz [3] & @NikolPashinyan [4]

Nanohana io dingana io ny Fiombonambe Eorôpeàna ary hanohy hanome tohana mba hampandehanana haingana ny fivoarany

— Charles Michel (@eucopresident) 12 Jona 2021 [5]

Ny minisitra misahana ny raharaha ivelany ao Azerbaijana dia namoaka ihany koa fanambaràna iray  [6]midera ilay fifanarahana, tamin'ny filazàna fa “Hamonjy ny aina sy ny fahasalaman'ireo olompirenena an'alinaliny ny fahazoana ireo sarintany misy ny vanja milevina, ary isan'izany ireo mpiasa mpanala vanja milevina, ary hanafaingana ny fanorenana ireo tetikasa natomboky ny filohan'ny Repoblikan'i Azerbaijana, Mr. Ilham Aliyev, ao Agdam ary ny fiverenan'ireo IDPs (olona nafindra toerana.”

Ho fanamafisana ilay fifanarahana vaovao, nozarain'ny mpisolo toerana ny praiminisitra, Nikol Pashinyan, tao amin'ny pejiny Facebook ny sarin'ireo Armeniàna gadra 15, niampy lisitra feno [7] misy ny anaran'ireo miaramila, ary fialantsiny ho an'ireo fianakaviana izay tsy mbola tafaverina ny havany.

Taorian'ny nitsaharan'ilay ady faharoa tao Karabakh [8] nifanaovan'ny Armenia sy Azerbaijana tamin'ny taona lasa, isan'ireo teboka tena saropady noresahana ny fiverenan'ireo babo sy  ny sarintany misy ireo vanja milevina. Ny 10 Novambra 2020, niafara tamin'ny fampitsaharana ny poabasy teo ambany fiahian'i Maosko [9] ilay ady naharitra enina herinandro, ka niverina ho teo ambany fifehezan'i Azerbaijana ny ampahany sasany amin'i Karabakh ary distrika fito mifanila izay nobodoin'i Armenia tany aloha.

Tany am-piandohan'ity volana ity, notaterin’ [10]i Azerbaijana ny fahafatesan'ireo mpanao gazety roa sy manampahefana iray tao amin'ny governemanta, ary raha kely indrindra dia olona efatra no naratra vokatry ny fipoahan'ny vanja milevina. Ireny tranga ireny no nitondra ho 20 [11] ny isan'ireo maty vokatry ny vanja an-tanety .

Jeyhun Bayramov, minisitry ny raharaha ivelany ao Azerbaijana nilaza fa “tena malahelo mafy” nandre ny vaovao momba ilay fipoahana ary nitatitra ny fahavoazana:

Malahelo mafy mahafantatra fa sivily azerbaijaney 3 no maty, mpanao gazety ny roa tamin'ireo, tamin'ny fipoahana vanja nilevina tao #Kalbajar [12] distrikan'i #Azerbaijan [13].

Mangataka an'i #Armenia [14] izahay mba hanolotra ny sarintanin'ireo tany misy vanja milevina. Isanandro ry zareo dia manohy mandà io fangatahana io, aina maro no tandindonin-doza!

— Jeyhun Bayramov (@bayramov_jeyhun) 4 Jona 2021 [15]

Tsy mbola fantatra mazava [16] ny isan'ireo Armeniàna babo an'ady sy gadra hafa any anaty fonja Azerbaijaney, satria ireo manampahefana ao Azerbaijana dia mihevitra [17] ny sasany amin'ireo mpifonja ho babo an'ady. Hatramin'ny niafaran'ny ady, ny sasany amin'ireo 69 gadra an'ady sy ireo gadra hafa no naverin'i [16] Azerbaijana. Ny 8 Jona, ny mpisolo toerana ny praiministra Pashinyan nilaza [18] fa vonona izy ny hanakalo ny zanany lahy amin'ireo gadra an'ady sisa tavela.

Tao amin'ny fantsony Telegram, ny mpitondra tenin'ny ministeran'ny raharaha ivelany ao Rosia, Maria Zakharova, dia nidera ilay fivoarana vaovao [19], raha ny minisitry ny raharaha ivelany ao Zeorzia kosa, David Zakaliani, nilaza [20] tao anaty fanambaràna iray fa efa am-bolana maro ireo diplaomaty ao Tbilisi no niasa momba ilay fifanarahana.