Vondronasan'ny tambajotra sosialy any Laos: Hikendry ireo ‘vaovao faikany’ ve izy ireo sa hanisy sivana ny fitsikerana an-tserasera?

 

Mpampiasa solosaina ao Laos. Sary Flickr avy amin'i jonrawlinson. (CC BY 2.0)

Manohitra ny torolàlana farany avy amin'ny governemanta ao Laos amin'ny fanaraha-maso ireo sehatry ny tambajotra sosialy sy ny fanamafisana ny fisoratana anarana amin'ny aterineto ireo vondrona fiarahamonim-pirenena any Azia Atsimo Atsinanana.

Tamin'ny 20 May, namoaka baiko manjavozavo ny Minisiteran'ny Fampahalalam-baovao, Kolontsaina ary Fizahan-tany mitaky ny governemantam-paritany rehetra hitahiry ireo vaovao mivoaka amin'ny sehatry ny tambajotra sosialy, tranonkala, loharanom-baovao an-tserasera ary ny pejy Facebook. Ny ampitson'io, nanambara ny Minisiteran'ny Filaminam-bahoaka fa nanangana vondronasa manokana izy ireo hanaraha-maso ny “fampitam-baovao tsy ara-dalàna an-tserasera” sy ny “vaovao faikany” mifandraika amin'ny COVID-19.

Samy nilaza ireo minisitera roa ireo fa natao izany mba hisorohana ny fanaparitahana vaovao diso mandritra ny valan'aretina.

Nilaza tamin'ny fampahalalam-baovao Radio Free Asia ny tompon'andraikitra iray ao an-toerana  fa mikendry ireo izay “manao fomba tsy mety amin'ny fampiasana ny tambajotra sosialy” ny governemanta.

Our job is to give advice and to lay out the rules and punishments for those who misuse social media. We’ll give a warning to first-time offenders, and then fine people for a second offence. For a third offence, we will put them in jail.

Manome torohevitra sy mametraka ny lalàna sy ny sazy ho an'ireo izay manao fomba tsy mety amin'ny fampiasana ny tambajotra sosialy no asanay. Hanome fampitandremana voalohany ho an'ireo sambany nandika lalàna izahay, ary avy eo mahazo lamandy ireo olona izay mandika lalàna fanindroany. Hampidirinay am-ponja ireo izay mandika lalàna fanintelony.

Nanamafy ny fanaraha-maso ny aterneto ny governemanta ao Laos. Tamin'ny volana Oktobra 2020, nanome baiko ireo mpandraharahan'ny sehatry ny tambajotra sosialy izy ireo hisoratra anarana any amin'ny Departemantan'ny Haino Vaky Jery ao amin'ny Ministeran'ny Fampahalalam-baovao, Kolontsaina ary Fizahan-tany. Tafiditra tao anatin'ilay torolàlana na dia ireo olon-tsotra mpisera aterineto aza:

Any individual, legal entity, state or private sector that continues to publish and provide information to the public via social media without permission will face measures in line with the laws of the Lao PDR.

Izay olona, ​​fikambanana ara-dalàna, fanjakana na sehatra tsy miankina rehetra manohy mamoaka sy manome vaovao amin'ny besinimaro amin'ny alàlan'ny tambajotra sosialy tsy mahazo alalana dia iharan'ny fepetra mifanaraka amin'ny lalàn'ny PDR Lao.

Nampitandrina ireo mpiseran'ny tambajotra sosialy mba tsy hanakorontana ny firenena ny filohan'i Laos Thongloun Sisoulith, izay voafidy tamin'ny volana Martsa 2021:

In the era of the advanced technological and modern social media, police must fight firmly and immediately against people who use social media to commit crimes, to destroy our country and to cause any disorder by undermining our unity, creating misunderstanding and creating any antagonistic parties in the country.

Amin'ny vanim-potoanan'ny fivoaran'ny teknolojia sy ny tambajotra sosialy maoderina, tsy maintsy miasa mafy sy haingana ny polisy hanasaziana ireo olona mampiasa ny tambajotra sosialy hanaovana heloka bevava, handravana ny firenentsika, hambolena korontana amin'ny alàlan'ny fanozongozonana ny firaisankinantsika, hamoronana ny tsy fifankahazoan-kevitra ary ny hananganana antoko mpanohitra ato amin'ny firenena.

Ho valin'izany, nanangana ny Fiaraha-mientam-paritra ASEAN ireo vondrona fiarahamonim-pirenena monina any Azia Atsimo Atsinanana, ary nanao fanentanana tamin'ny fampiasana ny tenirohy #StopDigitalDictatorship (Atsaharo ny didy jadona nomerika). Niara-nanao sonia fanambarana iraisana ihany koa izy ireo izay manakiana  ny torolàlana mifehy ny aterineto Laosianina:

The reinforcement of social media platforms’ registration and severe control of online information are another reflection of the digital dictatorship in Laos, which violates the digital rights of individuals, especially freedom of the press, freedom to access information, and freedom of expression.

Taratry ny fitondrana jadona nomerika ao Laos ny fanamafisana ny fisoratana anarana amin'ny sehatry ny tambajotra sosialy sy ny fifehezana amin'ny fomba henjana ny vaovao an-tserasera, izay manitsakitsaka ny zo nomerika ho an'ny isam-batan'olona, ​​indrindra ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, ny fahalalahana hahazo vaovao, ary ny fahalalahana maneho hevitra.

Notanisain'izy ireo ny raharaha  momba ilay mpikatroka tontolo iainana Houayheuang Xayabouly, fantatra ihany koa amin'ny anarana hoe Muay, izay notanana am-ponja hatramin'ny taona 2019 noho ny fandefasana horonantsary tao amin'ny Facebook, izay nanakianany ny fihetsiky ny governemanta Laos manoloana ny lozan'ny tondra-drano. Ankoatra an'i Muay, misy ihany koa ireo mpisera Facebook marobe izay voampanga noho ny fanehoan-kevitra momba ny kolikoly na ny fanararaotam-pahefana nataon'ny manampahefana tao an-toerana.

Nampitandrina ireo vondrona fa tsy ny fanaraha-maso ny vaovao diso momba ny COVID-19 no tena ataon'ireo vondronasan'ny aterineto fa ny fanakanana ny fahalalahana miteny.

Nanamarika i Dhevy Sivaprakasam, mpanolotsaina momba ny politika any Azia-Pasifika ao amin'ny Access Now fa ho anisan'ny vondronasa miandraikitra ny fanaraha-maso ny tambajotra sosialy ny mpitandro ny filaminana.

The fact that it will be staffed by the police and state representatives — without independent fact-checkers, civil society, or other concerned non-state stakeholders — magnifies the looming risk of attacks and harassment against individuals who should not be seen as criminals at all.

Manamafy ny loza ateraky ny fanafihana sy ny fanorisorenana atao amin'ireo olona izay tsy tokony hoheverina ho olon-dratsy akory ny zava-misy fa tsy misy mpanara-maso tsy miankina, fiarahamonim-pirenena, na mpandray anjara hafa tsy miankina amin'ny fanjakana ankoatra ny polisy sy ny solontenam-panjakana no misahana izany.

Lany ireo toromarika vaovao taorian'ny nanombohan'ireo mpisera Twitter ao Laos nampiasa ny tenirohy # ຖ້າ ການ ເມ ອືງ ລາວ ດີ (Raha tsara ny politikan'i Laos) mba hanehoana hevitra  momba ny olana ara-politika. Tamin'izany fotoana izany, naneho firaisankina tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana manohana ny demaokrasia Thailandey ihany koa ny olom-pirenena Laô. Nanoratra i Sebastian Strangio, tonian-dahatsoratry ny tranokalam-baovao ao amin'ny The Diplomat any Azia Atsimo atsinanana fa mety ho kendrena hanafoana ny firongatry ny hetsika mpanohitra an-tserasera ny vondronasa:

The new task force is an expression of the ruling LPRP’s concern that Facebook could act as an incubator of anti-government and anti-party dissent.

Maneho ny ahiahin'ny antoko eo amin'ny fitondrana LPRP  ny fiforonan'ny vondronasa vaovao fa miasa ho fitaovam-panoherana ny governemanta sy ny fanoherana ny antoko ny Facebook.

Tamin'ny taona 2020, manana mpiseran'ny tambajotra sosialy mavitrika miisa 3,10 tapitrisa i Laos , na 43 isanjaton'ny isan'ny mponina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.