Ireo tantara sangany ao amin'ny Global Voices momba ny olan'ny toetrandro, raha mandinika ny Andron'ny Tontolo Iainana Manerantany izao tontolo izao

 

School climate rally Brisbane March 2019

Fihetsiketsehana nataon'ny sekoly momba ny toetrandro any Brisbane Martsa 2019 – Sary natolotry ny mpisera Flickr School Strike 4 Climate Attribution 2.0 Generic (CC BY 2.0)

Manamarika ny Andron'ny Tontolo Iainana Manerantany ny 5 Jona, daty nofidian'ny Firenena Mikambana tamin'ny taona 1972 mba hanaovana fanentanana momba ny maha-iankinan'ny aindehibe ny tontolo iainana.

Global Voices has covered environmental issues extensively over the years, and one focus of our stories has been the climate crisis — and the activists who champion this cause. Here are a few that have most captured our attention so far this year:

Nanao fitantarana momba ireo olana ara-tontolo iainana maro tato anatin'ny taona maromaro ny Global Voices, ary iray amin'ireo ifantohan'ny tantaranay ny olan'ny toetrandro sy ireo mpikatroka izay miaro io sehatra io. Ireto ny lahatsoratra vitsivitsy nahasarika ny sainay tamin'ity taona ity hatreto:

Na eo aza ny hamehana amin'ny fiovaovan'ny toetrandro, dia mandà tsy hanolo-tena hanao ezaka bebe kokoa hanatrarana ny tanjona kendrena amin'ny famoahana etona aotra amin'ny fitsinjovana ny hoavy ny governemanta Aostraliana ankehitriny. Tratran'ny dorotanety nandravarava sy haintany matetika anefa ny firenena, izay misy fiantraikany amin'ny ain'ny biby sy ny olombelona ihany koa.

Kambodza, mpikatroka mpiaro tontolo iainana voaheloka fa nikasa hikarakara “fandehanana ataom-behivavy tokana”

Nosamborina ary voaheloka higadra 20 volana an-tranomaizina ny vondronà mpikatroka am-pilaminana izay nahomby tamin'ny fisorohana ny fananganana tohodrano iray any Kambôdza, noho ny fikasana fotsiny hanao ‘dian-tongotry ny vehivavy’ hanohizana ny fanentanana momba ny fiarovana ny tontolo iainana ao amin'ny firenen-dry zareo.

Moa ve ny governemanta Jamaikana manolo-tena hiady amin'ny fiovaovan'ny toetrandro araka ny nambarany tamin'ny sehatry ny resadresaka lehibe iraisam-pirenena, anefa mandritra izany fotoana izany dia avelany ny fanimbana ala honko hampandrosoana ny ny fizahantaniny? Nitranga izany rehetra izany rehefa nahena efa ho 70 isan-jato ny sidina iraisam-pirenena miditra ao amin'ny nosy noho ny valan'aretina manerantany.

Nosakanan'ireo mpikatroka Holandey momba ny toetrandro ny fidirana ao amin'ny Minisiteran'ny Toetrandro hitakiana ny famoahana ny “Shell Papers”

Any Holandy, mitaky ny hampiatoan'ny governemanta ny fanohanany ny indostrian'ny arintany, izay iray amin'ireo fototry ny famoahana etona karbonika lehibe, amin'ny alàlan'ny fanafoanan-ketra ny mpikatroka amin'ny fiovaovan'ny toetrandro. Mitaky ny hisian'ny mangarahara bebe kokoa amin'ny fifanarahana efa vita tamin'ny orinasa mpitrandraka toa ny Shell ihany koa izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.