- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

MIVANTANA amin'ny 17 Jona: “mihoatra ny kianjan'ny fihetsiketsehana”, resadresaka hifanaovana amin'i Tanya Lokot

Sokajy: Mediam-bahoaka, GV Insights

 

Ao amin'ny bokiny vaovao, “Beyond the Protest Square: Digital Media and Augmented Dissent [1]” (Mihoatra ny kianjan'ny fihetsiketsehana: Media nomerika sy Feo Maningana Nohamafisina), nandresy lahatra i Tanya Lokot [2], manam-pahaizana amin'ny fampitam-baovao fa “ny zava-misy nohamafisina momba ny fihetsiketsehana dia mihoatra ireo vatana, ireo tranolay ary vatokely eo amin'ny kianjan'ny fihetsiketsehana, mampiaty fampitana mivantana amin'ny hasin'ora isankarazany araka ny faritra, resadresaka voaafin-kafatra, ary ny fandika eo noho eo amin'ny fiteny samihafa ireo favaozam-baovao avy amin'ny fihetsiketsehana.”

Miaraha aminay amin'ny 17 Jona amin'ny 4 ora hariva GMT [3] ho an'ny fizarana farany indrindra amin'ny andiana webinar Global Voices Insights [4], izay iarahan'ny tale mpanatanteraka Global Voices, Ivan Sigal miaraka amin'i Tanya, hiresaka momba ilay boky, izay mifototra amin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ireo mpandray anjara tamin'ny fihetsiketsehana sy ny famakafakana an-kisarisary ny votoaty an-tserasera avy any Okraina sy Rosia.

Profesora mpiara-miasa ao amin'ny Media Nomerika sy Fikambanana ao amin'ny Sekolin'ny Serasera ao amin'ny Oniversiten'i Dublin, sady toniandahatsoratra Global Voices Eoropa Atsinanana i Tanya.

Maimaimpoana ary ho an'ny besinimaro ny fivoriana ary halefa mivantana ao amin'ny YouTube [5].

Manantena anao hiaraka aminay izahay amin'ny Alakamisy 17 Jona amin'ny 4:00 ora hariva GMT (tsindrio eto [3]raha hijery ny ora any amin'ny faritra misy anao)!