MIVANTANA amin'ny 17 Jona: “mihoatra ny kianjan'ny fihetsiketsehana”, resadresaka hifanaovana amin'i Tanya Lokot

 

Ao amin'ny bokiny vaovao, “Beyond the Protest Square: Digital Media and Augmented Dissent” (Mihoatra ny kianjan'ny fihetsiketsehana: Media nomerika sy Feo Maningana Nohamafisina), nandresy lahatra i Tanya Lokot, manam-pahaizana amin'ny fampitam-baovao fa “ny zava-misy nohamafisina momba ny fihetsiketsehana dia mihoatra ireo vatana, ireo tranolay ary vatokely eo amin'ny kianjan'ny fihetsiketsehana, mampiaty fampitana mivantana amin'ny hasin'ora isankarazany araka ny faritra, resadresaka voaafin-kafatra, ary ny fandika eo noho eo amin'ny fiteny samihafa ireo favaozam-baovao avy amin'ny fihetsiketsehana.”

Miaraha aminay amin'ny 17 Jona amin'ny 4 ora hariva GMT ho an'ny fizarana farany indrindra amin'ny andiana webinar Global Voices Insights, izay iarahan'ny tale mpanatanteraka Global Voices, Ivan Sigal miaraka amin'i Tanya, hiresaka momba ilay boky, izay mifototra amin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ireo mpandray anjara tamin'ny fihetsiketsehana sy ny famakafakana an-kisarisary ny votoaty an-tserasera avy any Okraina sy Rosia.

Profesora mpiara-miasa ao amin'ny Media Nomerika sy Fikambanana ao amin'ny Sekolin'ny Serasera ao amin'ny Oniversiten'i Dublin, sady toniandahatsoratra Global Voices Eoropa Atsinanana i Tanya.

Maimaimpoana ary ho an'ny besinimaro ny fivoriana ary halefa mivantana ao amin'ny YouTube.

Manantena anao hiaraka aminay izahay amin'ny Alakamisy 17 Jona amin'ny 4:00 ora hariva GMT (tsindrio eto raha hijery ny ora any amin'ny faritra misy anao)!

 

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.