- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nanome fanampiana sy nivavaka i Pakistan amin'ny ady mafy amin'ny COVID-19 atrehin'i India

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, India, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Fifandraisana iraisam-pirenena, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Voina, Zon'olombelona

 

Image by Grubb via Wikipedia. CC BY-SA 3.0. [1]

Pakistan sy India. Sary avy amin'ny Grubb [1] tao amin'ny Wikipedia. CC BY-SA 3.0 [2].

Tao anatin'ny herinandro vitsivitsy lasa izay, nahitana ny fiakaran'ny tahan'ny COVID-19 [3] sy ny taham-pahafatesana tany India, nasongadin'ny vaovao izany tamin'ny tsy fahampian'ny oksizena tany amin'ny hopitaly sy ny sary mampiseho ny fandoroana faty mitandahatra. Tamin'ny 29 Aprily, nahitana [4]tranga vaovaon'ny COVID-19 miisa 379.257 tao India izay betsaka indrindra manerantany  ary maty miisa 3.645 tao anatin'ny 24 ora, raha nilaza [5]kosa ny manam-pahaizana fa mety mbola betsaka kokoa noho io isa ofisialy io ny tarehimarika tena izy.

Raha sahirana tamin'ny fifehezana ny krizy i India tamin'ny fotodrafitrasa ara-pahasalamana dia nitady fanampiana tamin'ny tambajotra sosialy [6] ny Indiana tamin'ny fanafody ilaina sy ny oksizena. Nisy ny fanohanana [7]sy ny fanampiana ara-bola avy amin'ny governemanta tsy nampoizina: avy amin'i Pakistan mpifanolo-bodirindrina aminy, izay efa nanana fifandrafiana tamin'i India hatry ny ela.

Raha mbola tsy namaly ny tolotr'i Pakistan i India dia naneho firaisankina [8]ny mpisera Twitter avy min'ny andaniny roan'ny sisintany ka nahatonga ny tenirohy maneho finamanana malaza toy ny #PakistanStandsWithIndia [9] (Manohana an'i India i Pakistan), fihetsika tsy fahita firy eo amin'ny fanjakana roa tonta. Nisaotra [10]an'i Pakistan noho ny fanohanany ireo mpilalao sarimihetsika Indiana sasany.

Nanana fifandraisana misafotofoto [11] sy sarotra noho ny ady manan-tantara [12] sy ny satan'ny fitaovam-piadiana nokleary ireto mpifanolo-bodirindrina Aziatika Tatsimo ireto, India sy Pakistan. Niharatsy [13]noho ny krizy tao Kashmir, satria samy nitaky izany ny firenena roa tonta, ny fikasana teo aloha hamerenana indray ity fifandraisana ity. Noho izany, nahazo fankasitrahana marobe niaraka tamin'ny tenirohy lasa nalaza be [14] #PakistanStandsWithIndia ny fanohanan'ny olom-pirenena Pakistaney nandritra ny fotoanan'ny krizy tao India.

Nanadino ny tsy fitovian-kevitr'izy ireo, hoy ny praiministra Pakistaney Imran Khan nisioka:

Tiako ny maneho ny firaisankinantsika amin'ireo vahoaka Indiana satria miady mafy amin'ny andiana COVID-19 mahafaty izy ireo. Ho an'ireo rehetra mijaly amin'ny valan'aretina eto amin'ny firenena manodidina antsika sy izao tontolo izao ny vavaka ataontsika ho an'ny fanasitranana haingana. Tsy maintsy miady amin'ity olana manerantany atrehan'ny zanak'olombelona miaraka ity isika

Nampita hafatra momba ny “maha-olombelona aloha [16]” ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Pakistaney,  Shah Mahmood Qureshi, nilaza tamin'ny 24 aprily fa hanome fanampiana fitaovana toy ny ventilateur, Bi-PAP, milina fitiliana nomerika X-ray ary fitaovam-piarovana manokana.

COVID-19 any Pakistan

Tao anatin'ity adin'i Pakistan tamin'ny COVID-19 [17] ity dia olona miisa 815.711 no mitondra ny tsimokaretina ary 708.193 no sitrana raha 17.680 kosa no maty tamin'ny taon-dasa. Hatreto, vaksiny [18]miisa 1,84 tapitrisa no efa nataon'i Pakistan ary fatrana vaksiny miisa iray tapitrisa hafa kosa no nafarana an'habakabaka avy any Shina [19].

Noho ny fiakaran'ny tranga any India, namoaka fanambarana [20]ny Alahady 25 Aprily ny Minisitry ny Atitany ao Pakistan izay namela ny Faritany sy ny Faritany federaly hangataka ny fanampiana avy any amin'ny Tafika mba hampiharana ny fitsipika fomba fiasa mahazatra [21](SOPs) eny amin'ny toerana ho an'ny daholobe mba hamehezana ny fihanaky ny viriosy.

Rehefa nalaza be ny tolon'ny Indiana tamin'ny COVID-19 [22] dia nihetsika tamin'ny fitadiavana fanampiana ny Indiana tamin'ny fampiasana ny Google spreadsheets, nanamafy ny feo tao amin'ny tambajotra sosialy [6]ho fanampiana sy nanangana tambajotra firaisankina.

Ankoatra ny tompon'andraiki-panjakana sy ny arofenitra ara-panjakana dia nampifanakaiky ireo firenena roa tonta ireo ny krizy. Nanoratra taratasy [23]ho an'ny Praiminisitra Indiana Narendra Modi tamin'ny 23 aprily ny filohan'ny Fondation Abdul Sattar Edhi, fikambanana mpanao asa soa tsy miankina amin'ny fanjakana Pakistaney, naneho ny ahiahiny tamin'ny fivoaran'ny krizy COVID-19 izay miharatsy tao anatin'ny fotoana fohy ary nanolotra fiara mpitatitra marary miisa 50.

Nanoratra taratasy ho an'ny Praiminisitra Indiana Narendra Modi nanolotra fanampiana ny lehiben'ny Fondation Edhi, Faisal Edhi. Handefa fiara mpitatitra marary miisa 50 sy ekipa mpilatsaka an-tsitrapo miisa 50 izy hanampy an'i India amin'ny fotoana toy izao.

Nankasitraka ity fanapahan-kevitra ity ireo mpiseran'ny tambajotra sosialy ary nanohana ny fandravana ny fifandraisana mangatsiaka teo amin'ireo mpifanandrina samy manana fitaovam-piadiana nokleary roa.

Sady goavana no zava-dehibe izany. Antenainay fa handray fanampian'ny Foundation Edhi ny governemanta Indiana. Mampientam-po ny mahita fangorahana sy hatsaram-panahy toy izany asehon'ny fikambanana Pakistaney sy ny vahoaka manoloana ny voina mahazo an'i India.

Nidera ireo ezaka ireo i Usama Khilji, talen'ny Bolo Bhi [33], fikambanana mpikaroka ny zo nomerika tamin'ny filazany hoe:

Miaraka amin'ny olom-pirenena Pakistaney an'arivony aho miantso ny governemanta hanampy an'i India amin'ny famatsiana oksizena satria lany ny an'ny hopitalin'izy ireo

Mampientam-po ny mahita ny tenirohy malaza #IndiaNeedsOxygen [36] (Mila Oksizena India) sy ny  #IndianLivesMatter [37] (Mendrika ny miaina ny Indiana) tany Pakistan. Mampiseho fa manana fikasana tsara ny olona

Na ireo olo-malaza aza dia nandrisika ny fifanatonana. Nisioka ilay Pakistaney mpilalao cricket Shoaib Akhtar hoe:

Fiaraha-mivavaka amin'ny vahoaka ao India. Manantena aho fa ho voafehy tsy ho ela ny raharaha ary afaka miatrika tsara kokoa ny krizy ny governemantany. Miombom-po amin'izany daholo isika rehetra.

Saingy tsy ny rehetra no nankasitraka an'io fifanatonana io. Nanakiana ny filohan'ny Edhi, Faisal Edhi, noho ny fanomezany fanampiana ho an'i India, hoy ilay mpisera Twitter Shahaal Malyk nanoratra:

Henatra ho anao Faisal @FEdhiOfficial, [42] maty ny Kashmirita nefa manolotra fanampiana ho an'ny olona mpamono azy ireo ianao, nahazo laza sy voninahitra izay nilainao ianao. Anarana manana ny hajany ny Edhi ka tokony dinihinao aloha ny fihetseham-pon'ny Kashmirita

Nandray anjara tamin'ity lahatsoratra ity i Vishal Manve [45].