- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Onja COVID-19 vaovao manempotra an'i Taiwan

Sokajy: Azia Atsinanana, Taiwan (ROC), Fahasalamàna, Mediam-bahoaka
[1]

Tanànan'i Taipei tsy misy mpivezivezy. Pikantsary nalaina tamin'ny CTS News tao amin'ny Youtube.

Nanomboka tamin'ny 11 May, nahitàna firongatry ny isan'ireo tratry ny aretina i Taiwan, iray amin'ireo firenena tsy dia voa mafy tamin'ny valanaretina COVID-19 [2], nisy 3.161 no voatily ho mitondra ny viriosy tamin'ity volana ity, araka ny  [3]voazan'ny Center for Disease Control (CDC) Ivontoerana Manaramaso ny Aretina ao Taiwan. Talohan'ny May, latsaky ny 1.200 no fitambaran'ireo voarakitra tao Taiwan hoe tratry ny COVID-19 hatramin'ny nanombohan'ilay valanaretina.

Ny 16 May, fepetra fihobohana somary malefaka amin'ny laharana faha-3 [4] no navoakan'ny ministeran'ny fahasalamàna ao Taiwan, toy ny tsy maintsy hanaovana maska eny amin'ny toerana ifaneraseran'ny daholobe ary ny famerana ho 10 ny isan'ireo olona mivorivory eny ankalamanjàna.

Ny faritra midadasika indrindra ao an-tanànan'i Taipei no tena voa mafy amin'ilay onja vaovao. Miaraka amin'ireo fepetra napetraka, lasa tsy misy mpivezivezy ireo faritra tena mpanankarena ao aminy tao anatin'ny andro vitsivitsy farany.

Roa no tena foiben'ny valanaretina voatilin'ny CDC ao Taiwan — ny iray mifandray amin'ireo sidina nataon'ny China Airlines‘ ary ny iray hafa dia mifandray amin'ny toeram-pisotroana dite iray “sexy tea shop,” toerana fialamboly falehan'ireo lehilahy efa zokinjokiny, ka tovovavy tanora no sady misary zoro no mandroso izay hosotroina any.

Kianin'ireo mpanakiana ary lazainy ho anton'izany foiben'ny valanaretina izany ny nanalefahana ireo fepetra fanibohana [5] an'ireo mpiasan'ny China Airelines tsy vita vaksiny tamin'ny tapaky ny volana Aprily. Ny 11 May, mpanamory miisa 13 tao amin'ny China Airlines no voatily hoe mitondra ny viriosy COVID-19, ary nisy 30 ny tranga tao an-toerana [6] nisy fifandraisany tamin'ireo hotely nivahinian'ireo mpiasa nahiboka ireo.

Nahitàna soritr'aretina toa mitovy amin'ny COVID-19 ny filoha fahiny nitantana ny rantsan'ny Lions Club International ary ny 11 May dia voamarina fa tena tratra tokoa. Ny fitadiavana ireo nifanerasera taminy no nahitàna fa niditra tamin'ny “sexy tea shop” iray tany amin'ny faritr'i Wanhua tao Taipei izy teo anelanelan'ny 4 May sy ny 10 May.

Misy mihoatra ny 100 ireo “sexy tea shops” [7] any amin'ny distrikan'i  Wanhua ary mampiasa olona an'arivony io sehatra io. Tamin'ny 20 May, tranga COVID-19 niisa 299 [8] no nisy fifandraisany tamin'ny distrikan'i Wanhua, izay midika fa mety mbola ho be lavitra noho izany ny fitohitohizan'ny fiparitahan'ilay valanaretina.

[3]

Isan'ireo tratry ny COVID-19 tao Taiwan teo anelanelan'ny 1 May sy ny 24 May 2021. Piknatsary nalaina tao amin'ny Taiwan CDC.

Fahabangan'ny rafitra fanarahamaso ilay valanaretina

Fahabangana miisa telo no hitan’ [9]ilay gazety mpandalina ifotony  The Reporter ao anatin'ireo fepetra natao hifehezana ilay valanaretina ao Taiwan, voatondro amin'izany ny tsy fahampian'ny fahafahany mikaroka ireo olona nifampikasokasoka tamin'ny marary, ny tsy fahampian'ny fitiliana PCR ary ny tsy fahampian'ny mpiasan'ny fahasalamàna.

Huang Shier-Chieg, filohan'ny departemantan'ny fahasalamana ao Taipei, nilaza tamin'ny The Reporter fa latsaky ny olona 10 no isan'ireo ao anaty tarika mpitady ireo nifanerasera tamin'ny marary ao an-tanàna. Raha jerena amin'ny fiparitahana ben'ny valanaretina amin'izao fotoana izao, ireo izay efa voamarina fa tratra ihany no vitan-dry zareo ny mifandray aminy, fa tsy ireo izay nifanerasera tamin'izy ireny. Tsy vitan'ilay tarika mpitady ireo nifanerasera tamin'ny marary ny hanaraka ireo efa voamarina fa voa mba hiantohana fa tena manao fihibohana tokoa izy ireny, hoy ny The Reporter.

Amin'izao fotoana izao, latsaky ny 16.000 isanandro [9] ny fahafahana manao fitiliana PCR ao Taiwan. Tsy ataon'ny rafitra napetraka amin'izao fotoana izao ho laharam-pahamehana ny fitiliana ireo nifandray mivantana tamin'ireo efa fantatra fa marary, hoy ny The Reporter mitatitra.

Sempotry ny toedraharaha ny rafitra ara-pahasalamana ao Taiwan, miaraka amin'ny fisian'ireo mpiasa marobe voatily fa voa any amin'ireo hôpitaly am-polony mahery manerana an'i Taiwan. Ny sasany tamin'izy ireny nikarakara olona narary tany am-piandohany, talohan'ny nahatsapan-dry zareo ny halehiben'ny fiparitahan'ilay valanaretina.

Tamin'ny Alakamisy, hôpitaly iray ao amin'ny distrikan'i Zhongzheng ao Taipei ary iray hafa ao amin'ny distrikan'i Xizhi ao Taipei Vaovao no nanambara fikatonana tanteraka na amin'ny ampahany, taorian'ny nahitan-dry zareo fa misy mpiasa tratry ny #COVID [10]-19.https://t.co/kZ27otXfLn [11]

— Focus Taiwan (CNA English News) (@Focus_Taiwan) 20 May 2021 [12]

Na ohatra aza ny governamanta ao Taiwan nametraka haingana toerana vaovao fanaovana fitiliana, tsy ampy mpiasan'ny fahasalamana [13] sy fitaovana hitsaboana ireny toerana ireny, eny fa na dia ilay taho kely misy vovondandihazo aza. Ny tsy fahampian'ny mpiasan'ny labôratoara dia midika fa tsy ho vita ihany koa ny hanao fitiliana PCR 24 ora amin'ny 24 ora.

Satria mitombo ny isan'ireo tranga, ilain'ny rafitra fitsaboana ny fisian'ny mpiasa maro kokoa mba hanampy eny ambava-ady, ka natomboky ny tanànan'i Taipei ny nampiditra ireo mpiasan'ny fahasalamana efa nitsahatra tamin'ny asany.

Navoitran'ny fiparitahan'ilay valanaretina hoe hatraiza no zakan'i Taiwan amin'ny fandraisana ireo mpiasan'ny hôpitaly hatrany am-piandohan'ilay valanaretina. Efa hatramin'ny 2012 [14] no nisintona lakolosy momba ilay olana ny “fikambanana medikaly ho an'ny rariny arak'asa sy ny fitonian'ny marary”. Ambaran'ilay vondrona fa karama vary masaka no raisin'ireo mpiasan'ny fahasalamàna no sady mbola asaina miasa mihoatra ny ora tokony ho izy.

Tamin'ny taona lasa, ny Sendika Radikaly ivondronan'ireo mpanampy mpitsabo ao Taiwan dia nangataka tamin'ny governemanta mba hanatsara ny fepetra iasana ao anatin'ilay sehatra, saingy nolazainy fa tsy nandray fepetra mialoha nifanaraka tamin'izany ireo manampahefana. Nilaza tamin'ny The Reporter i Liang Xiu-mei, mpanorina ny Sendikan'ireo mpanampy mpitsabo fa iharan'ny tsindry ateraky ny fiparitahan'ilay valanaretina ireo mpiasan'ny fahasalamana, satria ny hôpitaly dia tsy manana ny ampy ho entina mametraka rafitra hanivànana sy hanangonana ireo tahona vovondandihazo nanaovana PCR.