- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mahafatifaty ny tantely Jamaikàna, tena ilaina ny fiarovana azy

Sokajy: Karaiba, Jamaika, Mediam-bahoaka, Tanora, Tontolo_iainana, Vaovao Tsara

Tantely mara mavo. Sary an'i Emma Lewis, nahazoana alàlana

Tao amin'ny Petchary [1] ny lahatsoratra no nivoaka voalohany. Dika nokiraina no mivoaka eto ambany.

Amin'ny maha-vokatra sarobidy ny tantely sy amin'ny maha-loharanon-tsakafo tsy hita noanoa azy, miaraka amin'ireo toetoetrany mahafaty bakteria sy mahatsara torimaso – tsy lazaina intsony ireo hatsarana entiny manalefaka sy manavao raha toa ianao tratry ny gripa na sy sery – tato anatin'ny taona vitsivitsy dia miparitaka be ao Jamaika izao ny fiompiana tantely.

Patricia Parchment, filohan'ny Fikambanana Westmoreland Bee Farmers ao Bluefields Bay any amin'ny morontsiraka atsimo-andrefan'i Jamaika. Sary an'i Wolde Kristos, nahazoana alàlana tamin'i Emma Lewis

Ny vehivavy, indrindra indrindra, no tena nomena tosika hahaleotena tamin'ny fanomezana azy ireo fiofanana bebe kokoa momba ny fiompiana tantely, manome azy ireo loharanom-bola hafa mandritra ny fisian'ny valanaretina ary mihoatra lavitra noho izany aza. Vehivavy rahateo ny filoha vaovao mitarika ny fikambanana Westmoreland Bee Farmers Society ao Bluefields Bay any amin'ny morontsiraka atsimo-andrefan'i Jamaika. Noho ireo karazan-tantely tandindonin-doza noho ny ataon'ny olombelona ary satria tena maika ny filàna miaro ireo mpamindra vovobony tena manana ny lanjany ireo, dia mitombo hatrany [2] ny fahalalàna momba ny tantely, na amin'ny alàlan'ny fandinihana izany na amin'ireo kaonferansa ety anaty tambajotra toy ity iray ity [3], nampiantranoin'ny Natural History Museum of Jamaica [4] (NHMJ).

Tena tsara fitontona rahateo ilay fiverenan'ny fahalinana indray, ao anatin'ny toejavatra manodidina ny tantara lavabe [5] niainan'i Jamaika niaraka tamin'ny fiompiana tantely sy ny loza mitatao maika be mianjady amin'ireo andian-tantely. Vinavina ny hoe misy hatramin'ny kazarana 69 ny tantely [6]  ao Jamaika, ka tantely 500  eo ho eo notsongaina tamin'ny kazarany 40 no hita ao amin'ny tahiry momba ny biby ao amin'ny NHMJ.

Deceita Turner, filohan'ny Bluefields Bay Fishermen’s Friendly Society, miasa manamboatra tohotra, raha mijoro mijery eo akaiky kosa ny tanora iray. Sary an'i Wolde Kristos, natolony sy nahazoana alàlana tamin'i Emma Lewis.

Zavatra iray mahazendana, mitombo be ny isan'ireo mpiompy tantely, na any ambanivohitra izany na an-tanàndehibe. Tanora iray mpandraharaha avy ao an-drenivohitra i Adrian Watson, efa an-taona maro no nanaraka fiofanana momba ny fiompiana tantely; ireo tantely tandrefana fantatra loatra amin'ny hoe (Apis Mellifera) [7] ny azy no ompiany, saingy i Jamaika dia manana betsaka amin'ireo tantely mpitokamonina [8], izay tena ilaina be amin'ny fitaterana vovobony.Ny Honai Beez Apiary [9] an'i  Watson dia manomana tetikasa iray ho famafazana vovobony ampiasàna ny tantely, ka tohotra iray an-tanandehibe no ho hita anatin'io, ary ikendrena hanofanana mpiompy vaovao sy hanentanana any an-tsekoly, any amin'ny sehetra tsy miankina sy ny maro hafa, momba ny anjara toerana lehibe tànan'ny tantely. Manantena izy ny hanofana ireo tanora tsy mbola manana traikefa momba ny fiompiana tantely ary hanamboatra tranontantely vita avy amin'ny volobe (bamboo) atao manaraka ny fenitra.

Adrian Watson, mpiompy an-tanàndehibe, mijery ny tanteliny. Sary an'i Watson, nahazoana alàlana.

Mpanentana mavitrika momba ny tontolo iainana sy ny fiovaovàn'ny toetrandro, mandresy lahatra ihany koa i Watson ny amin'ny tokony hametrahana faritra maitso betsaka kokoa eny amin'ireo toerana malalaka ao Kingston, renivohitra, toerana onenany. Ireny no toerana nofaritany ho an'ireo hetsika fiompiana tantely an-tanandehibe izay ilaina hisian'ny tontolo iainana maharitra. Amin'ny ankapobeny dia tantely miisa 30.000 eo ho eo no hita anatin'ny tohotra iray salantsalany.

Sady feno kazarany maro no mahaliana ny tantely fakàna maminy. Miovaova ny lokony, misy mainty kokoa, ny manja manopy mavo, ny mavo, miankina amin'ny sosona niavian-dry zareo. Ny Tantely Mainty Britanika [10], ohatra, dia fantatra amin'ny fahasiahany, raha tantely faran'izay malefaka kosa ilay tantely mavo ao Nouvelle-Zélande. Samy manana ny toetra mampiavaka azy ny sosona tsirairay- ny fitomboan-taranaka, ny fanangonana mamimbony, ny fahelàna velona- ary ny mpiompy tantely tsara (a good beekeeper) dia hanandrana ny hampitombo azy ireny ho amin'ny tanjona tsara.

Atao an-tsaina mandrakariva ny hoe mety manao firaisana amina lahintantely efa ho ampolony mahery ny mpanjakany iray, mety hitranga ny hoe misy loko maro samihafa hipoitra ao. Io no iray amin'ireo antony tsy ahitàna firy ny tantely mainty raha oharina amin'ireo tantely manja manopy mavo ao Jamaika. Na izany aza, zavaboary mahazendana ry zareo ireny ary ny asany mamafy vovobony dia mahatonga azy ho tena ilaintsika amin'ny fiainantsika. Ireto misy vitsivitsy amin'ireo tantely fahita matetika amperinasa ao Jamaika …

Taltely iray misotro rano, mitsingahila eo ambony zavamaniry iray ao anaty rano mihandrona misy voahirana. Sary an'i Tracy at Senti Bees [11], natolony sy nahazoana alàlana tamin'i Emma Lewis.

Hazavan'ireo manampahaizana ao an-toerana fa ampisain'ny tantely mba hifehezana ny hamandoana sy  ny hafanàna ao anaty tohotra ny rano, ary koa mba hanampohana ny tantely hataon-dry zareo sakafo sy ho an'ireo olitra. Entin-dry zareo miverina any anaty tohotra ny rano, satria tena ilaina arindra tsara ny hamandoana sy ny hafanàna mba ho fiadanan'ny andiany. Io no mahatonga antsika indraindray mahita tantely mijijy elatra eo amin'ny varavaran'ny tohotra: ilay fientonana no mampidina ny hafanàna ho an'ireo mponina ao anatiny.

Lahitantely mpandrafitra manao fisafoana. Sary an'i Vaughn Turland, natolony sy nahazoana alàlana tamin'i Emma Lewis.

Ny vavin-tantely mpandrafitra dia mazàna no miloko mainty ary tena mpankafy felana hazo moringa [12].

Vavin-tantely orchidée manangona ny dity hanaovana ny tranony. Sary: Vaughn Turland, natolony sy nahazoana alàlana tamin'i Emma Lewis.

Tantely orchidée tao amin'ny Toby Marshall, toerana fitahirizana ireo vorona ao Manchester, Jamaika. Sary an'i Ann Haynes Sutton, natolony sy nahazoana alàlana tamin'i Emma Lewis.

Iray amin'ireo tantely zanatany lehibe sy mahafatifaty ao Jamaika, somary manopy manja kokoa ny lokony. Sary an'i Vaughn Turland, natolony sy nahazoana alàlana tamin'i Emma Lewis.

Ity tantely zanatany miavaka ity, hita teo ampitsihifana felana vao mivelatra maraina tao amin'ny morontsirak'i Parottee, St. Elizabeth, dia angamba ilay karazany Centris [13].

Tantely manangona vovobony. Sary an'i Vaughn Turland, natolony sy nahazoana alàlana tamin'i Emma Lewis

Mbola dindon'ny Andro Erantany 2021 ho an'ny Tantely ihany [14], marobe ireo olona ao Jamaika—sy any amin'ireo faritra hafa ao amin'ilay vondronosy ao Karaiba izay, araka ny maha-Firenena Nosy Kely Andalampandrosoana azy, miatrika ny olan'ny fiovàn'ny toetrandro—no manomboka mahatsapa ny maha-zavadehibe ny fisian'ny tantely ho an'ny tontolo iainana sy ny hoavy lovainjafy.