Fihibohana ho an'ny olom-pirenena, fialantsasatra eny amoron-dranomasina ho an'ny mpizahatany: mampiseho ny tsy fifandajana amin'ny fepetran'ny COVID ny dokambarotra vaovao any Torkia

 

Pikantsary avy amin'ilay lahatsary dokambarotra navoakan'ny Ministeran'ny Kolontsaina sy ny Fizahantany any Torkia tamin'ny volana Mey 2021.

Niteraka fahatezerana tao amin'ny tambajotra sosialy ny lahatsary vaovao fampiroboroboana navoakan'ny Minisiteran'ny Kolontsaina sy ny Fizahantany Tiorka mandrisika ny mpizahatany iraisam-pirenena  hitsidika ny firenena, raha mbola ao anatin'ny fepetran'ny fihibohana ny mponina ao an-toerana. Tsy ampy 24 ora taorian'ireo fanehoan-kevitra ireo dia nesorina tao amin'ny tranokalan'ny governemanta ilay doka.

Nivoaka tamin'ny 13 Mey, mampiseho hotely sy ny mpiasan'ny orinasa hafa miarahaba ireo mpizahatany manao arotava ilay horonantsary izay milaza hoe “Ankafizo! Vita vakisiny aho!” miaraka amin'ny feo any ambadika milaza hoe: “trano fandraisam-bahiny manaraka ny fepetra ara-pahasalamana sy mpiasa vita vakisiny. Roa sosona ny fiarovana ho an'ny fizahantany hoy izahay. Fiadanan-tsaina hoy ny vahininay. Tongava mankafy ny toerana azo antoka, . ”

Nametraka lalàna vaovao mifehy ny fihibohana i Torkia tamin'ny 29 Aprily mba hisorohana ny andiany vaovao amin'ny COVID-19, saingy tsy tafiditra ao anatin'izany ireo mpanao fialantsasatra iraisam-pirenena.

Mandoa onitra henjana mitentina 3.180 lira (380 dolara amerikana) sy onitra fanampiny mitentina 900 lira (110 dolara amerikana) ny olom-pirenena tratra manitsakitsaka ny fepetra raha tratra tsy manao arovavaorona izy ireo. Ankoatra izany, noraran'ny Ministeran'ny Atitany ny varotra antsinjarany rehetra amin'ny vokatra tsy ilaina, toy ny taratasy, ny vokatra fanatsaran-tarehy, ny tanimanga, ny zava-pisotro misy alikaola. Hifarana amin'ny 17 Mey ny fepetra.

Tao anatin'ny ezaka hampisondrotana ny indostrian'ny fizahantany tratran'ny krizy, izay nahitana fatiantoka € 8,3 miliara (10,1 miliara dolara amerikana) tamin'ny taon-dasa, ary nihena hatrany amin'ny 40 isan-jato ny karama ankapobeny raha ampitahaina tamin'ny taona 2019 dia ny fanaovam-bakisiny ny mpiasan'ny fizahantany rehetra no nataon'i Torkia laharam-pahamehana ka natao tsinontsinona ny sehatra hafa. “Nataonay vakisiny ny mpiasan'ny fizahantany rehetra, ny mpiasan'ny hotely sy ny trano fisakafoana, ny mpamily, ny mpiasan'ny seranam-piaramanidina ary izay rehetra mifanerasera amin'ny mpizahatany, ao anatin'izany ireo mpitari-dia,” hoy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Mevlüt Çavuşoğlu nandritra ny fitsidihany tany Berlin tamin'ny herinandro lasa.

Vetivety dia niteraka tsikera tao amin'ny tambajotra sosialy Tiorka ilay doka. Niantso ny horonantsary ho “manala baraka” ireo mpitarika ny antoko mpanohitra samihafa. Nitaky ny fialan'ny minisitry ny fizahantany ankehitriny tao amin'ny sioka ny praiminisitra teo aloha, Ahmet Davutoğlu.

Nalaza tao amin'ny Twitter nanomboka teo ny #TurizmBakanıİstifa (midika hoe “miala, ny minisitry ny fizahantany”).

Toy ny andevo natolotra ho an'ny mpizahatany izahay!

Manao arovavaorona misy soratra “Vita vakisiny aho” no hahitan'ny mpizahatany ny Tiorka. Asio kavina izahay, poizino ireo mahery setra, ary raha misy mihetsika, dia omeo fialofana izahay, angamba mety hisy handray anay.

Any Torkia, mitondra marika eny an-tsofiny ny alika mpirenireny izay vita vakisinin'ny haromotana.

Tsy marina izany. Mety tsy ataonareo vakisiny ny olona, ​​fa farafaharatsiny mba aza alaina baraka izy ireo!

Nizara tantara vazivazy iray ho valin'ny horonantsary ny Zaytung, gazetiboky mpanesoeso Tiorka, nanome toky ny mpizahatany ho tonga fa ny famosirana ireo mpandroso sakafo lehilahy sy ireo mpiasan'ny morondranomasina rehetra, izay manao T-shirt misy soratra hoe: “Ankafizo! Vositra aho! ” ny fepetra manaraka ho raisin'ny Minisiteran'ny Kolontsaina sy ny Fizahantany.

Na dia maro aza ireo Tiorka no namaly ilay horonantsary dokambarotra tamin'ny hatsikana maherihery, dia mbola nafana ny hasorenana tamin'ny antokon'ny fitondrana Rariny sy Fampandrosoana nandritra ny valan'aretina. Toa ny fampahatsiahivana ny tsy fahaizan'ny fitondrana mitantana ny valan'aretina tato anatin'ny 14 volana ny zavatra tena tian'ny olom-pirenena atao amin'izao fotoana izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.