- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

LAHATSARY Myanmar: Fanonganam-panjakana sy tsy fankatoavam-bahoaka

Sokajy: Azia Atsinanana, Myanmar (Birmania), Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona, GV Insights, Myanmar Coup

Koa satria mbola mitohy ny toe-draharaha any Myanmar ary ao anatin'ny fitantaranay [1]momba izany ihany koa dia nanokana andiany amin'ny Global Voices Insights izahay hijerenao izay mitranga ao Myanmar hatramin'ny fanonganam-panjakana tamin'ny 1 Febroary, izay ahitana an'i:

Mong Palatino [2] tonian'ny Global Voices Azia atsimo atsinanana, Mong no mitarika ny fitantaranay amin'ny toe-draharaha any Myanmar. Ankoatra ny fandraisany ny fotoana, dia hatolony ny topi-mason'ny tetezamitan'ny firenena mankany amin'ny demaokrasia tao anatin'ny folo taona sy izay nitranga hatramin'ny fandraisam-pahefana an-kery nataon'ny miaramila.

Ben Crox [3] mpanangon-kevitra BarCamp monina ao Hong Kong sady mpanazatra momba ny fahaizana sy teknolojian'ny fifandraisana amin'ny media vaovao, efa nandraharaha tao Myanmar i Ben ary hiresaka amin'ny fomba iatrehan'ny vahoaka ny famoretan'ny miaramila, sy ny fomba ahafahan'ny olona ivelany manampy.

Hsa Moo mpikambana ao amin'ny Karen Environmental and Social Action Network (KESAN na tambajotran'hetsika sosialy sy ara-tontolo iainana Karen), horesahan'i Hsa ny toe-draharaha ao amin'ny fanjakana Karen sy amin'ny faritra hafa ao Myanmar.

Nahitana fijoroana vavolombelona tamin'ny lahatsary [4] roa avy amin'ny olona ao Myanmar  ihany koa ity fizarana ity.