- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Naaton'ny fanjakana ao Angola ny fandaharan'ny TV Record

Sokajy: Angola, Fivavahana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka

Pikantsarin'ny fahitalavim-panjakana ao Angola / YouTube [1] – 19 Aprily 2021

Nomen'ny [2] governemanta Angoley baiko ny TV Record Africa hampiato ny asany ao amin'ny firenena ny 19 Aprily, noho ny tsy fanarahan-dalàna hoy izy ireo.

Tamin'ny fanambarana ofisialy no nanamarinan'ny Minisiteran'ny Fifandraisandavitra, ny Teknolojiam-baovao sy ny Serasera ara-tsosialy (MINTTICS) ny fampiatoana ilay orinasam-pahitalavitra Breziliana noho ny antony fa “tsy teratany” ny talen'ny mpanatanteraka mitantana azy.

Nolazainy ihany koa fa “tsy nahazo fankatoavana na alàlana ao amin'ny Ivotoerana fanaovan-gazety Aníbal de Melo” ny mpanao gazety vahiny ao amin'ny orinasa.

Araka ny tombana nataon'ny Minisitera dia fantatra fa misy gazety, gazetiboky ary onjam-peo voasoratra ao amin'ny firenena, saingy tsy tena miasa.

Nihatra tamin'ny 21 Aprily ny fampiatoana ary haharitra mandra-pahatongan'ny baiko vaovao araka ny fanambarana.

Nilaza [3]tamin'ny gazety Breziliana ny Record fa gaga tamin'ny fanapahan-kevitra io. Hoy izy tamin'ny fanambarana:

Em 19/04/2021, a Record TV Africa foi surpreendida com um comunicado da Direção Nacional de Informação e Comunicação do Ministério das Telecomunicações, Tecnologias de Informação e Comunicação Social (“MINTTICS”).

A Record TV Africa exerce a sua atividade em Angola desde 2005 e conta com atualmente 73 colaboradores diretos e indiretos.
A Record TV Africa, no estrito respeito da Constituição e da lei Angolana, informa o público, parceiros comerciais e, em particular, as suas centenas de milhares de telespectadores diários.
A Record TV Africa, pauta e sempre pautou pela legalidade nos mais de 15 anos presentes em Angola e em todo continente Africano, e irá juntos aos órgãos de tutela buscar o esclarecimentos referente as supostas irregularidades alegadas.

Tamin'ny 19/04/2021, gaga ny Record TV Africa tamin'ny fanambarana nataon'ny Sampan-draharaha Nasionaly misahana ny Fampahalalam-baovao sy ny Serasera avy amin'ny Minisiteran'ny Fifandraisandavitra, ny Teknolojiam-baovao sy ny Serasera ara-tsosialy (“MINTTICS”).

Niasa tao Angola nanomboka ny taona 2005  ny Record TV Africa ary manana mpiasa mivantana sy ankolaka miisa 73 amin'izao fotoana.
Mampahafantatra ny besinimaro, ny mpiara-miasa aminy ara-barotra ary indrindra ny mpijery isan'andro an'arivony ny Record TV Africa, amin'ny fanajana tanteraka ny lalàm-panorenana sy ny lalàna Angoley.
Record TV Africa, izay efa ary mbola manaraka ny lalàna nandritra ny 15 taona mahery tany Angola sy manerana ny kaontinanta Afrikana, dia hangataka fanazavana momba ireo voalaza fa tsy fanarahan-dalàna miaraka amin'ireo sampan-draharaha mpanara-maso.

Nifanojo tamin'ny fotoana nampafana ny tsikera tao amin'ny firenena momba ny fisian'ny Église Universelle du Royaume de Dieu [4], tompon'ny TV Record any Brezila ny fanapahan-kevitry ny governemanta Angoley.

Nanomboka tamin'ny taona 2017 [5], niampanga [4] ny fiangonana Breziliana ho nanao kolikoly, nampijaly ary nanavakava-bolonkoditra ny pastera Angoley.

Tamin'ny volana Jolay 2020, nisy fanangonan-tsonia [6] navoaka hanoherana ny herisetra ataon'ireo pasitera sy eveka Breziliana ao Angola, ary efa nahatrara 100 000 sahady ny isan'ny sonia.

Mikasa [7]ny hanome anarana hafa ho an'ny Église universelle, ho an'ny Angoley manokana, misaraka amin'ny fitantanan'i Brezila, sy mba hialan'ity farany tanteraka ao amin'ny firenena ny vondronà pasitera Angoley.