- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mitady Toniandahatsoratra mpiara-miasa ny Global Voices

Sokajy: Mediam-bahoaka

Pikantsary avy amin'ny horonantsary nalaina tamin'ny 25 Janoary 2015, tamin'ny Vovonana Global Voices 2015 tany Cebu, Filipina. Lahatsary avy amin'ny Global Voices sy PR Works.

Mitady Toniandahatsoratra mpiara-miasa ny Global Voices (GV), hanampy ny ekipa mpamoaka lahatsoratra Global Voices sy ny vondrom-piarahamonina mpandray anjara mpilatsaka an-tsitrapo, miara-miasa akaiky amin'ny lehiben'ny famoahan-dahatsoratra hamokatra tantara sy hanampy amin'ny famoahan-dahatsoratra momba ny tetikasa manokana mifanaraka amin'ny tanjonay sy irakay.

Ny tantaran'ny GV dia mifantoka amin'ny lohahevitra toy ny kolotsain'aterineto, fahalalahana miteny anjotra, ny teknolojia sy ny zo nomerika, ny ​​zon'olombelona, ​​ny hetsika sivika sy politika, ny fahasamihafana sy ny fisoloantena ary ny fimaroana amin'ny fiteny.

Mpilatsaka an-tsitrapo ny ankamaroan'ireo mpandray anjara ato amin'ny Global Voices ary mety tsy ny teny Anglisy no fitenin'izy ireo. Anisan'ireo mpandray anjara ny mpanao gazety, mpisolo vava, mpianatra, mpampianatra, mpikaroka, dokotera, mpahay siansa, mpandika teny ary ny asa maro hafa, ary ireo fampitam-baovao mpiara-miasa amin'ny GV ihany koa.

Ny andraikitry ny toniandahatsoratra mpiara-miasa: 

 

Ireo kandida mahomby amin'ny lahasa dia:

Ireo kandida hofidina: 

Fikambanana manerantany virtoaly ny Global Voices. Ny ekipan'ny toniandahatsoratra miasa tapak'andro [2] no maotera mampihodina ny efitrano famoaham-baovao Global Voices izay miara-miasa amin'ireo mpandray anjara sy mpandika teny mpilatsaka an-tsitrapo eran'izao tontolo izao mba hanasongadinana ireo tantara sy fomba fijery izay tsy aseho amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra iraisam-pirenena.

Misy fepetra ara-jeografika mifandraika amin'ity tolotrasa ity. Aza hadinoina fa tsy manana birao na foibe hita maso ny Global Voices. Tokony mahay mandamina tsara ny fandaharam-potoanan'izy ireo manokana ary miasa amin'ny tontolo virtoaly feno sy vonona ny hanao dia iraisam-pirenena ireo kandida.

Raisinay antanandroa ny kandida avy any ivelan'i Amerika Avaratra sy Eoropa Andrefana ary mandrisika ny olona mpandray anjara ao amin'ny tetikasa Global Voices izahay mba handray anjara.

Antenaina hiasa tapak'andro araka izay ora maha-mety azy ny toniandahatsoratra mpiara-miasa, ary horaisina ho toy ny mpiasa tsy miankina.

Raha handray anjara:

Mandefasa CV amin'ny mailaka sy taratasy filazalazana ny fahavitrihanao amin'ny teny Anglisy izay manasongadina ny asanao ary manazava ny antony mahatonga anao ho ilay kandida mendrika hiasa ato amin'ny Global Voices amin'ny jobs@globalvoices.org, miaraka amin'ny lohahevitra: Global Voices Associate Editor: [ny anaranao]. Amin'ny 11:59 ora alina ora ATSINANANA (GMT -4) ny 31 Mey 2021 ny fe-potoana farany fandraisana anjara.